Sabotsy 29 Febroary 2020.

APOKALYPSY 22.6-9

Izay manana ny Tenin’ny Tompo

1-Mampiomana ny hafa amin’ny fiverenany (and7)

Eto dia ampiomanina amin’ny fiavian’ny Tompo ny kristiana , ho fanehoana fa efa miandry fatratra izany izy ireo . Ho an’ny fiangonana tokoa mantsy dia efa akaiky hatrany izany satria efa iainana ankehitriny sahady ny ampahany amin’ny fanjakan’Andriamanitra , na dia tsy fantatra aza ny fotoana hiverenan’ny Tompo . Ny Fiangonana sy izay rehetra ao amin’i Kristy dia efa vahoakan’ny lanitra fa tsy an’ny tany intsony . Izany no hitaomana ny kristiana tsirairay haharitra hiaina ny sitrapon’ ‘Andriamanitra hatrany mandra-piavin’ny Tompo indray. Ary izay manao izany no antsoina hoe : »sambatra ».

2-Mitaona ny hafa hivavaka amin’Andriamanitra

« Andriamanitra ihany no ivavaho »(and9) . Ny anjely izay tsy hafa fa irak’ Andriamanitra nanambara ny teniny no niankohofan’i Jaona noho ny hasarobidin’ny fanambarany . Nananatra an’i Jaona ilay anjely hoe : « tandremo , aza manao izao ... »ka nampitodika azy tamin’ny fivavahana tamin’ Andriamanitra . Koa ny olona manana ny tenin’ny Tompo dia tsy faly amin’ny fiankohofan’ny olona aminy tsy akory fa mampitodika ny olona hivavaka amin’Andriamanitra satria mpanompon’Andriamanitra sy mpirahalahy avokoa izay rehetra mitandrina ny voarakitra ao amin’ny Soratra masina . Aoka samy hitaona ny mpino namany hanamafy orina hatrany ny finoana sy fankatoavana ny Tenin’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no ataonao ho fiomanana amin’ny fiavian’nyTompo,

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Valentine’s event 2020.

 Soaked by love 

(Valentine’s event, covered by the President of the FJKM).

What an opportunity  to know the real love and to understand godly marriage !

From February 11th to 15th; the FJKM ARM ( FJKM in the town of Antananarivo and its surroundings), the KPMS (National committee against HIV), the Vaomieran’ny Fianakaviana Kristiana FJKM (Commission of the FJKM Christian family), Fikambanana Tokantrano vavolombelona (Home witnesses Association) and the Fikambanan’ny Renin-jaza Kristiana (Christian Mothers Association) organized a week of Conferences at the FJKM Cathedral Analakely.

The Topics were: « The Foundation of Christian Marriage » by Pastor Fidison RAZAFINIARIVO; « Mutual listening between husband and wife » by Pastor Jean William  RAZAFIMAHATRATRA; « Test and Marriage » by Pastor Dyna TRIMOZAFY ; « Give me a prudent Partner » by Pastor Gilbert RALISON  and finally  «  How can I handle my love » by the Pastor Dr Irako ANDRAMAHAZOSOA Ammi.

Some sessions took place at Manarintsoa Finoana Isotry FJKM Church such as: « I want to love but I’m scared » and « Does a spouse make your life comfortable? »

Apart from teachings, one of the sessions were dedicated for questions which was very helpful to the couples, lovers and everybody present. The organizers also gave room for games where winners received different gifts.

On Sunday 16th, different couples from the audience and from the organizers could close that week together with a meal at one reception area.

What a week of revelation! The only acceptable and godly marriage is between one man and one woman according to God the creator. In order to be able to choose the right partner and to love properly, ones must receive Jesus as Lord and savior. What an opportunity to respond to the Gospel as well!

Looking forward to next year’s Valentine’s event, as well as the establishing of the FJKM new department on “Family and Christian home”.

To God be the Glory!

Mamy Danieline

AFIFAB/Santatra Fahazavana

How do I handle my love life?

5 great answers are given by the Doctor Irako Andriamahazosoa Ammi President of the FJKM Church to replay to this problematic question: how do I handle my love life?. That is to close a week teaching sessions named : » « soaked of love », at the FJKM Analakely from the 10th, February 2020. to the 15th, February 2020. These sessions aimed at building-up the Christian family life.

Accept your love life

It is not a sin to love, It is obvious to love someone as God has given a heart- beating to love.

Master your love life
By knowing the Bible principles you can handle your love life.

Ask permission for your love life.

Ask for wisdom from God and advices to your biological parents and elders for all decisions about love.

Be on guard for your love life.

Stand firm not to fall into temptations, and commit adultery.

Give to Jesus your love life

The only power to overcome love problems is from the power of accepting Jesus as Lord and savior. 99% of love problems are due to the disobedience of God’s words. Christians are called to live a holy life.


Veronica Andrianarison

AFIFAB/Santatra Fahazavana

Zoma 28 Febroary 2020.

KOLOSIANA 3.16-17

Ny olona manana ny Tenin’i Kristy

1-Mifananatra amin’ny fifaliana (and16)

Sady asaina mifananatra amin’ireo karazan-kira samihafa ny olona manana ny Tenin’i Kristy no entanina hihira ao am-pony. Hiraina mafy amin’ny feo avo , amin’ny feo feno fifaliana manaiky an’i Kristy izany. Ary mifananatra mba samy haneho fankalazana an’ Andriamanitra amin’ny vavany ny tsirairay sy manana fifaliana am-po avy amin’ny Tenin’Andriamanitra . Koa aoka samy hihira amin’ny fifaliana rehefa manome voninahitra an’ Andriamanitra sady hananatra ny hafa amin’izany ihany koa ny mpino tsirairay.

2-Miasa amin’ny anarany (and17)

Rehefa manana an’i Kristy ny olona , ny zavatra rehetra ataony dia atao amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo satria azo antoka fa manana fiombonana amin’i Kristy izy , ary tsapany fa tsy izy no miasa fa i Kristy no velona ao anatiny. Koa tokony misaotra an’ Andriamanitra izay Tompon’ny fahatsarana rehetra ny mpino. Ary ny fisaorana an’i Jesoa Kristy dia mariky ny fanaovana fanatitra , ary asa tokana tokony hataon’ny olona mino an’ Andriamanitra izany .Koa izay zavatra rehetra ataon’ny mino dia tsy izy irery no manao izany fa miaraka amin’i Jesoa Kristy avokoa . Noho izany , tsy ny sitrapony no lazainy sy ataony fa an’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no entinao mananatra ny hafa? Sitrapon ‘iza no mibahan-toerana amin’ny ataonao rehetra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 27 Febroary 2020.

DEOTERONOMIA 6.16-25

Ny fitandremana ny didin’Andriamanitra

1-Mitondra filaminana (and18-19)

Raha mitandrina tsara ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika nomen’ Andriamanitra azy ny Zanak’Israely dia hahita soa sy fifaliana amin’ny lafim-piainana rehetra ao amin’ny tany Kanana. Tsy izany ihany fa Andriamanitra mihitsy no handroaka ireo te-hiady aminy . Rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra ny olona dia ho tamana amin’ny tany izay nisy azy sady tsy hisy fahavalo haka ny taniny an-keriny satria Andriamanitra no miaro azy . Ary izany no mahatonga an’i Jesoa mampanantena hanome fiainana mandrakizay , ho an’izay mankato ny teniny , dia ny tany tsy ananan’ny herin’ny ratsy fahefana. Ankatoavy ny Tenin’ny Tompo dia hiadana hianao eo amin’ny tany onenanao .

2-Fahatsiarovana ny famonjena (and21-25)

Ampahafantarina ny taranaka ny antony nahatonga ny fitandremana ny didin’Andriamanitra , dia ny fanafahany ny Zanak’ Israely tamin-kery nivoaka avy tany Egypta , izay tany nahandevozana azy ireo , ary nitondra azy ireo niditra nandova ny tany Kanana Izy . Fampahatsiahivana ny tantaram-pamonjena nataon’Andriamanitra no antony hitandremana ny sitrapony . Noho izany , izay rehetra mahatsiaro ny famonjena nataon’Andriamanitra taminy no miaina ny sitrapon’ Andriamanitra . Ary ny fahatsiarovana lehibe indrindra , dia ny famonjena antsika , ho afaka amin’ny fahotana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanany .

Fanontaniana:

Afa-po aminn’y fanakatoavana ny didin’Andriamanitra ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

SP 11/FJKM Ankadimbahoaka

« Haleloia! miderà an’i Jehovah , fa tsara Izy. Fa mandrakizay ny famindrampony  » Sal 106.1

FIANTSOANA

Antsoina ny zanaky ny Fiangonana rehetra eto FJKM Ankadimbahoaka na ny lavitra na ny akaiky mba ho tonga maro hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fotoana hitrotroana amam-bavaka ny Ray amandreny , ny Mpitandrina ANDRIAMANAMPY RAFIDISON Timoty mivady. Izany dia hatao ny Alahady 08 Martsa 2020 , amin’ny 9 ora maraina , sady mivonona amin’ny marika hita maso ho fanohanana azy ireo .

Aoka hifampilaza

SP 11/FJKM Anjomakely Kristy Firaisana

NAMARANA NY FANKALAZANA NY FAHA-140 TAONANY SADY MANOKATRA NY FANKALAZANA NY FAHA-150 TAONANY

Tao anatin’ny roa andro no nifaly nanamarika ny fotoam-pamaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-140 taonany sady nanokatra ny faha-150 taonany ny Fiangonana izay misy ny Mpitandrina RAKOTOARISOA Zouzou.

Ny Talata 10 Desambra 2019 no fotoam-pivavahana niarahan’ny Fiangonana tamin’ireo vahiny nasaina toy ny Foibe FJKM izay nahitana ny MF (Mpiandraikitra Foibe): ANDRIAMALALA Solomon Jean Dénis, Mpitandrina; Ny Biraon’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo, tarihin’ny Prezida Synodaly RABELISON H. Manassé, Mpitandrina, ny solontenam-piangonana avy amin’ireo Fiangonana rehetra ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo-SPAA11, niampy ireo Mpitondra Fanjakana sivily sy miaramila ary ireo namana sy tapaka, sakaiza izay nitondra am-bavaka sy nanome tanana tamin’ny fomba maro samihafa ho fanampiana ny ezaky ny Fiangonana. Ny Alahady 15 Desambra 2019 kosa no fotoana manokana ho an’ny mpino ao an-toerana sy ny zanaka ampielezana.   

Nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’izany fotoan-dehibe roa sosona izany, ny Birao SPAA11, RANDRIANARISON Emmanuel, Mpitandrina ary nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Birao SPAA11, RANDRIANOMENJANAHARY Narivelo Nirina, Mpitandrina ka ny teny fanevan’izao fety roa sosona izao, izay nalaina tao amin’ny Efesiana 4:3 sy 12, no noraisiny nataony fototra niaingana ary nilazany fa ny Fiangonana dia mety maty raha tsy mitandrina ny mpino, ka mifandray ary mifikitra tanteraka, amin’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana. Telo lehibe, no andry sy fototra ahafahana miaro ny Fiangonana tsy ho rava ka ho faty :

1/ Ny fitazonana ny firaisana amin’ny fehim-pihavanana satria, izay tsara fihavanana amin’Andriamanitra irery ihany no afaka mihavana, ary ny Ran’i Jesoa Kristy nilatsaka teo amin’ny hazofijaliana no fampiraisana sy fehim-pihavanan’ny mpino, koa tsy tokony hifanaratsy sy hifanenjika mankany amin’ny fahaverezana ny kristiana noho izany, satria dia hiaraka ho very any amin’ny afobe sanatria no hiafarany.

2/ Ny fanompoana tanterahin’ny mpino satria, ny talenta ananan’ny tsirairay rehefa entina hanomezana voninahitra an’Andriamanitra izany dia manjary fanomezam-pahasoavana avy amin’i Jesoa Kristy ka ny Fiangonana izay an’i Kristy no lasa tompoin’ny mpino sy hiasany ampanetren-tena, noho ny fanahin’ny fanompoana izay avy tamin’i Kristy Jesoa, monina ao anatiny.

3/ Ny fandrosoan’ny Fiangonana izay miseho sy hita taratra eny ivelany, toy ny fisian’ny fotodrafitrasam-piangonana mihatsara hatrany sady mitombo ihany koa. Torak’izany ny fitombon’ny isan’ny mpino izay firafetan’ny vatan’i Kristy Jesoa, sy ny fisian’ny tetikasa tsy mijanona ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Amin’izao taona 2019, ankalazana ny faha-200 taona ny Sekoly FJKM izao dia tsara ny mampahafantatra, fa manana Sekoly fanabeazana fototra (Ecole Primaire) sy Sekoly ambaratonga faharoa fototra (Collège d’Enseignement Général) ny FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, ka Rtoa RAHARIMALALA Fanirisoa Tatiana no Talen’izany seha-pampianarana roa sosona izany, ary am-pifaliana no nilazany fa tsara hatrany ny voka-panadinana ao amin’ny Sekoly tantaniny isan-taona. Raha ny vokatra azon’ny Sekoly FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, tamin’ity taom-panadinam-panjakana 2019 ity, no ambara, hoy izy, dia mahafinaritra tahaka ny isan-taona ihany koa, satria 92% no vokatra azo tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ary 81% ny vokatra azo tamin’ny fanadinam-panjakana BEPC.      

                                                                                                                      IMANOELA ˂SF˃

SP 34 /FJKM Ziona Vaovao Andranofeno

MANKALAZA NY FAHA 15 TAONANY

« Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » (3 Jaona 5)

Natao tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, Synodamparitany Vonizongo Vavolombelona-SP34, izay misy ny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA, ny Sabotsy 14 Desambra 2019, ny fotoam-pivavahana niderana an’Andriamanitra, nohon’ny faha-15 taonan’ny Fiangonana. Nitarika izany, ny Prezida Synodaly, ANDRIANJAKAMBOLAHARINAIVO Arnaud, Mpitandrina. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Tale AFF-FOIBE, ANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina, ka ny Soratra Masina ao amin’ny 3 Jaona 5 « Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » no nataony lasitra, nakany hafatra.

Tamin’ny asa vavolombelona dia nisy ny fitokanana toerana fidiovana ho an’ny Fiangonana, ary fiaraha-nisalahy no nahavitana izany ka nisaoran’ny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA ireo rehetra vy nahitana sy vato nananana ka nifarimbona tamin’ny nahavitana izany.

Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana ka isan’ireo nandray anjara tamin’izany :

  • Atoa RAKOTONARIVO ROBINSON (Dada Rôby), izay nitantara fohy ny lalan’ny Fiangonana tao anatin’ny 15 taona nijoroany.
  • Rtoa RATEFINJANAHARY HAINGO, FILOHA Komitin’ny faha-15 taona
  • Atoa RAKOTOSON Tovo FILOHA SETELA (SEhatra TEolojika ho an’ny LAika), izay nisolo-tena ireo mpiara-niombon’antoka (SETELA, OM (Operation of Mobilization), Ukey Scout, Tily Madagasikara, sns), izay niara-nisalahy ka nahatontosa ilay fotodrafitrasa vao avy notokanana.
  • Ny solotenan’ireo Fiangonana Kristiana maro misy ao Andranofeno
  • Ny solotenam-panjakana notarihin’ny Lehiben’ny Distrika
  • Sns.      

Marihina fa mbola ao anatin’ny sokajy “Poste d’évangélisation” ny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, miaraka amin’ireo Fiangonana manodidina azy, toy ny FJKM Firarazana sy ny FJKM Manerinerina.

Fiarahan’ny rehetra nisakafo ho fiombonana aina no namaranana ny hetsika, ho voninahitr’Andriamanitra Fitiavana.

                                                                                                                                  IMANOELA ˂SF˃

Hafatry ny Filoha / Feb 2020

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Ny tanjontsika dia mazava:

ity tanindrazantsika ity

tsy avelantsika raha tsy henika

amin’ny fahalalana tsara

Ilay Mpamonjy sady Tompo,

Dia i JESOA KRISTY !

Handeha isika dia hitory,

Hamory vokatra mateza

Ho an’ny Fanjakan’ny lanitra,

Dia lehilahy sy vehivavy,

Antitra ary koa tanora

Sy ankizy marobe

Manaiky fa handray ny Tompo!

Saingy tsy efan-teny izany

Fa hoheverintsika tsara

Na ny famonjem-panahy,

Na ny fiainana ara-nofo.

Fa ny olona rehetra

Sy ny olo-manontolo

No tsy maintsy heverintsika!

Mety tsy hanam-bola be

Avy hatrany angamba isika,

Nefa tena afa-miainga

Am’izay nomen’ny Tompo

Ka manomboka amin’ny kely

-tsy maninona mihitsy –

fa toy ny trano be atsangana:

biriky kely atambatambatra

no indro nahavitana ireny!

Koa mandrosoa, dia mahereza

VONTOSY FILAZANTSARA NY NOSY MADAGASIKARA !

IRAKO AMMI

Perikopa Febroary 2020

Mahatoky ny teny vavolombelon’ny Tompo

Mandritr’ity volana febroary ity, ny Fiangonana dia miara-mivoy ny Soratra Masina maneho ny lohahevitra hoe: “mahatoky ny teny vavolombelon’ny Tompo”. Amin’izany, ireto hevitra telo aseho amin’ny fafana ireto no farafahakelin’ny tokony ho hitan’ny mpamaky manatratra ny lohahevitra:

Perikopa Miteny ny Tompo hoe: Mahatoky ny teniny Tompo ka Manambara Azy Tompo ny teniny satria
2 Tantara 23, 1- 11 Hanjaka eo amin’ny olona Izy amin’ny alalan’ny Mpanompo apetrany (mpanjaka mandimby) Izay ataon’ny olona eo anatrehany (ao amin’ny Tempoly) dia Izy no antom-pisiany Tsy miova Andriamanitra ka ny fanekena nataony dia tanterahiny amin’ny olony eo amin’izay fanekena ataony.
Matio 7, 24- 29 Natao horenesina sy ankatoavina ny tenin’ny Tompo (and. 24) Maha-marin-toerana ny fiainan’izay mankato ny teniny (trano tsy ravan’ny riaka sy ny rivotra) Teny feno fahefana (and. 29)
Asan’ny Apostoly 20, 32- 35 Mahasambatra kokoa ny manome  noho ny mandray (and. 35) Mampandray andraikitra ny mpanompony tsy hiantehatra amin’ny hafa fa amin’Izy Tompo (and. 33- 34) Izy no Tompon’ny fahasoavana, fandrosoana, lova (fiainana mandrakizay) (and. 32)
Salamo 19, 7- 11 Miseho amin’ireto endrika ireto ny Teniny: lalàna, didy, fitsipika, Miako eo amin’ny olona mandray azy ny tenin’ny Tompo. Mitondra fahazavana ho an’izay mandray azy ny teniny. Tsy misy tsiny toa Azy Andriamanitra ny teniny.  
Lioka 5, 1- 7 Ilaina ny mandroso hatrany. Araho ny baikony (and. 4)   Tsy mandiso fanantenana ireo olona maniry hihaino Azy (and. 1) Mitaky fankatoavana mba hitondra fahombiazana. Izy no loharanon-karena ka mampahomby ny mpianatra efa kivy.
1 Petera 1, 22- 25 Ny Teniny dia velona sy maharitra(and.23) Manefy ny olona mandray ny teniny hanana ny tena fitiavana Ny tenin’ny Tompo dia maharitra mandrakizay toa Azy Andriamanitra izay  maharitra mandrakizay (and. 25)

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

Foibe JKM

Alarobia 26 Febroary 2020.

APOKALYPSY 21.1-8

Ny Tenin’i Jesoa Kristy

1-Mitondra fanavaozana (and5)

Ny tabernakely izay manambara ny fanatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonan’ny olona voavidin’ny Ran’i Kristy no entina maneho ny fifandraisana tonga lafatra eo amin’ Andriamanitra sy ny olona . Nohariana ho vaovao avokoa ny Zanak’ Andriamanitra sy ny zava-boahary rehetra mba hahatonga an’Andriamanitra ho ao amin’izy rehetra .Rehefa manatrika Andriamanitra dia foana avokoa ny herin’ny fanapotehan’ny ota ka tonga vaovao hifanaraka amin’ny voninahitry ny any an-danitra izany (and 4). Araka izany , ny fanatrehan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny ihany no afaka mitondra fanavaozana eo amin’ny fiainan’ny olona .

2-Azo antoka ny fahatanterahany (and5)

Ny teny hoe: »mahatoky » dia azo adika ho « azo antoka » , ary manana hevitra hoe: « azo hanorenana finoana  » .Ireo fanambarana nataon’i Jesoa Kristy ireo dia azo antoka ka tokony hinoan’ny olona rehetra satria Andriamanitra marina no miteny sy manambara izany . Azo antoka fa tsy maintsy ho tanteraka avokoa izay rehetra voalazan’ny Soratra masina ka ho an’izay rehetra tsy mino dia tsy maintsy hihatra aminy ny famaizana rehetra voalaza ao . Ho an’izay mino kosa dia tsy maintsy handova ny lanitra vaovao sy tany vaovao araka ny teny fampanantenana nataon’Andriamanitra izay voarakitra ao amin’ny Soratra Masina . Koa minoa ny Tenin’i Jesoa Kristy

Fanontaniana:

Hatraiza ny finoanao ny Tenin’ Andriamanitra , efa nihavao ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM