SP 34 /FJKM Ziona Vaovao Andranofeno

MANKALAZA NY FAHA 15 TAONANY

« Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » (3 Jaona 5)

Natao tao amin’ny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, Synodamparitany Vonizongo Vavolombelona-SP34, izay misy ny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA, ny Sabotsy 14 Desambra 2019, ny fotoam-pivavahana niderana an’Andriamanitra, nohon’ny faha-15 taonan’ny Fiangonana. Nitarika izany, ny Prezida Synodaly, ANDRIANJAKAMBOLAHARINAIVO Arnaud, Mpitandrina. Nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Tale AFF-FOIBE, ANDRIAMISAINA Landison Triomphe, Mpitandrina, ka ny Soratra Masina ao amin’ny 3 Jaona 5 « Ry malala, manao asa mahatoky ianao na amin’inona na amin’inona ataonao amin’ireo rahalahy ireo, na dia vahiny aza izy, » no nataony lasitra, nakany hafatra.

Tamin’ny asa vavolombelona dia nisy ny fitokanana toerana fidiovana ho an’ny Fiangonana, ary fiaraha-nisalahy no nahavitana izany ka nisaoran’ny Mpitandrina RAMINOARINOSY NIRY JIHA ireo rehetra vy nahitana sy vato nananana ka nifarimbona tamin’ny nahavitana izany.

Nisy ny fifandimbiasam-pitenenana ka isan’ireo nandray anjara tamin’izany :

  • Atoa RAKOTONARIVO ROBINSON (Dada Rôby), izay nitantara fohy ny lalan’ny Fiangonana tao anatin’ny 15 taona nijoroany.
  • Rtoa RATEFINJANAHARY HAINGO, FILOHA Komitin’ny faha-15 taona
  • Atoa RAKOTOSON Tovo FILOHA SETELA (SEhatra TEolojika ho an’ny LAika), izay nisolo-tena ireo mpiara-niombon’antoka (SETELA, OM (Operation of Mobilization), Ukey Scout, Tily Madagasikara, sns), izay niara-nisalahy ka nahatontosa ilay fotodrafitrasa vao avy notokanana.
  • Ny solotenan’ireo Fiangonana Kristiana maro misy ao Andranofeno
  • Ny solotenam-panjakana notarihin’ny Lehiben’ny Distrika
  • Sns.      

Marihina fa mbola ao anatin’ny sokajy “Poste d’évangélisation” ny FJKM Ziona Vaovao Andranofeno, miaraka amin’ireo Fiangonana manodidina azy, toy ny FJKM Firarazana sy ny FJKM Manerinerina.

Fiarahan’ny rehetra nisakafo ho fiombonana aina no namaranana ny hetsika, ho voninahitr’Andriamanitra Fitiavana.

                                                                                                                                  IMANOELA ˂SF˃

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV