SP 11/FJKM Anjomakely Kristy Firaisana

NAMARANA NY FANKALAZANA NY FAHA-140 TAONANY SADY MANOKATRA NY FANKALAZANA NY FAHA-150 TAONANY

Tao anatin’ny roa andro no nifaly nanamarika ny fotoam-pamaranana ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-140 taonany sady nanokatra ny faha-150 taonany ny Fiangonana izay misy ny Mpitandrina RAKOTOARISOA Zouzou.

Ny Talata 10 Desambra 2019 no fotoam-pivavahana niarahan’ny Fiangonana tamin’ireo vahiny nasaina toy ny Foibe FJKM izay nahitana ny MF (Mpiandraikitra Foibe): ANDRIAMALALA Solomon Jean Dénis, Mpitandrina; Ny Biraon’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo, tarihin’ny Prezida Synodaly RABELISON H. Manassé, Mpitandrina, ny solontenam-piangonana avy amin’ireo Fiangonana rehetra ao anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Atsimo-SPAA11, niampy ireo Mpitondra Fanjakana sivily sy miaramila ary ireo namana sy tapaka, sakaiza izay nitondra am-bavaka sy nanome tanana tamin’ny fomba maro samihafa ho fanampiana ny ezaky ny Fiangonana. Ny Alahady 15 Desambra 2019 kosa no fotoana manokana ho an’ny mpino ao an-toerana sy ny zanaka ampielezana.   

Nitarika ny fotoam-pivavahana tamin’izany fotoan-dehibe roa sosona izany, ny Birao SPAA11, RANDRIANARISON Emmanuel, Mpitandrina ary nitondra ny hafatr’Andriamanitra ny Birao SPAA11, RANDRIANOMENJANAHARY Narivelo Nirina, Mpitandrina ka ny teny fanevan’izao fety roa sosona izao, izay nalaina tao amin’ny Efesiana 4:3 sy 12, no noraisiny nataony fototra niaingana ary nilazany fa ny Fiangonana dia mety maty raha tsy mitandrina ny mpino, ka mifandray ary mifikitra tanteraka, amin’i Jesoa Kristy Lohan’ny Fiangonana. Telo lehibe, no andry sy fototra ahafahana miaro ny Fiangonana tsy ho rava ka ho faty :

1/ Ny fitazonana ny firaisana amin’ny fehim-pihavanana satria, izay tsara fihavanana amin’Andriamanitra irery ihany no afaka mihavana, ary ny Ran’i Jesoa Kristy nilatsaka teo amin’ny hazofijaliana no fampiraisana sy fehim-pihavanan’ny mpino, koa tsy tokony hifanaratsy sy hifanenjika mankany amin’ny fahaverezana ny kristiana noho izany, satria dia hiaraka ho very any amin’ny afobe sanatria no hiafarany.

2/ Ny fanompoana tanterahin’ny mpino satria, ny talenta ananan’ny tsirairay rehefa entina hanomezana voninahitra an’Andriamanitra izany dia manjary fanomezam-pahasoavana avy amin’i Jesoa Kristy ka ny Fiangonana izay an’i Kristy no lasa tompoin’ny mpino sy hiasany ampanetren-tena, noho ny fanahin’ny fanompoana izay avy tamin’i Kristy Jesoa, monina ao anatiny.

3/ Ny fandrosoan’ny Fiangonana izay miseho sy hita taratra eny ivelany, toy ny fisian’ny fotodrafitrasam-piangonana mihatsara hatrany sady mitombo ihany koa. Torak’izany ny fitombon’ny isan’ny mpino izay firafetan’ny vatan’i Kristy Jesoa, sy ny fisian’ny tetikasa tsy mijanona ho fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo.

Amin’izao taona 2019, ankalazana ny faha-200 taona ny Sekoly FJKM izao dia tsara ny mampahafantatra, fa manana Sekoly fanabeazana fototra (Ecole Primaire) sy Sekoly ambaratonga faharoa fototra (Collège d’Enseignement Général) ny FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, ka Rtoa RAHARIMALALA Fanirisoa Tatiana no Talen’izany seha-pampianarana roa sosona izany, ary am-pifaliana no nilazany fa tsara hatrany ny voka-panadinana ao amin’ny Sekoly tantaniny isan-taona. Raha ny vokatra azon’ny Sekoly FJKM Anjomakely Kristy Firaisana, tamin’ity taom-panadinam-panjakana 2019 ity, no ambara, hoy izy, dia mahafinaritra tahaka ny isan-taona ihany koa, satria 92% no vokatra azo tamin’ny fanadinam-panjakana CEPE ary 81% ny vokatra azo tamin’ny fanadinam-panjakana BEPC.      

                                                                                                                      IMANOELA ˂SF˃

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV