FJKM Zoara Ambohipo
Toriteny / JAOMANJATO Doda Mpitandrina
Toriteny / JAOMANJATO Doda Mpitandrina
« Hianareo no vavolombeloko » Isa 13.10a
-Ny Foibe FJKM
-Ny SP KRIFATA 32
-Ny Komitin-Jobily
-Ny Prezidà Synodaly mianakavy
dia faly manasa anareo hiombona amin’ny Fankalazana an’ Andriamanitra amin’ny famaranana ny JOBILY faha-25 Taona maha-Mpitandrina an’ Andriamatoa :
RAKOTONDRAIBE Solofomalala mivady
ny Alahady 22 Septambra 2019 ao amin’ny
FJKM Zoara VATOMANDRY
Hery lehibe ho azy mianakavy ny fifanotronana ho an’izay afaka, indrindra ny fitrotroana amam-bavaka. Misaotra tompoko .
Fifandraisana : 033 37 643 70
FIOMBONAN’NY FIANGONANA KRISTIANA ETO MADAGASIKARA (FFKM)
MANKALAZA AN’ANDRIAMANITRA NOHO NY FAHA 40 TAONA NIJOROANY
Anatin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 40 taona ny eo anivon’ny FFKM ankehitriny. Ny Zoma 23 Aogositra teo no notanterahana tetsy amin’ny EKAR Md François Xavier Antanimena ny Fanompoam-pivavahana fanokafana ny taom-pankalazana.
Ireo filohan’ny Fiangonana efatra mivondrona ao anatin’ity FFKM ity no nifarimbona nanatontosa ny fanompoam-pivavahana. Ny Mgr RAZANAKOLONA Odon Marie Arsène (EKAR) no nitarika, nitory ny Tenin’Andriamanitra ny Pastora Dr RAKOTONIRINA David(FLM), nanao ny vakiteny ny Mgr RANARIVELO Samoela Jaona (EEM), ary nitondra ny ranombavaka Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina (FJKM). Ny teny faneva izay hita ao amin’ny 1KOR 1:10 no nakana ny toriteny ka nanasongadinana fa ilaina ny fivondronana sy firaisan-tsaina mba hitomboana sy ahazoana fitahiana hoan’ny firenena. Mametraka fanantenana amin’ny FFKM ny Malagasy rehefa avy namakivaky ny 40 taona lasa ka hibanjina ny 40 taona ho avy.
Nisy ny lahateny nifandimbiasana ka nivoitra tamin’izany araka ny voalazan’Atoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina sady Filohan’ny FFKM rahateo fa natao ny fiombonana mba ho hery mampiray ny Fiangonana amin’izao 40 taona manaraka izao. Atoa RATEFIARIVONY
Romuld Filohan’ny Komity faha 40 taona kosa no nandahatra ireo fandaharam-potoana izay misokajy ho Fanompoam-pivavahana, Fikaonan-doha, Fifaninanana hira faneva sy sary famantarana, fampirantiana maharitra, Lalao ara-panatanjahantena, fanoratana sy famoahana
boky tantaran’ny FFKM ary ny fambolen-kazo iombonana.
Miisa 12 no mandrafitra ny kômity hiara-hisalahy amin’izao fankalazana izao. Nandritra ny fanompoam-pivavahana dia nisy ihany koa ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo noheverina ho nahavita be tao amin’ny FFKM.
Ety am-pamaranana dia maniry ny Fiombonanm-po amam-panahy hoantsika ary “Aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara” 1KOR 1,10 Diem.
RaMahery
FANDAHARANA « MIHARY FINOANA
Volana SEPTAMBRA 2019
Ny fandaharana mihary finoana dia vokarin’ny Foibe FJKM, iaraha-miasa amin’ny groupe RTA,tontosain’ny AFIFAB-FJKM
Lohahevitra volana Septambra : « FITORIANA FILAZANTSARA AMIN’NY OLONA REHETRA »
-Alah. 01 Sept 2019: « Fitoriana Filazantsara amin’ny Ankizy »
-Alah. 08 Sept 2019: « Fitoriana Filazantsara amin’ny Tanora »
-Alah. 15 Sept 2019: « Fitoriana Filazantsara amin’ny Vehivavy »
-Alah. 22 Sept 2019: « Fitoriana Filazantsara amin’ny Lehilahy »
-Alah. 29 Sept 2019: « Fitoriana Filazantsara amin’ny zokiolona »
Arahinao isaky ny Alahady maraina ao amin’ny Radio Tana 94.4 fm amin’ny 6 ora sy ny fahitalavitra RTA amin’ny 6 ora sy 30 mn.
FANDAHARANA IOMBONANA
Alahadin’ny FFP / 22 Sept 2019
Fidirana (Feonjava-maneno na hafa)
Fiarahabana apostolika
Fiantsoana sy fiderana an’Andriamanitra – Sal. 57. 9 -11 –
Hira 12 : 1,2,3
Vavaka
Fanambarana ny sitrapon’Andriamanitra – Rom. 6. 19 – Sal. 119, 1,2
Hira 244: 4,5
Fiaiken-keloka
Vavaka
Hira 403
Famelan-keloka – Jer. 30. 8-10 – Sal. 32. 1-2
Hira 424: 1,2,4
Fanekem-pinoana faha 3
Raharaham-piangonana + Famakiana ny hafatry ny sampanasa FFP
Rakitra
Fanolorana rakitra hira 443 : 2
Tenin’andriamanitra
Fotoana ho an’ny ankizy sy tanora
Hira 209: 1,2
Vavaka
Vakiteny : 1Tan. 28. 9 – 10 – Jao. 15. 1 – 8 – Rom. 12. 1 – 2
Hira 354: 2,3
Toriteny
Feon-javamaneno
Vavaka fangatahana + Vavaka nampianarin’ny Tompo
Asa vavolombelona (raha misy)
Famaranana – Hira 547 : 1
Tso-drano – Hira 547 : 4
Vavaka mangina
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amen
HAFATRA
(Ho vakina ny Alahady 22 Septambra 2019)
Ry havana,
Ho an’izay rehetra malalan’Andriamanitra sady voantso no masina , ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo.
Amin’ny fo feno fitiavana no hanolorana ny fiarahabana ho antsika rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo ato amin’ny Sahan’ny FJKM amin’izao Alahady natokana ho an’ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam-pinoana (FFP) izao.
Feno fisaorana an’Andriamanitra izahay noho ny aminareo izay miombona amin’ny FFP ho fanorenana ny finoana masina ao amin’ny Kristiana tsirairay ary ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fampiasana ny vokatra vokarin’ny FFP toy ny Perikopa, Teny soa, Katekisma sy ireo boky samihafa mitarika ho amin’ny fahalalana ny finoana tazonintsika FJKM.
Miezaka mandrakariva ny FFP hifanatona amin’ny Synodamparitany koa amin’ity taona ity ny Alahadin’ny FFP dia hatao any amin’ny synodamparitany Antananarivo Atsinanana (SPAA12) ao amin’ny FJKM Loharanonaina Sambaina ny Fanompoam-pivavahana maraina izay hitondrana ny fampianarana momba ny “Fanomanana ny tanora amin’ny fanambadiana”.
Raha sitrapon’Andriamanitra dia hotanterahana ny 18,19,20 septambra 2019 izao ny fikaonan-doha (Colloque) momba ny fampandrosoana izay hambara haorina ny toerana hanaovana azy ary hangatahana ny fitondrana am-bavaka avy amintsika. Aza hadino ny Rakitra ho an’ny FFP fa antoka hahafahana mandavorary ny asa izany.
Hoy Paoly Apostoly “Fantatro izay inoako”. Koa ny fitiavantsika hitombo hatrany amin’ny finoana, dia ny fandraisantsika an’I Jesoa velona no hampitoetra ny fiainana ao amin’ny Fiangonana, ary tsy hatonga azy hatambolombolen’ny fampianarana hafa.
Mampahery antsika hazoto amin’ny fandalinam-pinoana izay hitarihan’ny FFP antsika ary sahia mijoro amin’ny finoana marina ka tsy ho menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.
Manao veloma antsika amin’ny Anaran’ny Tompo, ary « Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fihavian’I Jesoa Kristy Tompontsika« . (1Tes.5.23).Amen!
Ny Biraon’ny Sampanasa FFP
Ny Filoha,
RAMAMONJISOA Philibert, Mpitandrina
Ny Tale,
RABEMANANTSOA Solofo, Mpitandrina
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.12-24
Ambaran’ny Soratra masina aminao anio indray ny fahamarinan’ny kristiana ao amin’i Kristy .
1-Rehefa ENY dia ENY / TSIA dia TSIA
Tandremo! Tsy mba miroa teny na mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy . Olona azo itokisana amin’ny teny aloaky ny vavany ny mino. Tsy miombona amin’ny vavolombelona mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy. « Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va , mba hanaovako eny eny foana , sy tsia tsia foana ?« (1.17). I Jesoa Kristy, Ilay ao anatinao dia ENY sy AMENA mandakizay . « Fa na firy na firy ny teny fikasan’ Andriamanitra , dia ao aminy ny eny ,ary amin‘ny alalany koa ny Amena ho voninahitr’ Andriamanitra amin’ny ataonay » (1.20).
2-Marina isika satria vita tombokasen’ Andriamanitra
Ny tombokase dia fahamarinam-pototry ny fiziana tsy azo ovaina na soloina na esorina. « Izay nanisy tombokase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika » (1.22). Vitan’ Andriamanitra tombokase tamin’ny Ran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny fahamarinanao . Marina ianao ka sahia! (Efes 4.30).
3-Andriamanitra no vavolombelon’ny fahamarinanao
« Ary Izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko… »(and 23). Aza matahotra fa na aiza na aiza misy anao dia vavolombelon’ny fahamarinanao Andriamanitra « (Lio 12.11/Asa 14.3/ Mat 28.20 / Apo 3.14) .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 1.1-11
Mijoro ho vavolombelona tamin’izay efa nitantanan’ Andriamanitra azy i Paoly Apostoly . Ny anton’ny fijoroana ho vavolombelona dia satria:
1-Nampiononina ka mahay mampionona izy
Mahatsiaro ny fitondrana mahagaga nataon’ Andriamanitra taminy i Paoly . Fa na dia mafy sy teo am-bavahaonan’ny fahafatesana aza izy dia velona sy nampiononin’ Andriamanitra . Izany indrindra no mahatonga azy afaka mampionona sy mampahery ireo kristiana tao Korinto mba hampitombo hatrany ny finoana tsy ho lavon’ny fampianaran-diso . Avy amin’i Kristy izany : « Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy » (1.5). Maniraka anao koa ny Tompo anio mba handeha hampionona sy hampahery ny hafa.
2-Noho ny vavaka asandrattry ny mpino
« Satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro » (1.11). Ny anton’ny fahombiazan’i Paoly sy fampaherezana ho azy ny vavaka ataon’ny mpino ho azy . Ianao koa , mivavaha ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra haherezany amin’ny asa fanompoany ka handresy izy ary ho afaka hampionona ny kristiana. Anjaran’ny kristiana ny mivavaka mafy ho an’ny Mpitandrina mba hahavitany ny asany (Heb 13.7/ 1 Tes 5.25/Kol 3.4/2 Tes 3.1) . Ianao koa manomboka anio dia ho mpitondra am-bavaka ny Mpitandrina amin’ny asany sy ny mpitory ny Filazantsara .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
Fandalinana 1 KORINTIANA
1Korintiana 16.1-24
Omen’ny Soratra masina toromarika ho amin’ny toetra marina maha-kristiana miandry an’i Kristy isika eto:
1-Manao asa soa sy fiantrana ho fanampiana ny hafa.
Fanohanana ara-bola indrindra ho an’ny olona masina izay voatokana ho amin’ny asan’ Andriamanitra no ambaran’i Paoly eto. Ho any Jerosalema no handefasana ny fanampiana . Asain’ Andriamanitra ianao hanampy ireo fiangonana any lavitra izay sahirana mila ny fanampianao , fa aza variana ao anatiny ihany fa jereo ny hafa, tohano izy , entano ny namanao hiara-hiasa hanohana ny hafa (Jak 2.17-26).
2-Aza kivy na mitsahatra amn’ny asan’ Andriamanitra na dia maro aza ny manohitra anao
« Fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa nefa maro ny mpanohitra » (1 Kor 16.9). Ny asa tsara maro fahavalo nefa aza kivy ( Asa 26.16/ Mat 10.22 /Jao 7.7 /Jao 15.18) « mba hanao soa , mba hanan-karena amin’ny asa tsara , hazoto manome sy miantra » (1 Tim 6.18).
3-Aza mampahory ny mpanompon’ny Tompo
Nananatra ny kristiana i Paoly mba tsy hampahory an’i Timoty . Tandremo izany , aza miombona amin’ny mpanao ratsy ary sakano izany ( and 10-11,15.16).
4-Miambena , tomoera tsara , aoka hatanjaka amin’ny finoana ka mahereza (and13)
Zava-dehibe ho enti-miasa ny FITIAVANA (and14). Mahaiza mankasitraka (and18b) . Tandremo ! voaozona izay tsy tia ny Tompo (and22). Ho avy tokoa i Jesoa !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8
| |
22. Ala. I man. Trinite - S. Vokovoko Manga
Oha. 23. 19-25 | Lio. 12. 35-40 | 1 Kor. 10. 31-11.1
| |
29. Ala. II man. Trinite
1 Sam. 2. 1-10 | Jao. 10. 11-21 | Apo. 5. 1-10
| |
06. Ala. III man. Trinite
Isa. 45. 1-7 | Lio. 9. 1-6 | 1 Pet. 2. 18-25
| |
13. Ala. IV man. Trinite - S. Tanora Kristiana
1 Sam. 3. 1-9 | Mat. 15. 32-39 | 1 Kor. 1. 18-25