Talata 03 Septambra 2019.

Fandalinana 1 KORINTIANA

1Korintiana 16.1-24

Omen’ny Soratra masina toromarika ho amin’ny toetra marina maha-kristiana miandry an’i Kristy isika eto:

1-Manao asa soa sy fiantrana ho fanampiana ny hafa.

Fanohanana ara-bola indrindra ho an’ny olona masina izay voatokana ho amin’ny asan’ Andriamanitra no ambaran’i Paoly eto. Ho any Jerosalema no handefasana ny fanampiana . Asain’ Andriamanitra ianao hanampy ireo fiangonana any lavitra izay sahirana mila ny fanampianao , fa aza variana ao anatiny ihany fa jereo ny hafa, tohano izy , entano ny namanao hiara-hiasa hanohana ny hafa (Jak 2.17-26).

2-Aza kivy na mitsahatra amn’ny asan’ Andriamanitra na dia maro aza ny manohitra anao

« Fa varavarana lehibe no voavoha ho ahy hahazoako miasa nefa maro ny mpanohitra » (1 Kor 16.9). Ny asa tsara maro fahavalo nefa aza kivy ( Asa 26.16/ Mat 10.22 /Jao 7.7 /Jao 15.18) « mba hanao soa , mba hanan-karena amin’ny asa tsara , hazoto manome sy miantra » (1 Tim 6.18).

3-Aza mampahory ny mpanompon’ny Tompo

Nananatra ny kristiana i Paoly mba tsy hampahory an’i Timoty . Tandremo izany , aza miombona amin’ny mpanao ratsy ary sakano izany ( and 10-11,15.16).

4-Miambena , tomoera tsara , aoka hatanjaka amin’ny finoana ka mahereza (and13)

Zava-dehibe ho enti-miasa ny FITIAVANA (and14). Mahaiza mankasitraka (and18b) . Tandremo ! voaozona izay tsy tia ny Tompo (and22). Ho avy tokoa i Jesoa !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV