Alarobia 04 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 1.1-11

Mijoro ho vavolombelona tamin’izay efa nitantanan’ Andriamanitra azy i Paoly Apostoly . Ny anton’ny fijoroana ho vavolombelona dia satria:

1-Nampiononina ka mahay mampionona izy

Mahatsiaro ny fitondrana mahagaga nataon’ Andriamanitra taminy i Paoly . Fa na dia mafy sy teo am-bavahaonan’ny fahafatesana aza izy dia velona sy nampiononin’ Andriamanitra . Izany indrindra no mahatonga azy afaka mampionona sy mampahery ireo kristiana tao Korinto mba hampitombo hatrany ny finoana tsy ho lavon’ny fampianaran-diso . Avy amin’i Kristy izany : « Fa araka ny haben’ny fijalian’i Kristy mihatra aminay no haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy » (1.5). Maniraka anao koa ny Tompo anio mba handeha hampionona sy hampahery ny hafa.

2-Noho ny vavaka asandrattry ny mpino

« Satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin’ny fivavahanareo mba hisaoran’ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin’ny nataon’ny maro » (1.11). Ny anton’ny fahombiazan’i Paoly sy fampaherezana ho azy ny vavaka ataon’ny mpino ho azy . Ianao koa , mivavaha ho an’ny mpanompon’ Andriamanitra haherezany amin’ny asa fanompoany ka handresy izy ary ho afaka hampionona ny kristiana. Anjaran’ny kristiana ny mivavaka mafy ho an’ny Mpitandrina mba hahavitany ny asany (Heb 13.7/ 1 Tes 5.25/Kol 3.4/2 Tes 3.1) . Ianao koa manomboka anio dia ho mpitondra am-bavaka ny Mpitandrina amin’ny asany sy ny mpitory ny Filazantsara .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV