Tantaran’ny FJKM ANGANOMASINA (SP 11)

Feno 150 taona niorenana ny FJKM Anganomasina tamin’ny taona 2017 (1867-2017).

Ity tantara ity dia nalaina tao anatin’ny “Tantaran’ny Fiangonana nandritry ny 130 taona sy 135 taona niorenana”

Faritra misy azy :

Tamin’ny andron’ny Mpanjaka dia tao anatin’ny faritr’i Vakinisisaony izy, ary Alasora no renivohitry ny faritra. Ankehitriny, ny Fokotanin’Anganomasina-Soanavela dia ao anatin’ny Firaisana Ambohijanaka -Fivondronana Antananarivo Atsimondrano .

Inona ary no nahatonga ny anarana hoe “Anganomasina”?

Tamin’ny fanjakan’Andriamanelo teto amin’ny faritra Alasora, dia nandefa an’Andriampenonjato hitondra an’Ambatobe izy, izay anarany toerana nisy ny Fiangonana teo aloha. Lehilahy tsara toetra sady tsara fanahy tamin’ny vahoaka izy, tena mamy hoditra ary tian’ny vahoaka ka nasandratra ho Mpanjaka. Narary mafy anefa izy taty aoriana ary dia niamboho. Nalahelo azy mafy ny vahoaka ary hoy ny fitomaniny: “Loza zato, loza arivo no hahazo antsika fa lasa ny Ray aman-dreny. Angano no hahazo antsika fa lasa ny masina”. Dia io tomany io na nahatonga ny anaran’ny tanàna, izay Ambatobe no lasa “ Anganomasina ”hatramin’ny nahafatesan’Andriampenonjaka ka mandraka ankehitriny.

 Ny fivoaran’ny Trano Fiangonana sy ireo foto-drafitrasa miaraka aminy

o Ny trano Fiangonana ivavahan’ny rahavavy Katolika no naorin’ny kristiana tany am-boalohany tamin’ny andron’ ny mpitondra fiangonana Rainimanga (1867-1874)

o Ny mpitondra Rainitsaraibe (1896-1909) no heverina ho nananganana ity tranoivavahana ankehitriny ity ary nametraka ny lakolosy izay fanomezana avy amin’I Ratsiafohy.

 1936: Fanaovana “tamboho tany” manodidina ny Fiangonana

 1948: Fanadiovana ny ati-trano Fiangonana sy fanamboarana ny tafo tanimanga nitete

Desambra 1952: Famitana ny trano Vadim-piangonana

 30 Aprily 1961: Fanakatonana ny Fiangonana noho ny olana ara-pifampitondrana nisy teo amin’ny isan’efa-bolana sy ny Fiangonana Anganomasina

May 1961: Fitokanana ny Sekoly FJKM Anganomasina

07 May 1961: Fisarahan’ny Fiangonana, niorina ny Fiangonana Tsimiankina FMTA

 21 May 1961: Fanokafana indray ny trano Fiangonana

 22 Oktobra 1961: Fanoloana fanitso ny tafon’ny Fiangonana

Oktobra 1964: Fanitarana miatsinana ny trano Fiangonana

Novambra 1964: Famitana gorodona ny trano Vadim-piangonana

1968: Fanoloana biriky ny “ tamboho tany”

1985: Fanaovana “plafond” sy “sous bassement” ny trano Fiangonana

1990: Fandravana sy fanavaozana ny trano Vadim-piangonana (vita hatreo amin’ny fototra)

Novambra 1993: Fanaovana “ciment” ny ilany atsinana sy fanamboarana ny gorodona sisa efa antitra

Desambra 1993: Fanohizana ny fanavaozana ny trano Vadim-piangonana

10 Martsa 1996: Fitokanana ny trano Vadim-piangonana

1997: Fanatsarana ny endrika ivelan’ny Fiangonana ( fanamboarana ny tamboho rava)

2000- 2001: Fanamboarana trano fidiovana sy vovon-drano

Jolay 2002: Fividianana tany hanorenana sy hanitarana ny trano Sekoly

21 Septambra 2002: Fandravana ny trano Sekoly teo aloha

24 Septambra 2002: Fiadiana ny fototra ny trano Sekoly vaovao

2003: Fahavitan’ny trano Sekoly vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny “ Association Suisse pour la réhabilitation des Ecoles FJKM à Madagascar , izay nanome ny 95% – vola lany

______: Fahavitan’ny rihana ilany atsinanana

 ______: Fahavitan’ny rihana ilany andrefana

 ______: Fahavitan’ny rihana afovoany

2007: Fanitarana ny Alitara sy ny ilany andrefana

04 Novambra 2017: Ivon’ny fankalazana ny faha 150 taona

2017: Fampiakarana ny rihana atsinanana sy andrefana

2018: Fanatsarana ny rihana antsinanana sy andrefana

Komity 150Taona FJKM Anganomasina

Alatsinainy 30 Septambra 2019.

Salamo 48

« Fikaloana an’i Ziona » sy Jerosalema no ventesin’ny Sal 48, ilay havoana niorenan’ny tanàna.

Midera ny Tompo ao an-tanàna

Ny fitoeran’ Andriamanitra ao no mahatonga ny tendrombohitra Ziona ho tendrombohitra masina (48.1) . Hita eto fa miavaka amin’ireo tanàna hafa manerana izao tontolo izao i Jerosalema satria « avo mahafinaritra, fifalian’ny tany rehetra » (48.2) ny tendrombohitra Ziona . Ao an-dapany marina tokoa Andriamanitra , ka sady fiarovana no fialofana ho an’ny tanàna.

Arovan’ Andriamanitra i Jerosalema

Nanambatra ny heriny ireo mpanjaka maro mba hamely ny tanànan’ilay mpanjaka mahery .Tsy nipoaka anefa ny ady . Azon-tahotra ireo mpanafika raha nahita ireo manda fiarovana manodidina (and5,6) . Feno fiderana ny fiangonana raha nandre sy nahita ny asan’ Andriamanitra . Nanakoako hatramin’ny faran’ny tany ny fiderana an’ Andriamanitra.( and10) . Midera ny Tompo ho mpiandry mahatoky amin’ny fitarihany ny vahoakany ny mpanao salamo eto , na dia hatramin’ny fahafatesana aza.

Alahady 29 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 47

Fiantsoana hidera (and1)

Hira fiderana manandratra ny Tompo Mpanjaka no hitantsika eto , tsy eo amin’ Israely ihany fa amin’ireo firenen-tsamihafa maneran-tany . Mahafaoka ny olombelona rehetra ny teny hoe: « vahoaka »eto . Taomina mba hiteha-tànana izy ireo ho fanehoam-pifaliana .

Noresen’ Andriamanitra ireo firenena(and 2-6)

Ambara fa Izy no « Avo indrindra sy Mpanjaka lehibe ambonin’ny tany » (and2) . Entina hanehoana izany fa tsy misy azo ampitahaina Aminy . Izy no filoha mpitarika ka mampanaiky ho eo ambanin’ny tongony ireo firenen-tsamihafa (and 2,3) . Sary hanehoana ny fandresena izany .

Andriamanitra no Mpanjakan’ny tany rehetra (and7-9)

Asaina mankalaza an’ Andriamanitra ny vahoaka sy ireo firenen-tsamihafa satria Mpanjakan’ny tany rehetra Izy (and7) . Manerana izao rehetra izao ny fanjakany . Eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra no anjakan’ny Tompo amin’ny firenen-drehetra (and8).Tena zava-dehibe ny fiderana ny Tompo amin’ny maha-Mpanjaka Azy eo amin’ny fiainantsika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7

Sabotsy 28 Septambra 2019.

Fandalinana ny  Boky SALAMO

Salamo 46

Fatokiana lalina an’ Andriamanitra (and1-7)

Betsaka ny zavatra mifamahofaho  eo amin’ny fiainana ka mahatonga ny  olona ho kivy sy ho ketraka ka hihevitra an’ Andriamanitra ho tsy mahavonjy. Ny olona tena mino anefa dia manana fatokiana lalina fa na inona na inona zava-mitranga sy hamafin’izany dia ao hatrany Andriamanitra ary hamonjy Izy amin’ny fotoany (and 5b).

Fampaherezana ny hafa (and 8)

Rhefa jembin’ny hakiviana ny olona dia mila ampahiratina ny masony mba hahita sy hahatsapa ny asan’ Andriamanitra . Olona manam-pinoana lalina sy efa nokasihan’ Andriamanitra no afaka hitanisa ny asam-pamonjena? maneho ny hery sy ny fitiavan’ Andriamanitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7

Zoma 27 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 45

-Ny fahamarinana sy ny fahalemem-panahy dia andraisana valiny lehibe avy amin’ Andriamanitra ary mahatonga fisandratana eo amin’ny fanjakan’ Andriamanitra . Andriamanitra mihitsy no manosotra diloilo fifaliana ny olo-marina sady manavaka azy amin’ny namany rehetra ampahibemaso mba ho mariky ny fankasitrahany sy fanandratany azy.

-Ny mpanjaka dia manana safidy haka vady izay tiany ao amin’ny fanjakany . Ny hatsarana mampiavaka ny zazavavy no anton’ny safidy ary izay voafidy ho vadin’ny mpanjaka dia vao mainka hitombo amin’ny fahatsarana noho ny fahazoany izay rehetra ilaina . Eto dia tenim-pahasoavana ny teny marina sy fahalemem-panahy . Izany no nampiavaka ity zazavavy ity .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7

Alakamisy 26 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 44.9-26

Ny fahanginan’ Andriamanitra

Na dia firenena voafidy aza ny Zanak’Israely dia nanjaka sy nanaranam-po tamin’ny fampahoriana azy ny fahavalony . Zary anaram-panesoana ny maha- firenena voafidin’ Andriamanitra azy ireo satria afaka nanao izay tiany rehetra ny fahavalo fa ny Zanak’ Israely dia remby teo anatrehany

Ny fitalahoana ny famonjen’ Andriamanitra

Na toy inona anefa ny zava-nihatra tamin’ny Zanak’ Israely dia nifikitra tamin’ Andriamanitra hatrany izy ireo ary nitalaho sy nanantena ny famonjeny . Niaritra izy ireo satria nino fa tsy hanary azy Andriamanitra araka ny fanekena izay efa nataony taminn’y razany sy aminn’y maha- Andriamanitra Rainy Azy . Ny fifamatorany tamin’ Andriamanitra hatramin’izay dia antoky ny fanantenany fa tsy hanary Azy Izy.

Alarobia 25 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 44.1-8

Ny asan’ Andriamanitra dia fantatry ny taranaka mifandimby , na dia tsy hitany sy tsy niainany aza. Ny tantaran’ny Zanak’ Israely dia fantatry ny firenen-drehetra ary vao mainka manamafy ny finoana sy fanantenam-pamonjen’ny mino ao anatin’ny sarotra izany (and4-5) .Ao anatin’ny tantaran’nyZanak’Israely mantsy no ahitana ny asa sy ny herin’ Andriamanitra , ny fahamarinany sy ny fitiavany , ny maha- Andriamanitra velona sady masina Azy.

Ny olona efa nandre na efa nahita ny asan’ Andriamanitra teo amin’ny mpanompony na efa niaina izany mivantana dia manana hery hiatrehana ny fiainana , tsy mihontsina eo anoloan’ny mafy ary sahy manao fanekem-pinoana miezinezina amin-kery sy fatokiana lehibe (and4-8).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-7

Talata 24 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 43

Hetaheta lalina ho any   amin’ny Tempoly

Eto dia mbola mitohy ny alahelon’ny Zanak’ Israely  ny amin’ny ataon’ny fahavalony , ny  tsy fahafahany  mankany  amin’ny Tempoly . Izany  hoe : raha mbola voageja  ny olona dia tsy afaka hidera an’ Andriamanitra  mihitsy izy . Fahoriana sy fitolokoana no vokatr’izany. Raha mbola teo amin’ny fahafahana ny Zanak’ Israely dia nandika ny lalàn’i Jehovah . Rehefa lasan-ko babo  izy ireo vao nahatsapa fa hafa ny fiainana miaraka amin’ Andriamanitra ka dia naniry  sy nanantena fatratra ny mbola hanana izany fiainana izany indray rehefa tafaverina avy any am-pahababoana (and4).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra »Boky  faha-7

Alatsinainy 23 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky SALAMO

Salamo 42

Ny Zanak’ Israely dia nanao ho zava-dehibe ny fankanesana tany amin’ny TEMPOLY tao Ziona , mba hidera sy hisaotra an’ Andriamanitra ary hanatitra fanatitra ho Azy . Na inona na inona tranga teo amin’ny fiainan’ny Zanak’ Israely dia mankany an-tempoly hatrany izy ireo mba hihaona amin’ Andriamanitra . Tamin’izany dia, na mandeha irery tahaka an’i Hana izy , na manao rodobe ( and 4).

Eto dia zava-nangidy tamin’ny Zanak’Israely ny tsy fahafahany nankany an-tempoly sy ny fandatsan’ny fahavalony ka nampitanondrika azy ireo . Rehefa tsy mankany an-tempoly mantsy ny olona dia banga ny fiainany : Mihaosa izy ary mahazo vahana ny fahavalo . Fa ny tena olon ‘Andriamanitra marina dia manana fanantenana fa mbola afahan’ny Tompo amin’ny fahavalo ka ho afaka hidera ny Azy an-kahalalahana( and 11b).

« Raiso nyTenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alahady 22 Septambra 2019.

Fandalinana ny 2 KORINTIANA

2 Korintiana 13.1-13

Eto dia manao hafatrafatra sy manao veloma i Paoly , toy ny fanaon’ny Raiamandreny amin’ny zanaka . Lesona ho antsika mpanompon’ Andriamanitra ny hoe :

1-Mamangy ny kristiana any an-toerana misy azy (and1)

Ataovy ho zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny finoan’ny kristiana ny famangiana azy , tsy ho tonga fahasahiranana na hampavesatra azy fa hitondra ny Tenin’ Andriamanitra ho fampaherezana (Deo 19.15).

2-Torio marina ny Tenin’ Andriamanitra (and4)

Ny teny fototry ny finoana kristiana no nabaribarian’i Paoly eto : Voahombo teo amin’ny hazo fijaliana Kristy . Velona noho ny herin’ Andriamanitra Izy , ary ao Aminy (mino Azy) dia hiara-belona Aminy . Aza amboamboarina araka izay itiavana azy ny Tenin’ Andriamanitra fa mbola hampamoahana amin’izany isika (Heb 13.17/Rom 9.1).

3-Mananatra sy mitarika ny kristiana handini-tena (and5-6)

Tariho mandrakariva ny kristiana handini-tena , hitodika amin’i Kristy . Antoky ny famonjena azy izany (Rom 12.3/Gal 6.1)

4-Mivavaha ho an’ny kristiana mba handroso izy (and7-9)

Asa fototra ataon’ny mpanompon’ Andriamanitra ny mivavaka ho an’ny kristiana . Jereo i Jesoa (Jao 17).

5-Mampahery sy mitondra teny mamy ary tsodrano ho azy (and 11-13)

Milaza ny fiainana ao amin’i Jesoa (1 Tim 1.1) . Manambara fiadanana (Asa 10.36/ Lio 10.5-6).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8