Alakamisy 05 Septambra 2019.

Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA

2 Korintiana 1.12-24

Ambaran’ny Soratra masina aminao anio indray ny fahamarinan’ny kristiana ao amin’i Kristy .

1-Rehefa ENY dia ENY / TSIA dia TSIA

Tandremo! Tsy mba miroa teny na mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy . Olona azo itokisana amin’ny teny aloaky ny vavany ny mino. Tsy miombona amin’ny vavolombelona mandainga ny kristiana ao amin’i Kristy. « Ary izay zavatra kasaiko, moa kasaiko araka ny nofo va , mba hanaovako eny eny foana , sy tsia tsia foana ?« (1.17). I Jesoa Kristy, Ilay ao anatinao dia ENY sy AMENA mandakizay . « Fa na firy na firy ny teny fikasan’ Andriamanitra , dia ao aminy ny eny ,ary aminny alalany koa ny Amena ho voninahitr’ Andriamanitra amin’ny ataonay » (1.20).

2-Marina isika satria vita tombokasen’ Andriamanitra

Ny tombokase dia fahamarinam-pototry ny fiziana tsy azo ovaina na soloina na esorina. « Izay nanisy tombokase antsika koa ka nanome ny Fanahy ho santatra ato am-pontsika  » (1.22). Vitan’ Andriamanitra tombokase tamin’ny Ran’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana ny fahamarinanao . Marina ianao ka sahia! (Efes 4.30).

3-Andriamanitra no vavolombelon’ny fahamarinanao

« Ary Izaho miantso an’ Andriamanitra ho vavolombelona ny amin’ny fanahiko… »(and 23). Aza matahotra fa na aiza na aiza misy anao dia vavolombelon’ny fahamarinanao Andriamanitra « (Lio 12.11/Asa 14.3/ Mat 28.20 / Apo 3.14) .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV