Alarobia 15 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’ ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 2.1-21

Ny Pentekosta kristiana sy ny heviny

Vanimpotoana vaovao eo amin’ny fizotran’ny tantaran’ny famonjena no misokatra eto amin’ny Pentekosta kristiana. Fanombohan’ny andro
farany voalaza ao amin’ny bokin’i Joela mpaminany mantsy ity filatsahan’ny Fanahy masina amin’ny mpanara-dia an’i Kristy ity (and17).

Ny Fanahin’ Andriamanitra mihitsy no ampiraisiny amin’ny mpino . Famonjena ho an’izay mino Azy izany , saingy ho fitsarana maha-torakovitra ho an’izao tontolo izao (and20).

Famonjena ho an’ny firenena rehetra

Nahariharin’ Andriamanitra eto fa ho an’ny firenena rehetra ny famonena satria:

1-Izay fiaviam-pirenena nanatrika teo dia nandre ny filazana ny famonjena ho azy araka ny fiteniny avy (and5-11).

2-Ny and 21 dia milaza fa » ary na zovy na zovy no hiantso ny Anaran’i Jehovah dia hovonjena ». Midika izany fa ho an’ny olon-drehetra ihany koa fa sy natao ho an’ny Jiosy irery ihany fa ho an’ny olon-drehetra ihnay koa.

Asan’ny Fanahy masina ny fanapariahana ny Filazantsaran’ny Famonjena . Ny Fiangonana no nifidiany hanatanteraka izany . Isaoranantsika ny Tompo izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Talata 14 Mey 2019.

Fandalinana ny Boky ASAN’ ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 1.15-26

Asan’ny Fanahy Masina ny fanendrena ny olona iray ho amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra .

Mampahafantatra antsika amin’ny fomba miavaka ny bokin’ny Asan’ny Apostoly raha ny fiasan’ny Fanahy Masina manokana no jerena . Izy no nanendry izay ho solon’i Jodasy (and26). Tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-bavaky ny mpianatra anefa izany fikatsahana ny sitrapon’ Andriamanitra izany (and24).

Manaitra ny saina ny mahafantatra fa ny Fanahy masina no efa nanindry mandry an’i Davida (Sal 109.8) ny amin’i Jodasy . Mariho tsara fa 1010 taona mialoha izany faminaniana izany . Tena Andriamanitra tokoa ny Fanahy masina .

Aza omena ho an’ny hafa ny zara fanompoanao

An’ny Tompo ny Fiangonana. Izy no niantso sy nanendry ny olona araka ny nahim-pony malalaka . Matoa misy seham-panompoana nametrahany olona dia misy filàna sy asa miandry eo izany . Raha sendra tojo fahabangana izany noho ny antony maro samihafa dia aza manahy fa tadiavo amin’ny alalan’ny fiombonam- bavaka izay ho fitarihana vaovao omen’ny Fanahy Masina. Tsy misy olona tsy hainy soloina . Azy ny asa …noho izany miantoka ny hampandehanana izany Izy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra  » Boky faha-8

Alatsinainy 13 Mey 2019.

Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 1. 1-14

Ny Bokin’ny Asan’ny Apostoly no mitantara ny fiainan’ny Fiangonana tany am-piandohana .

Ny fiakaran’i Jesoa Kristy

Taorian’ny efapolo andro nitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia tonga ny fotoana nampiakarana Azy tany an-danitra (and9). Nohamafisin’ny Tompo taminn’y mpianatra ny fahamarinana ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra (and3). Heverina araka izany fa mifantoka amin’izany indrindra ny vontoatin’ny fitoriana nasain’i Kristy hotanterahin’ny mpianany .

Ny ministeran’ny Fanahy Masina

Nisongadina manomboka eto ny fidiran’ny Fanahy masina an-tsehatra teo amin’ny fiainan’ny mpianatra (and2). Izy no hiantoka ny fitarihana ny mpianatra ary ho loharanonkery hahefany ny iraka nomen’ny Tompo azy (and8) . Ny fiainam-bavaka sy ny faharetana amin’ny fivavahana eo amin’ny mpanara-dia ny Tompo ao anatin’ny firaisan-tsaina no antoka hivelaran’ny asa nomen’i Kristy ny mpianatra (and 14). Maharitra amin’ny vavaka sy miray saina ve ny mpino amin’izao vanim-potoana sarotra izao?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alahady 12 Mey 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 14.1-16

Endri-panoloran-tena vitsivitsy no asehon’ny Soratra masina eto handinihantsika tena koa:

-Simona boka : Mpanota izy raha ny fijerin’ny mpiara-monina , nefa nampiantrano sy nampisakafo , toy ny niaro an’i Jesoa izy ao anatin’izao fotoana nitadiavan’ny lohan’ny mpisorona nisambotra Azy izao « …hamonoany Azy« 

Ny vehivavy anankiray : Nahafoy « tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda sarobidy, …denaria telonjato » mitentina 900 000 ariary eo ho eo , nanosorana ny Tompo .

Ny mpianany : Nila raharaha , asa , iraka hatao amin’i Jesoa : « Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?« 

Jodasy Iskariota : Nivarotra na namadika an’i Jesoa tamin’ny lohan’ny mpisorona .

Ny tompontrano : (idiran’ilay lehilahy mitondra siny feno rano) : « hanoro anareo efitrano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara » . Nanome sy nahafoy trano efa voaomana ho amin’ny fanasana , hisakafoanan’i Jesoa sy ny mpianany izy.

Izao àry ny fanontaniana anio : iza amin’ireo no ho modelinao ka handraisanao ny fahaterahan’ny Mpamonjy rahampitso?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Sabotsy 11 Mey 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 13.14-37

« Mitandrema, miambena (= miareta tory ) ka mivavaha , fa tsy fantatrareo izay ihavian’ny fotoana »(and33) .

Baikon’i Jesoa Kristy izany eo am-piandrasana ny fiaviany indray:

-« Mitandrema » (miverina indroa) (and 23,33) : aoka ho malina sy mahina ianareo amin’ ny Kristy sandoka sy mpaminany sandoka » izay mitondra fampianaran-diso , mitaona ny olona na dia ny olom-boafidiny aza ho: « Indro , ety Kristy na indro ery , misarika ny olona ho amin’ny tsy finoana sy ny rehak’izao fiainana izao ka mety hiverin-dàlana na hanaotao foana.

-Miambena (miverina indroa) (and33,35) : aza variana anaty aizina , aza sondriana amin’ny olana samihafa ( fahoriana , aretina , fahasahiranana , tsy fahafaham-panadinana, ady , loza, fahadisoam-panantenana…) , miareta tory, mifohaza, miandrandrà ny lanitra ka amin’izay ny Zanak’olona dia ho hita avy eo amin’ny rahona amin’ny hery lehibe sy ny voninahitra (and 26).

Mitaona antsika i Jesoa Kristy eto hitandrina sy hiambina ka hivavaka , izany hoe : hifandray tsy tapaka amin’ny Tompo , hifamatotra sy hiantehitra ary hihavana amin’ Andriamanitra . Mety ho resin’i satana fahavalo (resin-tory) tokoa mantsy isika eo am-piandrasana izany , fandrao avy tampoka izy raha tsy miray amin’i Jesoa Kristy.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Zoma 10 Mey 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 13.1-13

Maro ireo endri-javatra mety hitarika tahotra , fanahiana voatanisa eto : « Tsy avela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana, ady sy filazana ady, hisy mpamitaka, firenena hitsangana hamely firenena…horohorontany any amin’ny tany samihafa , hisy mosary, ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin’ny fahafatesana …, hatolotra amin’ny synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ». Mitaona antsika i Jesoa : »Aza matahotra » (and7) , aza manahy (and11) eo anatrehan’izay mety hitranga sy hiseho amin’ny ho avy , efa tsara fampiomanana isika no sady manana Azy miaro , miahy , momba antsika . Misarika ny saintsika sahady miaro, momba antsika . Misarika ny saintsika sahady izany rehetra izany hatoky Azy. « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy , dia aza manahy rahateo izay holazainareo, fa tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahy masina » (and11).

Mitarika antsika ny Tompo hatoky ary indrindra hino Azy mandrakariva . Tsy misy famonjena , fanavotana afa-tsy ao Aminy irery ihany na inona mitranga na inona miseho. « Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako, fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena » (and13). Mahareta!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Alakamisy 09 Mey 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MARKA

Marka 12.35-44

Mpitsara marina tokoa i Jesoa Kristy fa tsy mitsara na mijery ny olona araka ny endrika , na fomba ivelany Izy . Mampitandrina àry Izy eto

: »Mitandrema ny amin’ny mpanora-dalàna izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava sy te-hoharabain’ny olona eny an-tsena , mandany ny tranon’ny mpitondrantena ka manao vavaka lavareny mba ho fiolahana , ireo no hahazo fahamelohana , ireo no hahazo ny fahamelohana mafimafy kokoa » (and38-40). Tsy ny fitafianao , na ny fombafombanao ivelany no zava-dehibe amin’ny Tompo . Ny toetra amam-panahinao anaty mihitsy no ijeren’ny Tompo anao.

Maneho izany indray maka indray i Jesoa eto tamin’ny nilazany tamin’ny mpianany fa : » ireo rehetra ireo dia tamin’ny haben’ny fananana ny nandatsahany tao , fa izy (mpitondrantena malahelo) kosa tamin’ny alahelony no nandatsahany tao izay rehetra nananany dia ny fivelomany rehetra » (and44) .

Mitaona antsika àry i Jesoa anio , hanavao fanolorantena , tsy ny eny ivelany na ny fijerin’ny hafa no hahatonga antsika eo amin’ny asa fanompoana sy fanolorantena fa tena ilay toe-panahy araka an’ Andriamanitra , Imanoela : Amintsika Andriamanitra mihitsy no hanosika antsika am-pitiavana sy amim-panetretena hiatrika ny fanompoana Azy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 6

Herinandron’ny TABITA DK

15-17 May 2019

Vehivavy marina eo anatrehan’ny Tompo

miavaka sy mahavita asa tsara »

Ohab 04 :26

Alarobia15 May 2019 :    

9h: Fanompoampivavahana fanokafana ny Herinandron’ny TABITA 2019

Mitarika:RAZAFINDRAMANITRA Vololona, Filohan’ny TABITA

Mitoriteny: RANDRIAMANANA Valimbavaka, Filohan’ny Dorkasy Foibe

10h 30-12h 30: Fiofanana N°1 tanterahin-dRtoa IRAKO RATSIMANDRESY Esther Mpitandrina,Vadin’ny Filohan’ny FJKM

14h 30: Fiofanana N°2 tanterahin- dRtoa RAVELOARISON Miora Mpitandrina, Talen’ny Gazela

Alakamisy 16 May 2019

 8h: Fanompoam-pivavahana tarihin’ny Birao Dorkasy Foibe

8h 30 -10h: “Ny fahatokisantena”: RAKOTOVAO Noro Mpitandrina, Talen’ny TABITA

10h 30-12h: “Vehivavy marina eo anatrehan’ny Tompo” RABETOKOTANY Miarilaza  Mpitandrina, Prezidà Synodaly SPIA

13h 30-16h 30: Terrine de poisson et Terrine de volaille: RABETOKOTANY Vero Mpitandrina ,Birao TABITA

Fikarakarana voninkazo : Mme RAHARIVONY Estelle

Zoma 17 May 2019

8h: Fanompoam-pivavahana tarihin’ny Birao Dorkasy Foibe

8h 30 -10h: “Fampahafantarana ny KITROTRO”: Dr RANDRIAMANALINA Samuel

10h : Fanompoam-pivavahana famaranana ny herinandron’ny TABITA

Mitarika: Rtoa RABELISON Sahondra Vololona, Filoha Mpanampy TABITA

Mitoriteny: HAINGOMAMPIANINA Volanasoa Mpitandrina, Birao TABITA

Mpampandray: Ny Filoha sy ny Talen’ny TABITA

 » Ataovy marina ny alehan’ny tongotrao dia ho voalamina ny alehanao rehetra » Ohabolana 04: 26

Alahadin’ny S. Lehilahy Kristiana 2019.

HAFATRA HO AN’NY LEHILAHY

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ry lehilahy mahery”( II Tim 1 : 8a ; Mpits 6 : 12b )

LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO

Ho amintsika mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo.

« Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.(III Jao1 : 2)

. Izany teny izany no isaorantsika ny Tompo, ary iarahabana antsika indray amin’izao andro natokan’ny Foibe FJKM izao hitrotroana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA.Iarahabana ihany koa ireo SLK rehetra, indrindra fa ireo efa nahavita ny fanavaozana indray eo amin’ny fitantanana ny SLK amin’ny taom-piasana 2019 – 2023. Izany hoe : ireo efa nahavita ny fifidianana teny anivon’ny Fitandremana, araka ny fandaminana natao teto anivon’ny FJKM hoe ny volana Janoary –Aprily no hanatanterahana ny fanavaozana rehetra eny anivon’ny Fitandremana. Maniry indrindra ihany koa ny ahatanterahan’izany fanavaozana izany sy mitrotro am-bavaka ny eny anivon’ny SYNODAMPARITANY izay hanomboka amin’ity volana Mey ity ka hatramin’ny volana Jolay.

Taom-piasana vaovao no hatrehintsika, koa mila fomba fiasa sy fitantanana mihatsara indray isika, izany hoe manohy ny asa vitan’ny teo aloha ka manatsara izany mba hihamaroan’ny lehilahy hanaraka atsika eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Hitondra tetik’asa vaovao ka hirindra araka ny fomba fiasan’Andriamanitra , ka ho lehilahy manana fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo lalandava isika. Araka izany dia ny volana Aogositra – Desambra no hanatanterahana ny fanavaozana ety amin’ny Foibe koa ny an’ny SLK dia ny 07 – 10 Oktobra 2019 no ho tanterahina ny Fihaonambe faha 11 ary ny 10 – 11 OKTOBRA 2019 no hiatrehana ny ZAIKABE  izay samy  hatao any MANAKARA  Synodamparitany ATSIMO ATSINANA  avokoa izy ireo. Maniry hatrany ny hiatrehantsika Lehilahy rehetra izany Fihaonambe izany mba .ahazoantsika mifaneraserana sy mifandray, ary mifanolo-tanana eo amin’ny sehatra misy atsika avy. Koa mampahery antsika rehetra hatrany ny amin’ny fitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe eo amin’ny asa izay notinapaka, dia ny famitana ny IVONTOERANA any Foulpointe, izay iandrasana ny anjara adidintsika araka ny fanampahankevitry ny KOMITY FOIBE, izay manangona izany isaky ny Synodamparitany.

Isaorantsika ny Tompo ihany koa ny amin’ny fiaraha-miasan’ny SLK Foibe sy ny SLK SP 37 momba nyfampitomboana ny machine fanaovana ny mofompandraisana, izay efa antitra tokoa, koa raha ny fandaminana dia tokony ho tonga eto an-toerana tsy ho ela intsony izany fitaovana vaovao izany. Isaorana isika ny amin’ny fandrotsahana mandrakariva ny rakitra atao amin’izao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra amin’ity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izany nanomboka ny volana Martsa 2018 ka hatramin’ny 04 Aprily 2019. Eo ihany koa ho antsika SLK SP, SLK Fitandremana, olona tsirairay nandrotsaka ny anjara IVONTOERANA na ny PAIKA 1 + 5 nanomboka  ny taona 2013 – 04 Aprily 2019 ihany koa. Raha misy fanamarihana dia angatahina hatrany isika hiantso na hanoratra aty amin’ny Foibe SLK hatrany.

Dia mahereza sy mahatanjaha fa ny Tompo momba antsika mandrakariva, mivavaha ka aza mitsahatra.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA: MITOMBO HO AMIN’NY FAHATSARANA, MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA ARY MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA

Antananarivo, faha 18 Martsa 2019

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SLK FJKM

……………………….

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY, FAHA 12 MEY 2019

« LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO »

 Fidirana : HIRA Mijoro ny lehilahy

 Fiarahabana Apostolika : «  Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. »

 Fiderana sy fiantsoana ny anaran’ny Tompo.

Fiangonana miara-midera an’Andriamanitra amin’ity ALAHADY 12 MEY 2019 ity izay Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA manerana ny sahan’ny FJKM. Ary hibanjinantsika ny lohahevitra hoe : « LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO » Aoka hiara-midera ny Tompo isika amin’ny :

o SALAMO faha 128

o Hira  : 8

o VAVAKA FIDERANA SY FIFONANA

Fifampiarahabana : Arahabao ny manodidina anao : “ Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava”

( mipetraka ny Fiangonana)

 Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

o Hira : 206 : 1,2

o 5 min Sekoly Alahady : Hira sy fampianarana

o Hira : 790 : 1

o Vavaka sy vakiteny :

 Genesisy 6 : 9 – 19

 Matio 10  : 40 – 42

 III Jaona 1 : 1 – 8

o Ray Masina ô !…..

 Hira 177  : 1 , 2

 TORITENY

 Hira : SLK

 Vavaka fangatahana + Rainay izay any an-danitra……

 Fanambaram-pinoana : Fanekem-pinoana Nikeana faha IV

 Asan’ny Fiangonana

 Raharaha +fanentanana samihafa + FAMAKIANA NY HAFATRA

 Rakitra : Hira SLK / Sampana

 Fanolorana ny rakitra : vavaka na Hira

 Asa Vavolombelona samihafa

 Fotoanan’ny SLK

 Famaranana

HF 26  : 1 – 2

Tsodrano

Vavaka mangina ( mipetraka ny Fiangonana)

Trinite Masina

SOLI – DEO – GLORIA

TORITENY

III Jaona : 1 – 8

Jaona Apostoly no manoratra amin’ny antsoina hoe : Gaio. Firariantsoa ho an’ny fahasalamana, ary faniriana hahomby amin’ny zavatra rehetra , sy hahomby koa ara-panahy. Tonom-bavaka sy firariana ho salama ara-batana sy ara- panahy ka :

1- MIHAZONA HATRANY NY FAHAMARINANA ( And 1 – 4 )

Fantatr’ i Jaona fa lehilahy mahatoky I Gaio eo amin’ny làla-marina izorany. Lehilahy mahatokyamin’ny finoany an’I Kristy izay tanany, sy arahiny. Toa mampahatsiaro ny filazana an’I Jesoa ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mihazona ny fahamarinana : azo adika ihany koa manakaiky an’I Kristy ho Tompo amin’ny vavanao ianao; ary mino amin’ny fonao, fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no hanekena hahazoana famonjena. ( Romana 10:9 – 10 ). Hitan’ireo rahalahy sy mpiara-manompo eo amin’ny fiainana andavanandro izany fihazonana ny fahamarinana izany . Mandeha amin’ny fahamarinana ety ivelany. Azo tsapain-tànana eo amin’ny fiainana manontolo ny fanehoana ny finoana ao anaty.

2- MODELY AMIN’NY ASA TSARA ( and 5 – 7 )

Nambaran’I Jaona jihany koa eto ny fahatsaran’ny fandraisam-bahiny tanterahin’I Gaio, sy nyfamporisihana azy hanohy izany asa tsara izany hatrany. Niangaviana manokana izy mbahanampy ireo rahalahy sasany mba handroso amin’ny fomba mendrika an’Andriamanitra. Hanao izany toa ny mampiantrano anjely. Izany hoe manao ny asa, toy ny manao izany ho an’Andriamanitra fa tsy ho an’ny olona. Paoly koa dia manambara izany ao amin’ny Kolosiana 3: 17 , 23 “ Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’I Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona,” Famporisihana antsika lehilahy hanao asa tsara; sy haneho ny tena ho fianarana amin’ny asa tsara koa izany , fahamarinana tahaka izany no andrasan’ny Tompo amintsika lehilahy. Amin’izay zavatra rehetra ataonao dia asehoy fa mpanompon’Andriamanitra ianao. Amin’ny fotoana rehetra; amin’ny toerana rehetra. Ary iainana ny andalan-kira ao amin’ny hira faneva hoe : “ Fitaratra amin’ny asa , fitaratra amin’ny teny

3- TIA FIARAHAMIASA AMIN’NY HAFA ( and 8 )

Fanehoana ho fijoroana ho vavolombelona sy famporisihana ataon’ny apostoly Jaona eto.Fanehoana ny fahaizana mandray lesona ka haka tahaka izay nataon’I Gaio. Tsy ny haka tahaka fotsiny anefa fa hanaiky ho mpiara-miasa aminy mihitsy ihany koa. Tsy ho mpidera na ho mpankasitraka fotsiny ihany; fa ho sahy mandray andraikitra mihitsy. Hanana fitiavana ny fiaraha-miasa. Tsy ho mpiara-miasa fe mpiara-miasa fotsiny anefa, fa ho mpiara miasa amin’ny fahamarinana. Mpiara-miasa afaka hanitatra ny ambain-dain’ny fitoriana ny filazantsaran’I Kristy. Isan’ny zava-dehibe amin’ny firindrana amin’ny fomba fiasa, ny fahaizana mandray andraikitrasy ny mizara izany amin’ny hafa. Antoky ny fahombiazana izany, azo ampiharina amin’izao Perikopa amin’izao Alahadin’ny SLK FJKM izao ny teny filamatra antsika hoe :

LEHILAHY KRISTIANA MITOMBO AMIN’NY FAHATSARANA; MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA.MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA .”

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra .

FAMPAHATSIAHIVANA

A-Toy ny fanaontsika isan-taona, ny Rakitra amin’ity Alahadin’ny SLK ity diaharotsaka manontolo aty amin’ny SLK Foibe, Trano Ifanomezantsoa Analakely , naharotsaka any amin’ny BNI-CL Analakely amin’ny Kaonty nomerao 01 113 4912 020 0 00.( ka mba alefa ny copie ny nandrotsahana azy, na antsoina ny 22 373 64). Raha toa ka misy ny fanamarihana na fahadisoana dia irariana ny hifandraisana mivantana ihany koa.

B- Ny tsangambaton’ny faha 30 taona dia nisy fanampahankevitra noraisin’ny KOMITY FOIBE izany hoe ireo solontenan’ny SLK SP , tamin’ny fivoriany voalohany ny taona 2015, ny fandraisan’ny SLK SP ny EZAKA FANOHIZANA NY IVONTOERANA . Koa angonina any avokoa ny anjaran’ny SLK SP ka arotsaka aty amin’ny Foibe avy eo.

Fintina perikopa Mey 2019

Manàna fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo.

Lohahevitra vaovao no iainan’ny Fiangonana amin’izao volana Mey 2019 izao dia ny hoe: “Manàna fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo« . Koa indro, fafana no anehoantsika ny endri-pahamarinana tiana hananan’ny Fiangonana. Tsy ny perikopa rehetra anefa no hatolotra fa izay lazain’ny Filazantsara ihany:

PERIKOPA Fahamarinana
tokony ananana
Vokatry ny fananana fahamarinana
Jaona 3, 17- 21    
Matio 10, 40- 42 Fiombonam-piainana amin’ny hafa mba ho
fanehoana ny maha
mpianatry ny Tompo.
Fananana valim-pitia avy amin’ Andriamanitra
Lioka 16, 9- 13 Fandalana ny fisaikai
zana amin’ny hafa,na
dia ny tsy marina aza.
Fitoerana ho mahato
ky amin’izay omena
azy
Fiombonam-piainana amin’ny hafa
Matio 5, 17- 20 Ny fanatanterahana
izay ambaran’ny
Lalàna satria tsy nandrava na nanafoana
izay i Jesoa.Fiezahana
hihoatra noho ny hafa ny fiainana ny lalàna
Fankatoavana sy fampianarana ny lalàna
ho an’ny hafa.  
Fandovana ny fanjakan’Andriamanitra
Lioka 24, 50- 53 Fanomezan-toerana an’Andriamanitra
amin’ny maha Andriamanitra Azy(mitsaoka)
Fandraisana ny tsodranon’ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny Voninahitra.

JKM FOIBE