Alahadin’ny S. Lehilahy Kristiana 2019.

HAFATRA HO AN’NY LEHILAHY

Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika ry lehilahy mahery”( II Tim 1 : 8a ; Mpits 6 : 12b )

LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO

Ho amintsika mandrakariva anie ny Fiadanan’ny Tompo.

« Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin’ny zavatra rehetra anie hianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.(III Jao1 : 2)

. Izany teny izany no isaorantsika ny Tompo, ary iarahabana antsika indray amin’izao andro natokan’ny Foibe FJKM izao hitrotroana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA.Iarahabana ihany koa ireo SLK rehetra, indrindra fa ireo efa nahavita ny fanavaozana indray eo amin’ny fitantanana ny SLK amin’ny taom-piasana 2019 – 2023. Izany hoe : ireo efa nahavita ny fifidianana teny anivon’ny Fitandremana, araka ny fandaminana natao teto anivon’ny FJKM hoe ny volana Janoary –Aprily no hanatanterahana ny fanavaozana rehetra eny anivon’ny Fitandremana. Maniry indrindra ihany koa ny ahatanterahan’izany fanavaozana izany sy mitrotro am-bavaka ny eny anivon’ny SYNODAMPARITANY izay hanomboka amin’ity volana Mey ity ka hatramin’ny volana Jolay.

Taom-piasana vaovao no hatrehintsika, koa mila fomba fiasa sy fitantanana mihatsara indray isika, izany hoe manohy ny asa vitan’ny teo aloha ka manatsara izany mba hihamaroan’ny lehilahy hanaraka atsika eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Hitondra tetik’asa vaovao ka hirindra araka ny fomba fiasan’Andriamanitra , ka ho lehilahy manana fahamarinana eo anatrehan’ny Tompo lalandava isika. Araka izany dia ny volana Aogositra – Desambra no hanatanterahana ny fanavaozana ety amin’ny Foibe koa ny an’ny SLK dia ny 07 – 10 Oktobra 2019 no ho tanterahina ny Fihaonambe faha 11 ary ny 10 – 11 OKTOBRA 2019 no hiatrehana ny ZAIKABE  izay samy  hatao any MANAKARA  Synodamparitany ATSIMO ATSINANA  avokoa izy ireo. Maniry hatrany ny hiatrehantsika Lehilahy rehetra izany Fihaonambe izany mba .ahazoantsika mifaneraserana sy mifandray, ary mifanolo-tanana eo amin’ny sehatra misy atsika avy. Koa mampahery antsika rehetra hatrany ny amin’ny fitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe eo amin’ny asa izay notinapaka, dia ny famitana ny IVONTOERANA any Foulpointe, izay iandrasana ny anjara adidintsika araka ny fanampahankevitry ny KOMITY FOIBE, izay manangona izany isaky ny Synodamparitany.

Isaorantsika ny Tompo ihany koa ny amin’ny fiaraha-miasan’ny SLK Foibe sy ny SLK SP 37 momba nyfampitomboana ny machine fanaovana ny mofompandraisana, izay efa antitra tokoa, koa raha ny fandaminana dia tokony ho tonga eto an-toerana tsy ho ela intsony izany fitaovana vaovao izany. Isaorana isika ny amin’ny fandrotsahana mandrakariva ny rakitra atao amin’izao fotoana hitrotroana am-bavaka ny SLK Foibe izao, izay naraikitra amin’ity fandaharana Iombonana ity ny nandrotsaka izany nanomboka ny volana Martsa 2018 ka hatramin’ny 04 Aprily 2019. Eo ihany koa ho antsika SLK SP, SLK Fitandremana, olona tsirairay nandrotsaka ny anjara IVONTOERANA na ny PAIKA 1 + 5 nanomboka  ny taona 2013 – 04 Aprily 2019 ihany koa. Raha misy fanamarihana dia angatahina hatrany isika hiantso na hanoratra aty amin’ny Foibe SLK hatrany.

Dia mahereza sy mahatanjaha fa ny Tompo momba antsika mandrakariva, mivavaha ka aza mitsahatra.

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA: MITOMBO HO AMIN’NY FAHATSARANA, MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA ARY MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA

Antananarivo, faha 18 Martsa 2019

Amin’ny anaran’ny Birao Foibe SLK FJKM

……………………….

FANDAHARANA IOMBONANA

ALAHADY, FAHA 12 MEY 2019

« LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO »

 Fidirana : HIRA Mijoro ny lehilahy

 Fiarahabana Apostolika : «  Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Kristy Tompontsika. »

 Fiderana sy fiantsoana ny anaran’ny Tompo.

Fiangonana miara-midera an’Andriamanitra amin’ity ALAHADY 12 MEY 2019 ity izay Alahady natokana hitondrana am-bavaka ny SAMPANA LEHILAHY KRISTIANA manerana ny sahan’ny FJKM. Ary hibanjinantsika ny lohahevitra hoe : « LEHILAHY MANANA FAHAMARINANA EO ANATREHAN’NY TOMPO » Aoka hiara-midera ny Tompo isika amin’ny :

o SALAMO faha 128

o Hira  : 8

o VAVAKA FIDERANA SY FIFONANA

Fifampiarahabana : Arahabao ny manodidina anao : “ Mandehana tahaka ny zanaky ny mazava”

( mipetraka ny Fiangonana)

 Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

o Hira : 206 : 1,2

o 5 min Sekoly Alahady : Hira sy fampianarana

o Hira : 790 : 1

o Vavaka sy vakiteny :

 Genesisy 6 : 9 – 19

 Matio 10  : 40 – 42

 III Jaona 1 : 1 – 8

o Ray Masina ô !…..

 Hira 177  : 1 , 2

 TORITENY

 Hira : SLK

 Vavaka fangatahana + Rainay izay any an-danitra……

 Fanambaram-pinoana : Fanekem-pinoana Nikeana faha IV

 Asan’ny Fiangonana

 Raharaha +fanentanana samihafa + FAMAKIANA NY HAFATRA

 Rakitra : Hira SLK / Sampana

 Fanolorana ny rakitra : vavaka na Hira

 Asa Vavolombelona samihafa

 Fotoanan’ny SLK

 Famaranana

HF 26  : 1 – 2

Tsodrano

Vavaka mangina ( mipetraka ny Fiangonana)

Trinite Masina

SOLI – DEO – GLORIA

TORITENY

III Jaona : 1 – 8

Jaona Apostoly no manoratra amin’ny antsoina hoe : Gaio. Firariantsoa ho an’ny fahasalamana, ary faniriana hahomby amin’ny zavatra rehetra , sy hahomby koa ara-panahy. Tonom-bavaka sy firariana ho salama ara-batana sy ara- panahy ka :

1- MIHAZONA HATRANY NY FAHAMARINANA ( And 1 – 4 )

Fantatr’ i Jaona fa lehilahy mahatoky I Gaio eo amin’ny làla-marina izorany. Lehilahy mahatokyamin’ny finoany an’I Kristy izay tanany, sy arahiny. Toa mampahatsiaro ny filazana an’I Jesoa ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Mihazona ny fahamarinana : azo adika ihany koa manakaiky an’I Kristy ho Tompo amin’ny vavanao ianao; ary mino amin’ny fonao, fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty dia hovonjena ianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no hanekena hahazoana famonjena. ( Romana 10:9 – 10 ). Hitan’ireo rahalahy sy mpiara-manompo eo amin’ny fiainana andavanandro izany fihazonana ny fahamarinana izany . Mandeha amin’ny fahamarinana ety ivelany. Azo tsapain-tànana eo amin’ny fiainana manontolo ny fanehoana ny finoana ao anaty.

2- MODELY AMIN’NY ASA TSARA ( and 5 – 7 )

Nambaran’I Jaona jihany koa eto ny fahatsaran’ny fandraisam-bahiny tanterahin’I Gaio, sy nyfamporisihana azy hanohy izany asa tsara izany hatrany. Niangaviana manokana izy mbahanampy ireo rahalahy sasany mba handroso amin’ny fomba mendrika an’Andriamanitra. Hanao izany toa ny mampiantrano anjely. Izany hoe manao ny asa, toy ny manao izany ho an’Andriamanitra fa tsy ho an’ny olona. Paoly koa dia manambara izany ao amin’ny Kolosiana 3: 17 , 23 “ Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’I Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany. Ary na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona,” Famporisihana antsika lehilahy hanao asa tsara; sy haneho ny tena ho fianarana amin’ny asa tsara koa izany , fahamarinana tahaka izany no andrasan’ny Tompo amintsika lehilahy. Amin’izay zavatra rehetra ataonao dia asehoy fa mpanompon’Andriamanitra ianao. Amin’ny fotoana rehetra; amin’ny toerana rehetra. Ary iainana ny andalan-kira ao amin’ny hira faneva hoe : “ Fitaratra amin’ny asa , fitaratra amin’ny teny

3- TIA FIARAHAMIASA AMIN’NY HAFA ( and 8 )

Fanehoana ho fijoroana ho vavolombelona sy famporisihana ataon’ny apostoly Jaona eto.Fanehoana ny fahaizana mandray lesona ka haka tahaka izay nataon’I Gaio. Tsy ny haka tahaka fotsiny anefa fa hanaiky ho mpiara-miasa aminy mihitsy ihany koa. Tsy ho mpidera na ho mpankasitraka fotsiny ihany; fa ho sahy mandray andraikitra mihitsy. Hanana fitiavana ny fiaraha-miasa. Tsy ho mpiara-miasa fe mpiara-miasa fotsiny anefa, fa ho mpiara miasa amin’ny fahamarinana. Mpiara-miasa afaka hanitatra ny ambain-dain’ny fitoriana ny filazantsaran’I Kristy. Isan’ny zava-dehibe amin’ny firindrana amin’ny fomba fiasa, ny fahaizana mandray andraikitrasy ny mizara izany amin’ny hafa. Antoky ny fahombiazana izany, azo ampiharina amin’izao Perikopa amin’izao Alahadin’ny SLK FJKM izao ny teny filamatra antsika hoe :

LEHILAHY KRISTIANA MITOMBO AMIN’NY FAHATSARANA; MITOMBO AMIN’NY FAHAMAROANA.MIRINDRA AMIN’NY FOMBA FIASA .”

Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra .

FAMPAHATSIAHIVANA

A-Toy ny fanaontsika isan-taona, ny Rakitra amin’ity Alahadin’ny SLK ity diaharotsaka manontolo aty amin’ny SLK Foibe, Trano Ifanomezantsoa Analakely , naharotsaka any amin’ny BNI-CL Analakely amin’ny Kaonty nomerao 01 113 4912 020 0 00.( ka mba alefa ny copie ny nandrotsahana azy, na antsoina ny 22 373 64). Raha toa ka misy ny fanamarihana na fahadisoana dia irariana ny hifandraisana mivantana ihany koa.

B- Ny tsangambaton’ny faha 30 taona dia nisy fanampahankevitra noraisin’ny KOMITY FOIBE izany hoe ireo solontenan’ny SLK SP , tamin’ny fivoriany voalohany ny taona 2015, ny fandraisan’ny SLK SP ny EZAKA FANOHIZANA NY IVONTOERANA . Koa angonina any avokoa ny anjaran’ny SLK SP ka arotsaka aty amin’ny Foibe avy eo.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV