Zoma 31 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 9.23-43

Tantara roa no hitantsika eto:

1-Ny tohin’ny tantaran’i Saoly

Mahatalanjona sy mahatsiriritra ny tantarany . Vao avy niova fo izy dia efa lasa mpitory nahery fo ka nanana « mpianatra » sahady (and25). Na taiza nataiza koa anefa nalehany dia nofofoina ho faty hatrany izy noho ny fahasahiany . Toa herimpo vitsy mpanana izany .Toa samy te-hiaro ny aintsika avokoa ihany isika , ka aleo mangina. Fa izao koa : rehefa niova izy izay mpanenjika , niadana ny Fiangonana (and31). Mivavaha ho an’ireo fahavalon’ny Fiangonana mba hiadanantsika .

2-Ny tantaran’i Petera(and 32-43)

Fahagagana roa no hitantsika fa nataon’i Petera eto : ny fanasitranana an’i Enea , ilay vehivavy nalemy (and33-35)

Araka izany , tsy tokony hanahirana  antsika mihitsy  ny fisian’ny Fiangonana toy izany . Hitantsika izany  amin’ny fiaraha-miasan’ny Tompo  amin’ny Mpiandry .Ny  mahafaly dia izao : ireo fahagagana ireo dia fitaovana eo am-pelatànan’ny Tompo nahatonga olona maro « niverina ho amin’ny Tompo » (and 35) « ka maro ny nino ny Tompo »(and42).

Fampieritreretana :

Raha maty i Dorkasy dia nahatsiaro fahabangana lehibe ny mpiara-mononataminy . Ary izaho sy ianao , ahoana ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alakamisy 30 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 9.1-22

Fanontaniana maro no entin’ity tantaran’ny fiovan’i Saoly ity . Santionan’izany ireto:

1-Efa mba nifanena tamin’i Jesao ve aho?

Tsy voatery hahita zava-mahagaga maro toy ny hazavana be , feo any an-danitra , fahajambana akory isika. Fa ny zavatra mazava kosa dia izao : nisy fihaonana velona tamin’i Jesoa tamin’ny fotoana iray teo amin’ny fiainantsika noho ny Tenin’ Andriamanitra rentsika na novakintsika . Efa nisy ve izany?

2-Raha eny : inona no vokany ?

i Saoly dia niova : nanaiky an’i Jesoa hoe: »tompoko « izy . Nianjera avy teny amin’ny soavaliny izy, dia ilay soavaly maneho ny fatokian-tenany , ny avonavony .Resin’i Jesoa izy. Dikany : tsy misy olona nifanena marina

Alarobia 29 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 8.26-40

Lesona lehibe momba ny fitoriana ny Filazantsara no omena antsika eto :

1-Ny Fanahy Masina no mpitari-tafika :

Mariho fa ny Fanahy no nibaiko an’i Filipo hitory eto (and29) .Samia isika
mivavaka mba hahaizantsika mihaino  ny feon’ny Fanahy Masina  sy ny
fitarihan-dàlana ataony  amin’ny tafika manamasina rehetra ataontsika.

2-Ilaina ny tafika masina manokana  

Ny hoe : « tafika manokana » dia fitaomana olona iray ataon’olona iray . Fomba fiasa tena mahomby  izany eto fa tonga hatrany  amin’ny fanaovana batisa ilay tandapan’i Kandasy mihitsy . Mivavaha mba hitarihan’ny Fanahy antsika any amin’ny olona tiany  hotaomintsika koa.

3-Fomba fiasa tsara ny  manatona ny olona

« Hoy ny Fanahy  tamin’i Filipo :Andeha manatona ka mankanesa  amin’io  kalesy io »(and29). Mahazatra antsika ny  manomana «fitoriana»amin’ny toerana iray dia miantso  ho tonga eo . Tsy  diso izany , kanefa tsarovy  koa fa tena ilaina ny hoe : isika mihitsy  no  mandeha manatona  ny olona eny  amin’izay misy azy , toa an’i Jesoa tonga tety an-tany ho antsika .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

 

Talata 28 Mey 2019.

Fandalinana ASAN’ ny APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 8.1-25

Fampianarana 3 no raisintsika eto:

1-Tandra vadin-koditra amin’ny Fiangonana ny fanenjehana

Maty i Stefana , Maritiora kristiana voalohany , ary nitohy nihamafy hatrany ny fanenjehana. Lesona ho antsika izany mba hampahery antsika raha tojo fanenjehana noho ny amin’i Jesoa , fa efa izany hatrany amboalohany ny fiainan’ny kristiana. Mahereza!

2-Enjehin-ko faty vao mainka velona ny Fiangonana

Mahatalanjona ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara . Ireo mpino « izay niely dia nandeha nitory teny tontolo eny » (and 4). Tsy nampatahotra azy na nampangina azy ireo ny fanenjehana mafy. Ary isika , mba ahoana? Ary jereo fa nambabo olo-maaro ireo mpitory ireo . Andao hivavaka mba hitohy sy hihamaro ny kristiana toy izany, na aiza na aiza alehany dia mpitory ny Filazantsara hatrany izy.

3-Mila fahaizana tsara ny olona vao manolo-tena

Hitantsika amin’ny nataon’i Simona teto fa mety hisy olona olona vao nanolo-tena ho enti-kafanampo ka hanaotao foana. Tsy maintsy tezaina tsar izy ireny hahalala fa tsy vidim-bola ny fanomezan’ Andriamanitra . Tsara ny fialana amin’ny sampy fa tandremana sao manaraka ny farasisany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Alatsinainy 27 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 87.44-60

Hitantsika eto ny faran’ny tantaran’i Stefana.

1-Stefana : sahy miteny

Ny and 51 dia nilazany mahitsy hoe: « Ry olona mafy hatoka sady tsy voafora fo sy sofina ». Teny masiaka izany , saingy sahiny notenenina noho ny Fanahy Masina mampiteny azy (and 55). Enga anie ho feno ny Fanahy Masina toy izany koa aho ka hanana fahasahiana masina hampibebaka ny hafa.

2-Stefana : maritiora sambatra

Mariho fa nahatonga an’i Stefana tsy hataho-maty koa ny fahitana hitany : « Indro , hitako ny lanitra misokata ary ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’ Andriamanitra » ( and 56). Ary zava-niseho ombienieny teo amin’ny tantaran’ny Maritiora izany , toy ny sasany tamin’ireo Maritiora Malagasy izay nahita fiarakodia volamena hitondra azy ho any an-danitra talohan’ny hamonoana azy ka tonga tsy hatahotra ny ho faty intsony « 

3-Stefana: nanahaka an’i Jesoa Tompony

Ampitahao amin’ny voalazan’ny Filazantsara amin’ny teny nataon’i Jesoa ireto teny nataony ireto : « Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko » ( zahao Lio 23.46 ) « Tompo ô , aza atao ho helony anie izao » (Zahao Lio 23.34) . Velona ho an’i Jesoa sy nanahaka an’i Jesoa izy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8

Alahady 26 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 7.20-43

Mbola manohy hatrany ny tenin’i Stefana teo am-pitsarana azy isika ka gaga mahita fa:

1-Diakona manana fahalalana mivelatra izy

Raha jerentsika ireo toko sy andininy voatsiahiny amin’ity lahateniny ity dia misy avy ao amin’ny Eksodosy , Deoteronomia , Amosa. Mariky ny fivelaran’ny fahalalany ny Soratra Masina izany ary mbola fanairana ho antsika . Tokony hanontany tena isika hoe: mba manao ahoana ny fahalalako ny Soratra Masina ? Mitodika amintsika kristiana rehetra izany , nefa miantefa manokana aminareo diakona.

2-Diakona nahay ny Testamenta Taloha

Marina fa tamin’ny andron’i Stefana dia tsy mbola voasoratra akory ny Testamenta vaovao eo an-tànantsika ankehitriny . Ny zavatra mahafaly dia ny mahita eto fa hay tena azo itoriana an’i Jesoa Kristy mihitsy ny Testamenta taloha. Indraindray mantsy no hamaivanintsika ny Testamenta Taloha . Testamenta roa tsy azo sarahina anefa ireo : ny Testamenta Taloha maminany ny Testamenta vaovao ary ny Testamenta vaovao dia fahatanterahan’ny Testamenta Taloha. I Stefana dia nino an’i Jesoa Kristy satria niaina izay ambaran’ny Testamenta vaovao ary niaro ny finoany tamin’ny alalan’ny Tetsamenta taloha . Manahafa azy!

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Sabotsy 25 Mey 2019.

Fandalinana ny ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 7.1-19

Manohy ny famakiana ny tantaran’i Stefana isika ka hitantsika manokana eto fa:

1-Diakona nahay Soratra Masina izy

Ny zavatra nambarany eto dia tsy hafa fa famintinana ny tantara voasoratra ao amin’ny Bokin’ny Genesisy manomboka hatreo amin’ny toko 12 hatrany amin’ny farany . Dia hoy isika hoe : firy amin’ny diakonantsika ankehitriny no mahay Soratra Masina toy izany ? I Jesoa dia tena nahay Soratra Masina ary nahatalanjona ny olona ny fahaizany (Lio 2.47). Ary isika , mba ahoana?

2-Diakona nampiasa Soratra Masina

Tsy azontsika adinoina fa valiteny nataon’i Stefana tamin’ny fanadinana azy teo am-pitsarana no hitantsika eto . Izany hoe : Soratra Masina no navaliny ireo nitsara azy . Mba mahay manao toy izany ve isika . Mba sahy manao toy izany ve isika ? Ny Soratra Masina haintsika ve mba haintsika ampiasaina toy izany ?

Ary koa , ny Soratra Masina no fitaovam-piadiana nentiny nifnandrina tamin’ireo nitsangana ho fahavalony . Moa tsy mampahatsiaro antsika an’i Jesoa ve izany ? Moa tsy ny Soratra Masina indrindra koa no navalin’i Jesoa an’i Satana raha nalaim-panahy tany anefitra Izy ? (Mat 4.1-11). lesona tsy lany andro mbola tsy azontsika ariana koa izany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Zoma 24 Mey 2019.

Fandalinana ny Boky ASAN’NY APOSTOLY

Asan’ny Apostoly 6.1-15

Raha raisina araka ny fiheverana mahazatra hilaza ny nifidianana ireo »diakona » voalohany ity tantara ity dia mampianatra antsika fa:

1-Ny Diakona : vahaolana ho an’ny Fiangonana

Ambaran’ny and 1 fa nisy olana niseho teo amin’ny Fiangonana. Ho vahaolana amin’izany no antony nifidianana azy 7 lahy . Ny fanontaniana àry dia izao : Ianao Diakona io, olana ianao sa vahaolana ho an’ny Fiangonana misy anao?

2-Ny Diakona : kristiana faka tahaka

Jereo ange ny filazana ny mason-tsivana nifantenana ireo ho diakona e: »tsara laza sady feno ny Fanahy sy fahendrena, feno finoana » (and3,5). Fatratra izany ! Ary irariana mba ho izany avokoa ny diakona rehetra eo amin’ny Fiangonana misy antsika . Dia ho marina amintsika koa ny fandrosoana mahafaly niseho tamin’ny Fiangonana voalohany voalazan’ny and 7.

3-Ny Diakona : vavolombelona mahery

i Stefana no resahina manokana eo amin’ny and 8-15. Stefana , iray amin’ireo Diakona 7 lahy io . Diakona « feno fahasoavana sy hery » izy (and 8) ka na nisy aza « nitsangana ka niady hevitra taminy » (and9) dia tsy nahatohitra ny fahendrena sy ny Fanahy izay nitenenany ireo (and10) . Moa tsy Diakona mahajoro amin’ny finoana toy izany no tena ilaintsika koa ankehitriny ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 8

Fanasana

« Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena . Fahalalana tsara no ananan’izay rehetra mankato izany . Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy » Sal 111.10

Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra nahazoako nanao fanompoana dia fifaliana ho ahy

RAJAOFETRA John

ny miantso anareo hiara- hisaotra an’ Andriamanitra ao amin’ny

FJKM AMPARIBE Famonjena

Sabotsy 08 Jiona 2019,

amin’ny 9.30 maraina .

Mankasitraka tompoko !