Hazony ny famonjen’ny Tompo

Velona ny Tompo, Paska ho antsika. Koa miarahaba ny Mpamaky hajaina, misitraka ny fahaveloman’i Jesoa Kristy, Ilay nandresy ny fahafatesana mba ho santatry ny tena fahavelomana sy ny fandresena ny endrim-pahafatesana rehetra.

Madiva hifarana ny volana Aprily, koa ny Perikopa amin’ny Alahady farany amin’ity volana ity no itarihana antsika. Alahady nofaritana manokana mba hitondrana am-bavaka ny asan’ny TOPAZA (Toeram-pamonjena Zaza) eny Ambohipotsy io Alahady io. Ny TOPAZA dia iray amin’ny asan’ny FJKM, manabe ireo zaza kamboty sy tsy misy Mpiahy, moa va tsy ny antso nataon’Andriamanitra tamin’ny Hagara hoe: “Mitsangana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy” (Gen. 21, 18). Izany tenin’ny Soratra masina izany rahateo no teny fanevan’izy ireo. Niniana naroso aloha izany mba hahazoana manao ny fampiharana eo amin’ny toriteny na fampianarana raisina amin’ity perikopa voalahatra ity. Na izany aza, tokony ho tsaroana hatrany ilay maso enti-mijery ny perikopa araka ny lohahevitra hoe: “Hazony ny famonjena”.

  • Salamo 82, 1- 8: Ny famonjen’Andriamanitra dia miainga avy amin’ny fitsarana ataony. Mpitsara marina Andriamanitra ka tsy menatra (and. 2) ny hanameloka ny ratsy fanahy fa hamonjy ny marina.Ary na ny mpitsaran’izao tontolo izao aza dia ananany fahefana ka tsarainy arak’izay fitsarana nataony. Izany hoe: ny tomponandraikitra rehetra dia tsy maintsy mahatsiaro fa mbola hotsaraina izy.

Taratra eto ihany koa fa ny famonjena dia manana endriky ny fananarana mba hanahafan’ny tomponandraikitra an’Andriamanitra. Endrik’Andriamanitra manana fahefana eo amin’ny olona izy. Koa raha tsy miaina ny fahamarinan’Andriamanitra ny tomponandraikitra dia hohelohina. Noho izany, ny antso iantsoan’ny Mpanao salamo an’Andriamanitra hitsara eto (and. 8) dia endriky ny antso ho an’ireo tomponandraikitra ho solon-tenan’Andriamanitra marina, ka ny fanekena izany no hahatanteraka ny fihazonana ny famonjena izay iantsoana ny Fiangonana.

  • Jaona 21, 1- 14Perikopa mitantara ny fisehoan’i Jesoa Kristy Velona tamin’ny Mpianatra ity. Koa velona eo amin’ny olona izay manaiky Azy ny Tompo mba ho famonjena ho azy. Koa indro tanisaina ny endri-pandraisana io famonjena io. Ny olona mihazona ny famonjena dia: – olona miatrika ny andavanandrom-piainany toa ny mpianatra nanohy ny asa fanaratoana, – olona mijery an’i Jesoa Mpamonjy azy ao anatin’ny vokatry ny asa ataony, toa ny nahitan’ny mpianatra an’i Jesoa rehefa nahazo hazandrano izy. – Olona misikina (manarona ny fitanjahany) ka manatona an’i Jesoa, toa ny nataon’i Simona Petera. – Olona miombom-piainana amin’i Jesoa Kristy (toy ny fiombonana amin’ny Fanasan’ny Tompo) moa va tsy ny fiarahan-komana teo amoron-drano no voalaza eto?
  • Romana 6, 1- 7: Ny Batisa raisin’ny Fiangonana no mitondra azy ho amin’ny fanahafana an’i Jesoa Kristy. Efa maty Izy, nefa velona indray, moa va tsy i Jesoa maty sy nitsangana tamin’ny maty? Ny fitsanganana amin’ny maty dia endriky ny fanavaozana ny Fiangonana. Koa ny fihazonana ny maha vita Batisa dia miseho amin’ny fahatsiarovana ny tsy fahatanterahana rehetra tany aloha ka anadinoana ireny mba hahazoana mihavao. Ny toetra ratsy tany aloha mantsy no novonoina tao amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ka ny fihavaozan-toetra amam-panao kosa no velomina ao amin’ny fandraisana ny fahaveloman’ny Tompo. Noho izany, na iza na iza no mandray ny famonjena dia tsy maintsy mahafoy ny lalan-dratsiny fahiny izy ka mizotra ho amin’ny lalam-baovao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

FOIBE JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV