Fanazavana Perikopa Aprily 19

Hazony ny famonjen’ny Tompo

            Ny Perikopa amin’ny Alahady voalohany amin’ny volana Aprily no andraisana tari-dalana eto. Volana vaovao izay ibanjinan’ny fiangonana ny lohahevitra hoe: “Hazony ny famonjen’ny Tompo”. Araka izany lohahevitra izany: Andriamanitra no mamonjy ny olombelona rehetra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tompo, Ilay nanolotra ny ainy ka maty sy nitsangana tamin’ny maty ary niakatra any an-danitra mba ho santatry ny famonjena atolony ho an’izay manaiky handray izany. Tsy ny handray ny famonjena ihany fa ny hihazona izany no itaomana ny Fiangonana ankehitriny. Koa tonga zava-dehibe havoitra ny endriky ny famonjena sy ny endri-pihazonana izany izay takiana amin’ny Fiangonana.

Salamo 40, 11- 17: Ny mpanao salamo eto dia mampivoitra fa ny famonjen’Andriamanitra dia miseho amin’ny endrika telo. Ny voalohany dia famonjena miseho amin’ny endriky ny famindram-pon’Andriamanitra (and.11- 12). Ny faharoa dia ny famonjena miseho amin’ny endriky ny fiarovana eo anoloan’ny ratsy miseho sy manafika (and. 13- 15) ary ny famonjena farany dia miseho indrindra amin’ny fampitoerana fifaliana ao amin’ny olona.

Ny fahatsiarovana ao anaty fa Andriamanitra irery ihany no loharanon’izany rehetra izany dia ampy hihazonana ny famonjena.

  • Matio 9, 14- 17: Ao anatin’ny vanim-potoan’ny Karemy ny Fiangonana eto. Vanim-potoana iantsoana ny Fiangonana handini-tena. Fomba iray izay manampy ho amin’izany ny fifadian-kanina. Ambaran’i Jesoa eto fa fotoana mifanohitra tanteraka amin’izany ny fotoam-pifalian’ny fampakaram-bady izay isehoan’ny fihinanan-kanina sy ny firavoravoana. Koa na dia tsy mivantana aza dia azo ambara fa ny famonjena dia miseho amin’ny endriky ny fitaomana ny olona hahay hamantatra tsara ny fotoana anatanterahana fandinihan-tena. Raha ampiharina eo amin’ny Fiainam-piangonana izany, moa ve fotoana maha-mety ny fampakaram-bady sy ny fanaovam-pety samihafa ny vanim-potoan’ny Karemy? Mahamety ve ny fanamasinana fanambadiana ao anaty vanim-potoan’ny Karemy, eny, toy izany ihany koa amin’ny Sabotsy masina, andro mialoha ny Paska ? Fisaina izany ndrao zava-droa tsy afa-miaraka no ampiarahina ka hanimba ny iray manontolo.
  • 1 Timoty 4, 6- 10: Ny Epistily ho an’i Timoty dia sokajian’ny mpandinika Soratra Masina ho isan’ireo Epistily pastoraly, izany hoe: taratasy ho an’ireo tomponandraikitra ara-pivavahana. Koa amin’izany sokajin’olona izany indrindra no iantefan’ny hafatra ka tsara raha hanaiky hihaino ny tomponandraikitry ny Fiangonana izay zatra mitondra hafatra.

Eo anoloan’ny fihemorana izay mahazo ny Fiangonana sasany dia manana adidy ny Tomponandraikitra rehetra ho Mpampiorina finoana sy ho Mpampianatra.

Koa aoreno indray ny finoan’ny olona mba hananany ny fanantenana an’Andriamanitra Velona izay Mpamonjy ny olona rehetra.

Miara-dalana amin’izany ny asa fampianarana ny fiangonana mba hahazoany mitombo amin’ny fanabeazana ara-tSoratra Masina. Koa andramo refesina ny taha-pahavitrihan’ny fiangonana mianatra Soratra Masina sy ny taha-pahavitrihan’ny Tomponandraikitra ara-piangonana mampianatra Soratra Masina ho an’ny Fiangonana mba hahazoana mivoatra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

FOIBE JKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV