MIAINA NY PASKA

Andro lehibe manantantara eo amin’ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra ny Paska. Ankalazaina sy tsarovana isan-taona izany mba ho fanehoana am-pahibemaso sy ilo miampita ho an’ny taranaka fa ANDRIAMANITRA MPAMONJY NY TOMPO, ary VAVOLOMBELON’IZANY NY OLOM-BONJENY na ny VAHOAKANY.

1- TAO AMIN’NY TESTAMENTA TALOHA

1.1. Faratampony amin’ny fanehoan’Andriamanitra ny HERINY

« Ny Paska, sy ny loza fahafolo, izay nahafaty ny lahimatoa rehetra teo Egypta (Eks.12:1)

Na dia niezaka nampiseho ny heriny aza i Farao, dia nihoatra lavitra noho izany kosa ny an’Andriamanitra ; maty ny lahimatoa rehetra tao Egypta ary anisany tamin’izany ny zanaky i Farao lahitokana ; Ny zanak’Israely kosa tetsy ankilany avotra noho ny RAn’ny Zanak’ondry tsy misy kilema.

—- Nandrodanana ny herin’ny Farao (Eks.12) —- Mosesy

—- Nandrodanana ny mandan’i Jeriko (Jos.5) —- Josoa

—- Nandrodanana ny herin’ny Sankeriba (IItan.30-32) —- Hezekia

—- Nandrodana ny fanompoana sampy (IItan.35) —- Josia

1.2. Nodidin’ny Tompo hotandremana

« Aoka hotandreman’ny Zanak’Isiraely ny Paska amin’ny fotoany. » (Nom. 9:2). Tandremana, tsarovana ny Paska dia ny famonjena sy fanafahana ny vahoakany. « Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’i Sinay izy tamin’ny harivan’ny andro fahefatra ambin’ny folo tamin’ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’i Jehovah an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Isiraely. » (Nom. 9:5). « Ary Mosesy niteny tamin’ny Zanak’Isiraely mba hitandrina ny Paska. » (Nom. 9:4)

1.3. Mitaky fahadiovana ho an’ny olona

« Aza manatitra ny ran’ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ny andro firavoravoana amin’ny Paska. » (Eks. 34:25). Mitaky fahadiovana feno ao anatin’ny olona ny fanatonana ny Paska. Tsy misy masirasira ao anaty noho izany dia fahadiovam-po, fahamarinana tanteraka, tsy misy fiavonavonana amin’ny hafa, tsy misy fanompoan-tsampy. « Dia vonoy ny Paska, sady hamasino ny tenanareo, ka manamboara ho an’ny rahalahinareo, hanaovana araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Mosesy. » (2 Tant. 35:6)

1.4. Fanaterana fanatitra ho an’ny Tompo

« Ary dia vonona androtrizay avokoa ny hatao fanompoana an’i Jehovah amin’ny hitandremana ny Paska sy ny hanaterana ny fanatitra dorana eo ambonin’ny alitaran’i Jehovah araka ny tenin’i Josia mpanjaka. » (2 Tan.35:16). Zava-dehibe tamin’izany ny fitondrana fanatitra ho an’ny Paska. « Fa ny olona izay madio sady tsy lasan-davitra, nefa tsy mety mitandrina ny Paska, dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria tsy nanatitra ny fanatitra ho an’i Jehovah tamin’ny fotoany izy; ho meloka izany olona izany. » (Nom. 9:13).

( Hotohizana)

(Randriamanantena Solo Jean Jacques Séraphin, Mpitandrina. Tonia SAMPATI)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV