Tatitra/ Famelabelarankevitra

 

FAMELABELARAN-KEVITRA  SY  FAMPIANARANA

“Mpino kristiana Protestanta miatrika ny fiainam-pirenena “

Navesa-danja ary tena zava-dehibe ny vela-kevitra sy fampianarana nataon’ireo mpitandrina telo mirahalahy teny amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA  ny zoma hariva 19 Oktobra 2018. Fotoana izay nanombohana ny famaranana ny jobily faha-200 taona ny nidiran’ny Misiona LMS teto Madagasikara sy ny faha-50 taona ny FJKM. Efa hatry ny ela teo amin’ny tantara no mifamatotra sy tsy afa-misaraka amin’ny fiainam-pirenena ny fiainan’ny Fiangonana Protestanta (FJKM). Mbola ho fanamafisana izany endrika fijoroana ho vavolombelona eto anivon’ny firenentsika izany hatrany no nokendrena tamin’izany fampianarana sy vela-kevitra izany.

 “Ny mpino kristiana protestanta miatrika ny fiainam-pirenena” no lohahevitra noraisina tao anatin’izany ka nanana lohateny nohazavainy nifanesy avy ireo mpamelabelatra telo:

1 – Atoa RAVALONOMENJANAHARY  Lala Emmanuel, Mpitandrina, FJKM Tranovato Faravohitra

2 – Atoa ANDRIAMASINORO Fidimalala, Mpitandrina, FJKM Avaratr’Andohalo

3 – Atoa RAKOTONAVALONA Maholy, Mpitandrina, FJKM Ambohitantely.

Niompana tamin’ny fampianarana iombonan’ny FJKM, ny foto-pinoany,  ny fampianarana voalohany sy ny momba ny mpino protestanta, ka noresahany hatrany amin’ny fiandohan’ny fiangonana tamin’ny taona 1868. Nasongadiny tao anaty fanazavany fa milaza mazava tsara ny amin’ny mpino sy ny fiatrehana ny fiainam-pirenena ny boky mitondra ny lohateny hoe “Katekisma FJKM” eo amin’ny pejy 163 – 166, izay avoakan’ny Sampanasa Fikarohana sy fandalinam-pinoana. Tokony hamaky io boky io ny mpino FJKM rehetra sy indrindra ny Mpitandrina rehetra, hoy izy. Navoitran’ny Mpitandrina R. Lala Emmanuel  ihany koa ny fanentanana ny olom-pirenena kristiana handray anjara hifidy. Fahotana eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy filazana ny hevitra amin’ny fiainam-pirenena raha ny fanazavany. Nambarany ny tena atao hoe “politika”, ary tokony hamerina amin’ny tena heviny marina amin’ny “politika” ny kristiana. Nohamafisiny koa fa adidin’ny fiangonana sy ny kristiana ny mitondra am-bavaka ny firenena; tsy miandany amin’ny antoko politika ary tsy tohanan’ny antoko politika ny fiangonana.

Niompana amin’ny fototra ara-tSoratra Masina kosa no nentin’ny Mpitandrina A. Fidimalala. N’inona n’inona fampianarana protestanta tsy maintsy mifototra amin’ny Soratra Masina, hoy izy. Nifotoran’ny fanazavany ny voalaza ao amin’ny Testamenta Taloha, ka raha miresaka firenena , dia: Andriamanitra ivavahana , Mpanjaka, ary tany. Notsindriany ny amin’ny lanjan’ny fifamatoran’ny olona mpino amin’ny tany onenany na ny taniny. Mitana anjara toerana lehibe ny fifamatoran’ny olona amin’ny taniny ary tsy azo vahana na sarahina amin’ny taniny ny mpino. Ny fahasalaman’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona no iankinan’ny fiadanan’ny taniny. Tondro itarafana ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny olona ny zava-misy eo amin’ny taniny, araka ny fanazavany. Nampianatra voambolana hebreo telo momba ny tany sy ny olombelona ary firenena ihany koa ny tenany tao anaty fampianarana, sy nanazavany ny amin’ny fifamatoran’ireo.  Nosoritany fa, ny olona manao tsinontsinona ny taniny na manadino ny taniny ka tsy mandray andraikitra amin’ny taniny, dia ilay fanekena tamin’Andriamanitra mihitsy no itsakitsahiny. Notsiahiviny fa raran’ny Soratra Masina ao amin’ny Baiboly ny kolikoly, ary ny mpino tsy mila mandray kolikoly.

Ny fampianarana farany kosa, dia niompana tamin’ny lafiny ara-tantara. Anisany mamaritra ny firenena iray dia ny taniny sy ny teniny. Vanim-potoana maromaro no novakivakiana tao anaty fanazavana sy nakany ohatra amin’ny tantaran’ny Protestanta na ny mpino kristiana tany ivelany sy teto Madagasikara, ary nanasongadinan’ny Mpitandrina R. Maholy zavatra fito dia:

– Ny kristiana dia mari-dalana (repère) mandrakariva

– Ny protestanta  tsy zatra tolorana, fa zatra miasa

– Ny kristiana Fjkm (na protestanta) dia tena manao ho zava-dehibe ny fiainam-pianakaviana

– Ny kristiana dia tia mizara, manao asa soa

– Ny kristiana dia fiasan’ny fihavanana sy fampihavanana

– Ny kristiana dia fiasan’ny fahafahana

– ary ny kristiana dia manao ho zava-dehibe ny teniny.  Ny Protestanta, hoy izy namarana ny fampianarany, dia sady tia ny taniny, no tia ny teniny, no tia ny tantarany.

Nahaliana ireo mpino kristiana tonga nanatrika ny vela-kevitra nataon’izy telo mirahalahy ary hita fa tsy ampy mihitsy ny fotoana na dia samy miezaka namintina araka izay azo atao izy ireo. Tsy nisy intsony mihitsy ary fotoana nametrahana fanontaniana noho ny efa andro alina satria tany amin’ny 8 ora latsaka kely vao tapitra ny vela-kevitra sy fampianarana. Ny toerana ihany koa saro-toerana be ihany amin’ny fodiana. Tsy maintsy namarana ny fotoana araka izany ny mpitarika, Andriamatoa toa RABEHATONINA James, Mpitandrina. Tena ilaina ho an’ny mpianakavin’ny finoana rehetra  eo amin’ny fiainany miatrika ny fiainam-pirenena anefa ny resaka nambaran’izy ireo tao.

R.Philémon

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV