Fanazavana Perikopa / Okt 2018.

Mandehana amin’ny rariny sy ny hitsiny
ao amin’ny Tompo

Amin’ity volana oktobra ity dia vaovao ny lohahevitra banjinin’ny Fiangonana, izay tonga maso ijereny ny Perikopa voalahatra araka ny hoe: “Mandehana amin’ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny Tompo.”

Ny Fiangonana dia toy ny Zanak’Israely, mandeha: niala tao amin’ny tany fanandevozana ho any amin’ilay tany nampanantenaina dia Kanana, tany feno fiadanana. Tandindon’ny antso ho an’ny Fiangonana hiala amin’izay manandevo azy rehetra izao mba hahazoany mizotra ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Eny am-pandehanana ny Fiangonana dia ampirisihina handeha araka ny rariny sy ny hitsiny araka izay mifanaraka amin’ny baikon’i Jesoa Kristy Tompo.

Amin’ny ankapobeny, ny rariny dia enti-manambara izay tena mifanaraka amin’ny tokony ho izy eo anoloan’ny trangan-javatra iray. Ny hitsiny kosa dia enti-manambara tsy fitanilana (fivilanana). Koa amin’izany, ny lalàna no miaro ny olona tsy hibirioka mba hanarahany ny hitsiny. Noho izany, ny hoe: rariny ao amin’ny Tompo dia mpanefy ny olona hahay hiaina eo anoloan’ny tranga iray ka hanaraka ny hitsiny ao amin’ny Tompo izay tsy hafa fa ny fiainana ny didim-pitiavana.

Koa ho an’ny mpamaky ny perikopa (Filazantsara) dia indro misy fafana iray ho tari-dalana.

Perikopa Trangan-javatra Mandeha
Araka ny fiarahamonina (rariny) Araka ny lalànan’ny fitiavana (hitsiny)
Matio 12, 14- 21

Fariseo mifofo ny ain’i Jesoa

Misy mikasa hanajanona ny asa famonjena (amin’ny alalan’ny fifofoana ny ain’ny Mpanao izany)

I Jesoa miala manalavitra ireo Mpifofo ny ainy.

Ialana ny lalan’ireo mpanohitra ny asa famonjena

I Jesoa manohy ny asany na dia nisy mifofo aza ny ainy

Tohizana hatrany ny asa famonjena

Lioka 10, 25- 37 Ny fikatsahana ny hahazoana fiainana mandrakizay Fanatanterahana ny lalana iainana eo amin’ny Mpiara-belona Fitiavana na dia ny fahavalo aza.
Matio 25, 31- 46 Tonga ny Zanak’olona (Jesoa Kristy) hitsara ny olona araka ny nataony avy Eo amin’ny fiarahamonina no anatanterahana fiaraha-miaina amin’ny hafa Ny fiombonam-piainana amin’ny hafa no andraisana tambiny avy amin’Andriamanitra (fitahiana na ozona)
Marka 12, 38- 40 Jesoa mampitandrina eo anoloan’ny fisian’ny Mpihatsaravelatsihy. Tsy mampiasa ny andraikitra andavanandro ho fanararaotana ny hafa Aza mihatsaravelatsihy mba tsy hohelohina.

 

 

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

J.K M Foibe

 

 

 

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV