Fanazavana Perikopa Sept 2018.

Sahia manohitra ny kolikoly

Tamin’ny lahatsoratra farany, ny perikopa avy amin’ny Testamenta Taloha no natolotra, ka ireo izay voarakitra ao amin’ny Filazantsara indray no hanolorana tari-dàlana amin’izao andiany izao. Ny famaritana ny antsoina hoe: Kolikoly sy ny endrika isehoany ary ny vokatra aterany no làlam-pitarihana atolotra eto.

Lioka 16, 1- 8: Ny fiarovan’ny olona ny tombontsoany tsy ho very no iray amin’izay mitondra ny ho amin’ny fanaovana kolikoly. Tsy fandraisana zavatra no endrika isehoan’ny kolikoly eto amin’ity tantara ity fa fizarana tombony ho an’ny hafa mba handraisana valim-pitia manokana ho an’ny tena. Tsy fahamarinana roa sosona no aterak’izany: Tsy marina amin’ny fitantanana satria nahenany ny trosa tokony hotakiana ary tsy fahamarinana amin’ny valim-pitia raisina satria endriky ny fitiavan-tena tafahoatra.

Indraindray tsy mivantana ny fanaovana kolikoly fa manana endrika maro. Ny mpanoratra ity Filazantsara ity dia efa maneho ny fahamaroan’ny endrika isehoany kolikoly, izany no ilazany hoe: “ny zanak’izao tontolo izao dia manan-tsaina kokoa ny amin’ny karazany noho ny zanaky ny mazava” (and.8) Noho izany, izao perikopa izao dia manomana ny Fiangonana hisaina eo anoloan’ny trangan-javatra iray mba tsy ho mpanao kolikoly tsy satry.

Matio 26, 14- 15: Ny Filazantsara araka an’i Matio dia mamaritra mazava an’i Jodasy Iskariota ho mpandray kolikoly ho enti-mamadika ny Tompony. Ny hoe: Iskariota dia enti-mamaritra fa i Jodasy dia lehilahy avy any Kariota. Tsy mba Jiosy izy, kanefa isan’izay nantsoin’i Jesoa ho mpianatra. Tsy manavaka ny fiantsoana saingy mitaky fanoavana ilay niantso io fiantsoana io. Azo ambara fa ny fiheveran-tena ho tsy mitovy amin’ny rehetra dia isan’izay mitarika ny olona hanome anjara toerana ny kolikoly. Ny Mpamaky ny Soratra Masina dia mahalala fa ity Jodasy ity no mpitahiry ny volan’ny Mpianatra. Tsy dia nisongadina loatra ny fandraisany anjara teo anivon’ny tantaran’ireo mpianatra afa-tsy amin’izay ahitana ny anjara toeran’ny vola. Koa ny fanomezana anjara toerana ny vola eo amin’ny fiainana dia iray amin’izay mitondra ny olona ho amin’ny kolikoly.

Jaona 12, 3- 8: ity perikopa ity dia azo tohizana  avy hatrany amin’ny fanazavana etsy aloha. Nihevitra i Jodasy fa fandaniam-poana ny nataon’i Maria raha nanosotra menaka an’i Jesoa izy. Ny fiheverana sy fisainana tombontsoa dia mandatsaka ny olona ho amin’ny kolikoly.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV