Fandalinam-pinoana / Ady amin’ny fahantrana

PROGRAMA HIADIANA AMIN’NY FAHANTRANA
 ARAKA NY DEOTORONOMIA

Hiditra ao amin’ny tany nampanantenaina ny Zanak’Israely, dia nomen’Andriamanitra azy izay fomba fiainana vaovao ao. Averimberin’ny Tompo hatrany, ao amin’ny bokin’ny Deotoronomia fa, andevo na nohandevozina tany Egypta izy ireo. Koa tsy tokony hanandevo sy hampahantra ny mpiray firenena aminy.

IZA NO MAHANTRA

Misy sokajy roa izy ireo. Ao ireo mahantra ara-piaraha-monina, toy ny kamboty, ny mpitondratena, ny vahiny, ny andevo. Ary ao ireo mahantra ara-pivavahana, toy ny Levita, izay tsy mba nanana  zara tany hivelomana. Izay aterin’ny olona no nivelomany. Mbola mety marina sy hita ankehitriny koa ireo mahantra roa ireo: ireo voalohany dia ampahoriana, ary ireo faharoa dia solokiana ara-pivavahana.

HEVITRY NY FAHANTRANA

1.Sazin’Andriamanitra. Fampanantenana nomen’Andriamanitra ny Zanak’Israely ny fahasambarana rehefa tonga ao amin’ny tany Kanana; Ny fankatoavana ny Teniny no haha firenena sambatra azy (Deo 28:1-14). Tsy tonga dia azo adika ho sazin’Andriamanitra anefa ny fisian’ny mahantra. Fa fotoana fanararaotra hanampiana ny mahantra ny fisiany eo amin’ny firenena

2.Ratsy horesena. Na vokatry ny fahotana, na zavatra hafa ny fahantrana, dia tsy maintsy hiadiana sy horesena. Tsy manana programa hampahantra olona izany Andriamanitra, na tany amin’ny saha Edena, na tany amin’ny tany Kanana, na ho any amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Vahoakan’Andriamanitra toy ny olona rehetra koa ny mahantra. Zavatra mandalo sy fahavoazana miserana ny fahantrana, ka ampiana ny mahantra ho tafavoaka avy amin’izany.

3.Fitaizana. Ny Fahantrana dia mitaiza antsika mpino hanome ny mahantra. Hatraiza ny hamafin’ny tanantsika? Haratsiam-panahy izany mafy tanana tsy manome tsy mahafoy ho an’ny mahantra izany. Fa ny fahantrana koa dia mitaiza ny mahantra (Deo 8:3), hiankina amin’ny fahatokiana ny tenin’ny Tompo.

4.Loza. Fitahian’ny Tompo ny fahasambarana (Deo 12:7 sy 30:9). Ho loza anefa raha toa ka rehefa miadana dia manadino ny Tompo, ka lasa manompo andriamani-kafa (Deo 31:20 sy 32:15).

PROGRAMA HANDRESENA NY FAHANTRANA

1.Namana. Rehefa tsy mitsiriritra ny zavatra an’ny namana ny olona (Deo 5:19), dia efa fandresena ny fahantrana izany. Izay mangalatra ny an’ny namany dia hahantra ihany koa. Ny fisainana tia tena tsy mahalala ny hafa ho namana, dia anisan’ny mahatonga ny fahantrana.

2.Karama. Raha vao vita ny asan’ny mpikarama, dia omena androtr’iny ihany ny karamany (Deo 24:14-15), fa tsy hangatahana andro. Tsy manana ambi-bava ny mpiasa tsotra, tsy manana renivola ampiasainy koa izy. Fa io karama isanandro io no ivelomany. Fahotana eo anatrehan’ny Tompo ny tsy fandoavana ny karama rehefa vita ny asa nifanarahana.

3.Mindram-bola. Noho ny antony fahasahiranana, dia mindram-bola ny namana (Deo 15:7-8). Misy antoka izany (Deo 24:12-13), fa tsy asiana zana-bola akory (Deo 23:20-21). Ny fitakiana zanabola mihoampampana dia fampahantrana ara-drafitra. Ny fanagiazana ny antoka ihany koa dia efa fampahantrana.

4.Trosa. isaka ny 7 taona dia havotsotra ny trosa rehetra (Deo 15:1s) nindramin’ny namana. Tsy hiandrasana Jobily izany. Midika izany fa, tsy hisy olon’Andriamanitra ka voaozona ho mpitrosa mandrakizay.

5.Afaka tsy ho andevo. Fomba iray nahavonjy ny olona tsy ho faty mahantra na lasa mpivarotena ny rafitra andevo: misy mpandray azy hiantoka ny fiainany. Rehefa niasa 6 taona tao aminao ny olona iray, dia havotsotra ho afaka amin’izay izy. Tsy ho andevo mandrakizay akory ny olona. Ary rehefa havotsotra izy, dia omena zavatra hivelomany sy hiarenany tsy ho andevo intsony (Deo 15:12-15).

6.Fialan-tsasatra. Voadinika fa ny 90% amin’ny mahantra, dia nandova ny fahantran’ny ray aman-dreniny. Azo tapahina anefa izany rojovy namatotra ny taranaka nifandimby izany. Ny mpiasa dia manana zo hiala sasatra. Ny mahantra dia manana izany zo sy tombontsoa izany koa (Deo 5:14-15). Ny fampitoviana zo ny rehetra dia ady handresena ny fahantrana.

A.Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV