Fanazavana Perikopa Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra

Hitsingerina amin’io volana aogositra ho avy io ny tsingerintaona nanambarana ny fiorenan’ny FJKM. Jobily lehibe ho antsika izany satria feno 50 taona katroka amin’ny 18 aogositra io fanambarana io. Ambonin’izany, ny 18 aogositra 1818 no tonga teto Madagasikara ny iraky ny LMS hitondra ny Filazantsara, 200 taona lasa izany. Jobily roa sosona ny antsika. Noho izany, arahabaina, ry FJKM, mahatratra ity taon-jobily ity.

Eo am-pankalazana an’Andriamanitra noho izany Jobily izany no iarahantsika mibanjina ny lohahevitry ny Perikopa hoe: “Mitsangana hanohitra ny herisetra”.

Ara-tantara, raha tonga teto Madagasikara ireo misionera mpamaky lay dia tratry ny tazo ka tsy maintsy nisetra izany izy ireo. Na teo aza ny fahafatesana tsy maintsy nasanda ny fanoherana ny herisetran’ny tany dia tsy lany ritra ny Misionera ka nitohy sy niroborobo ny asany.

Rehefa nahazo faka teto anivon’i Madagasikara ny Fivavahana Kristiana dia nitranga indray ny herisetra tsy maintsy nijoroan’ny fiangonana dia ny fanenjehan’ny Mpanjaka, ka nandringanany sy nampitondrany faisana ny Kristiana maro. Nandositra sy niery ny maro tamin’ireo Kristiana, ka vao maiky nanafaingana ny fiitaran’ny Filazatsara izany fanenjehana tsy maintsy nosetraina izany.

Fa raha ny Perikopa voalahatra amin’izao volana Aogositra izao no raisina, inona avy ireo endrika isehoan’ny herisetra tsy maintsy toherin’ny Fiangonana? Ny Testamenta Taloha no horaisina hamaliana izany.

1 Samoela 22,11- 23: Ny herisetra dia miseho amin’ny endriky ny fanaparam-pahefana ataon’ny mpitondra eo anoloan’ny fijoroana amin’ny fahamarinana toy ny fanomezan-tsiny nataon’i Saoly Mpanjaka tamin’i Ahimeleka. Mitondra ho amin’ny fandringanana ny fankahalana, ka na ny fankahalana na ny fandringanana ho faty dia samy fisehoan’ny herisetra izany.

2 Samoela 3, 17- 29:Ny Herisetra dia miseho amin’ny fivadiham-pitokisana, toy ny nataon’i Abnera tamin’i Davida, ka nampahafantarin’i Joaba azy (and.22- 25). Mody manao soa nefa mamela-pandrika haminganana ny hafa.

Mpitsara 19, 22- 30: Herisetra ara-nofo no voalaza eto. Ny Tompontany, ny Mponina tao Gibea, nanao an-keriny ny mpivahiny tsy manana izay trano hivahinianany akory. Fa ankoatr’izany, azo heverina ve fa miteraka herisetra ara-moraly ny haratsian-toetry ny rahalahy izay tsy mandray ny rahalahiny. Tananan’ny Zanaky i Israely avy amin’ny fokon’i Benjamina ity tanana idiran’ilay Levita mpivahiny ity, izay Zanak’Israely rahateo. Mpirahalahy tsy afa-mifamonjy. Ohatra, tsy hampahory ny fo ve ny haheno fifamonoan’ny samy mpiray tanindrazana? Endriky ny herisetra ihany koa ny fanaovana firaisana ara-nofo tambabe (and. 22- 26)

1 Mpanjaka 21, 7- 19: Ireto no endriky ny herisetra eto amin’ity Perikopa ity: Herisetra ny tolon-tsain’ny vady izay manolo-tsaina ny andefimandriny hanao ratsy. Herisetra ny fakana an-keriny ny fananan’ny hafa na amin’ny endrika inona na amin’ny endrika inona. Herisetra ny fandatsahan-dra mba handraisana tombontsoa manokana.

Ho lavitry ny herisetra anie ny zanaky ny FJKM no tsy ho mpanao herisetra ihany koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV