SP 10/ AFF

SP ANTANANARIVO ANDREFANA (SP10)

Asa Fitoriana  ny Filazantsara 

Hitory Filazantsara any Ambovombe Kristy Rano Velona

Nanatanteraka Komity Lehibe ny AFF SP Antananarivo Andrefana ny Sabotsy 17 Febroary 2018 tao amin’ny FJKM Andohatapenaka Fifankatiavana. Ankoatra ny tatitra samihafa dia nisongadina ny fandaminana asa amin’ny fanatanterahana ny vina manao hoe “Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara”.

Araka izany dia mitohy hatrany ny tafika masina isam-bolana ataon’ny isa-pitandremana ary tsy mitsahatra manome fampiofanana momba izany ny Biraon’ny AFF SP-10 ka efa maro ny “Vondrompiaramivavaka” tafatsangana sy ny Fiangonana niorina vokatr’izany.

Tanjona rahateo ny mba ho tonga 200 ny Fiangonana ato anatin’ny Synodamparitany Antananarivo Andrefana amin’ity taona 2018 ity. Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny AFF SP-10 sy ny Evanjelistra an-tanàn-dehibe ary ny Campus pour Christ na eo amin’ny fanomezana fiofanana na eo amin’ny firotsahana mivantana amin’ny asa fitoriana miafara amin’ny fitsanganan’ny Fiangonana. Manantena ireo telo tonta ireo fa hisy mpiantafika maherin’ny 2000 hiara-miasa ho amin’ny tafika masina goavana hotanterahina tsy ho ela eny amin’ny faritra iva toa an’Andohatapenaka, Ankazomanga, 67Ha sy ny sisa.

Tena goavana izany asa izany, hoy ny Filohan’ny AFF SP-10 Atoa RAVELOSOA Andriamamonjy Nomenjanahary Mickaël, Mpitandrina, satria mahazo vahana eny amin’ireny faritra ireny ny silamo amin’izao fotoana izao. Fa mbola miitatra lavidavitra kokoa ny asa, araka ny fanazavana ihany, ka voapetraka ihany koa ny fandaminana rehetra hoentina mitory ny Filazantsara any amin’ny Synodamparitany Ambovombe Kristy Rano Velona.

Tafiditra ao anatin’ilay tetikasa C407 izy io, dia ny fananganana Fiangonana any amin’ireo Kaominina miisa 407 mbola tsy misy Fiangonana FJKM. Hiara-miasa ho fanatanterahana izany ny Fitandremana tsirairay, ny mpiray Lohavolana ary AFF SP-10 sy ny AFF Foibe.

Niry RAKOTO (Santatra Fahazavana)

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV