Sekoly Alahady/150 taona

Fanokafana taon-Jobily faha-150 taona SA

« Fa hatry ny fony vao zaza ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina,…dia ampianaro tsara ny zanakao izany » II Tim.3/15a, Deo 6/ 7a.

Ny Fihaonamben’ny Mpampianatra SA manerana ny sahan’ny FJKM rehetra, dia atao any Moramanga ny Alarobia 19 Aprily manomboka @ 08 ora ka hatramin’ny Zoma 21 Aprily 2023.

Toy izao kosa no tsara ho fantatra momba ny FANOKAFANA TAON-JOBILY Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-150 SA

  • Fotoam-panokafana: Zoma 21 Aprily 2023 any Moramanga hatrany.
  • Ny Fanompoam-pivavahana @ io dia ialohavan’ny DIABE mamakivaky tanana, miainga @ ireo Ivontieram-piofanana rehetra.
  • Ho mariky ny fiombonana sy ho fijoroana.ho vavolombelon’i Kristy, dia samy hiezaka hanao Fanamiana mitovy isika rehetra raha azo atao: Polo misy logo faha-150 taona SA ny ambony, ary matroka ny ambany, na Robe polo misy ny logo faha-150 taona.
  • Ny Mpitandrina rehetra kosa dia hiomana.@ Akanjom-panompoana sy zioga mena.
  • Aoka samy hiomana @ Banderole ny isan-tSynodamparitany sy isam-pitandremana.
  • Hisy noho izany ny fivarotana Polo sy robe polo miaraka @ Depliants ahitana ireo programa mandritra ny Taon-Jobily sy tsangambaton’izany, Articles de Souvenir : Stylos, Porte Cle, Boky tantaran’ny SA, Depliants fitaizana samihafa, Lambaoany, …sns.

Koa ho antsika Mpampianatra SA rehetra manerana ny Nosy sendra mandalo mialoha eto tana sy ho antsika eto Antananarivo sy ny manodidina, dia ampahafantarina sy entanina manokana, fa azo atao tsara ny mandray mialoha ireo articles rehetra ireo ao @ FJKM Andavamamba Kristy Velona, indrindra momba ny Polo, ny Alakamisy 13 Aprily na ny Alatsinainy 17 Aprily @ 9-12 ora antoandro.
Toy izao ary ny vidin’entana:

  • Polo: S, L, M 25 000 ar
  • Polo: XL miakatra 27 000 ar
  • Robe Polo: 30 000 ar
  • Lambaoany: 30 000 ar
  • Depliants: Programa mandritra ny Taon-Jobily sy Hetsika rehetra 2 000 ar.

Ankoatr’ireo dia misy ny sangan’asa novokarin’ny Mpiara-miasa toy ny:

  • Boky tantara SA nanomboka tany ampitan-dranomasina ka h@ Vanim-potoana faha- FJKM: 4 000 ar
    -Depliants misy fampianarana fohy mivoaka isam-bolana toy ny hoe: Ny LGBT manoloana ny fanambaran’ny Soratra Masina, …sns.
    Hisy ampahany fanohanana ny taon-jobily.

Ampiomanina koa isika rehetra fa hisy ny fandraisana fanomezam-pitiavana isam-batan’ olona araka ny fahafaha-manao nitahian’Andriamanitra antsika ho amin’ny Tsangambato faha-150 taona ( Ivon-toerana SA eny Ivato), ka ahazoana Certificat manokana.

Ireto no Laharan-tari-by azo antsoina: Mme Voahangy: 0347433479, Pasteur Sabine Rarivoarisoa: 0345459441.

NB: Efa mandeha amin’ny Radio Fahazavana sy ny TVM ary ireo haino aman-jery samihafa ny Fandaminana ankapobeny, koa manasa antsika mba hanaraka izany.

Ny Komity

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV