Alahadin’ny SFL 2023

SAMPANA FIVONDRONANA LAIKA

HAFATRA SFL

ALAHADY 16 JOLAY 2023


Ry Laika Malalan’i Jesoa,
Ho aminareo mandrakariva anie ny Fahasoavana sy ny Fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika.
« Lehibe ny asan’i Jehovah ka dinihin’izay rehetra mankasitraka Azy «  Sal 111,2
« Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? 
» Mat 5,47b

Izany teny fanevan’ny Centre d’Accueil SFL izany, no entinay miarahaba anareo Laika tsy
ankanavaka. Isaorana ny Tompo fa afaka miasa ho Azy isika mandritra izay herintaona izay.

  • Vitantsika ny Fihaonambe tany Fénérive- Est ny volana Aogositra taona 2022 izay azo
    ambara fa nahitana fahombiazana tanteraka, nisy ny fanofanana loharanom-bola
    maharitra ho an’ny VFL , izay hanentanana ny VFL tsirairay hanangana izany.
  • Tanteraka soamantsara ny Komity Foibe SFL, natao tany Ampefy, ny volana Febroary
    taona 2023.
  • Miisa 49 ny VFL voatsangana sy voatokana teto Madagasikara, ary efa misy ireo eo
    ampiomanana hanangana izany, na ny eto an-toerana, na ny any ivelany.
  • Navoakantsika ny Boky “ETIKA” edisioana faharoa ho an’ny Laika, sy ny vokatra vaovao
    “KARATRA ALIM-PIAMBENANA “, azontsika jifaina ao amin’ny Foibe Laika Varavarana
    502.
  • Nahazo TANY Mirefy 3600 m2 ao Mangarivotra Mahajanga ny SFL hananganana “Centre
    d’Accueil “ ary efa voapetraka ny vato fototr’izany tamin’ny volana Aprily lasa teo.
    Misaotra anareo VFL ny amin’ny fanohanana ny Asa, ny amin’ny Boatin-drakitra, ary
    mampahatsiahy ireo izay mbola nanadino namerina izany.
    “Miasà, Mahereza, Mifanompoa”
    Raha atao bango tokana, dia miasa ny SFL miaraka taminareo VPL sy VFL rehetra.

Irinay ny mbola hihoatra noho ny teo aloha anefa ny fiaraha-miasantsika; araka ny teny
fanevantsika hoe « Inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? » Mat 5,47b
Koa manantena antsika VPL, VFL izay afaka manangana Bungalow iray amin’ilay Centre
d’Accueil. Mino izahay fa tsy antso an’efitra izao ataonay izao fa hanohina ianareo.
Ampahatsiahivina ihany koa isika fa tokony hanana Loharanom-bola maharitra ny VFL tsirairay.
Entanina ihany koa ny VFL efa mijoro mba hanangana VFL iray hafa (raha mety dia ao amin’ny
SP misy antsika). Hivoaka tsy ho ela ny Boky torolalana momba ny fananganana VFL.
Hafarana ihany koa isika hanefa ny Adidy sy handrotsaka ny Rakitra aorian’ny Alahady 16 Jolay
2023

  • Akaiky ny fifidianana eto amin’ny firenentsika; entanina isika hitondra am-bavaka hatrany mba hisian’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenentsika. Ao anatin’izany ihany koa no hanatanterahan’ny Laika tsirairay ny vavaka 24/24 ora ka amin’ny 2 ora -3ora ny anjarantsika. Farany, miomàna dieny izao fa ny 8,9,10,11 Aogositra 2024 ny Fihaonambe sy Zaikabe SFL ho tanterahina any Toliara (SP33).
    Mahereza ry Laika rehetra fa antom-pisiantsika ny mijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy
    Tompontsika amin’ny alalan’ny asa.Mametraka ny veloma finaritra, mahefà be amin’ny asan’ny Tompo.

Ary izaho kosa haneho aminao ny finoako amin’ny Asako”Jak 2,18 b
Amin’ny anaran’ny Birao Sampana Fivondronana Laika


Ny Filoha

RAMANANA Fiainantsoa

Ny Tonia
RAJAONAH Dina Herilalaina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV