Alahadin’ny SVM /2023

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 25 Jona 2023

Feonjavamaneno fidirana

Fiarahabana Apostolika 1Tes 1d

Foderana an’Andriamanitra

Hira fanampiny 7

Vavaka fiderana

TENIN’ANDRIAMANITRA

Fotoana ho an’ny ankizy sy ny tanora

Hira 813.6

Hira 469.1,3

Vavaka

Vakiteny Deo 29.1-5 / Mar 9.14-29/R om 14.13-23

Hira FF47.2

TORITENY

Vavaka setrin’ny Tenin’Andriamanitra sy fifonana

Hira 412.2

Famelankeloka atolotr’Andriamanitra :Jao 3.16-17

« sambatra ny olona izay voavela ny helony … »

Hira 499.2

Fanambarana ny finoana :Lah 4

Feonjavamaneno fohy

Raharaham-piangonana

Rakitra

Hira 29 (Fih SVM) na Sampana VokovokoManga

Fanolorana ny RAKITRA

ASA VAVOLOMBELONA

Vavaka fangatahana + Rainay…

Hira FF1.1,2

Tsodrano

Hira FF 1.3

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary Fanahy Masina

HAFATRA

Ry havana malala,
«Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy; ary avy
amin’ny Fanahy fito izay eo anoloan’ny seza fiandrianany; ary avy amin’i Jesoa Kristy, Vavolombelona marina sy Lahimatoa amin’ny maty ary Lehiben’ny mpanjaka amin’ny tany.» (Apokalypsy 1: 4, 5).
Misaotra an’Andriamanitra Tompon’ny tantara isika, raha nanehoan’ Andriamanitra ny fitantanany, ka
mahatratra indray izao Alahady Manga 2023 izao. Mandia ny taona farany alohan’ny fanavaozana
tompon’andraikitra isika, ka manao tombana ny asa vita tao anatin’izay efatra taona izay, ary miomana indray ny amin’ny hanohizana ny asa amin’ny fametrahana ireo vina sy tetikasa voarafitra tsara miainga amin’izay efa lasa any am-pelantanantsika. Araka izany, mamaramparana ny fiainana ilay teny faneva hoe : «Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo» (Jaona 8: 36) isika. Mila mamoaka tarehimarika isika : firy ny voageja nahazo fahafahana isan-taona, nandritra izay fe-potoam-piasana izay. Tsarovy mandrakariva fa tsy amin’ny herintsika sy ny fahaizantsika no hanatanterahana izany, fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra Mpanafaka irery ihany. Efa any am-pelantanantsika ny vinan’ny Sampana Vokovoko Manga hatramin’ny taona 2025, izay misy tanjona valo. Miainga amin’iny ny fandrafetana ny tombana ataontsika.Ampahatsiahivina antsika rehetra ny fanatanteraha ny vinan’ny FJKM hanorina Fiangonana FJKM amin’ireo .Kaominina tsy mbola misy izany, dia ny fanorenana trano fiangonana vaovao any Ambatolahy –Antanifotsy no anjarantsika. Vita hatreo amin’ny fametrahana hazon’ny tafo izy ankehitriny; nefa kasaina hotokanana amin’ny 08 Desambra 2023 . Mbola adidy miandry antsika rehetra ny famitana azy tanteraka alohan’io fe-potoana io : ny tafo fanitso sy ny varavarana rehetra, ny dallage sy ny loko, izay kasaina ho vita avokoa alohan’io Fitokanana io.
Ankoatra ny ezaka efa ataontsika amin’ny fitoriana ny Filazantsara, hanafahana ny olona amin’ny ratsy rehetra, indrindra ny fidorohana zava-mahadomelina, dia mihasarotra ny vanim-potoana diavintsika ankehitriny amin’ity ady amin’ny zavamahadomelina ity. Mirongatra ary mandripaka tanora tsy misy toy izany ny fiparitahan’ny héroïne na ny “rôrô” ankehitriny. Handray ny andraikiny ny fanjakana, fa misy ny azontsika atao avy hatrany dia ny manara-maso ny zanatsika sy ny mpiray tanàna amintsika sao efa misy diam-panjaitra ny sandriny. Aza andrasana efa lasa adala ireo tanorantsika vao ho taitra isika. Ezahana ny famoahana lahatsoratra ao amin’ny gazety “MPANARATO” vokarintsika Sampana Vokovoko Manga, izay mivoaka isan-telovolana, hanafainganana nyady amin’ity “rôrô” ity. Miankina amin’ny filàn’ny isam-pitandremana ny isan’ny hatonta, ka inoanay fa hampitombo izay ilainy isika hampielezana haingana ny fanentanana sy ny fandraisana andraikitra amin’ity ady goavana ity. Fa entanina isika mpikatroka sy ny SVM Fitandremana handefa vaovao, na hizara traikaefa, na hanoratra fanentanana (teny fanentanana, hira, tononkalo, tantara fohy,…), mba hanoratra amin’ny tompon’andraikitry ny gazety.
Efa renay sy hitanay ny ezaka lehibe ataonareo Sampana Vokovoko Manga any amin’ny Fitandremana sy ny Synodamparitany sasany mamokatra ireo fitaovana hijoroana ho vavolombelona toy ny Raki-kira Vokovoko Manga, Ivotoerana fihainoana (centre d’écoute) , trakitra sy dépliant. Renay koa ny fitoriana Filazantsara ankalamanjana (filaharambe sy Tafika Masina) ataon’ny Sampana Vokovoko Manga isan-tSynodamparitany. Antenaina fa hihatsara sy hiroborobo haingana izany, satria efa misy rahateo ny vina sy paikady avoakan’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe.
Hiatrika FIHAONAMBE any Toliara isika amin’ny 08 – 11 Aogositra 2023 izao. Hiomana amin’izany ny isan-
tSynodamparitany satria solontena iray isaky ny taranja isan-tSynodamparitany no hifaninana any amin’ny
Fihaonambe. Hisy Tafika Masina hatao any Toliara sy ny manodidina alohan’io Fihaonambe io, dia ny 05 sy 06 Aogositra 2023. Ny fiofanana Tafika Masina hiatrehana izany dia hatao ao amin’ny Akany Andravoahangy Fivavahana (Antananarivo) ny Talata 18 sy 25 Jolay 2023 aorian’ny Fanompoam-pivavahana fanao isaky ny Talata manomboka amin’ny 12 ora sy sasany. Ny fiofanana farany sy fandaminana dia hatao any Toliara ny 04 Aogositra 2023.Miainga 03 Aogositra 2023 eto Antananarivo ny mpiantafika rehetra, ankoatra ireo any an-toerana sy ny amin’ny lalana mankany Toliara. Ny dinidinika mikasika ny Fihaonambe dia ho hitantsika ato anatin’ity Fandaharana Alahady Manga ity.
Tsy hadinonay ny mampirisika hatrany ny isam-pitandremana hampiasa ny “Divaim-pandraisana” vokarin’ny Sampana Vokovoko Manga FJKM. Hamafisina hatrany fa efa nahazoana alalana tamin’ny Fanjakana (tamin’ny alalan’ny Ministera miandraikitra ny fanjifana) ny fahazoana manaparitaka izany. Raisinay izay tsikera mety hisy amin’ny fampiasantsika izany, ahazoana manatsara hatrany ny famokarana azy, fa tsy ho tonga any amin’ny tsy fampiasana azy ny olana madinidinika mety hisy.
Mampahery antsika Kristiana rehetra amin’ity « Alahady Manga » ity. Mihasarotra ny asantsika noho ny
fiparitahan’ny rongony mahery vaika eto amin’ny firenentsika. Vao mainka manosika antsika hiasa bebe kokoa izany. Natao alohan’ny Fetim-pirenena hatrany moa izy ity, hampahatsiahivana ny Malagasy fa azo atao tsara ny mankalaza fety tsy misy zava-mahamamo sy zavamahadomelina; ary amin’ity taona 2023 ity dia efa ao anatin’ny fety mihitsy ny Alahady Manga . Ampahatsiahivina hatrany koa fa isika Kristiana rehetra no haneho ny fahatsaran’izany fifadiana zavamahadomelina izany, fa tsy ny mpikatroka Vokovoko Manga ihany. Tandrovintsika mandrakariva ny maha tempolin’Andriamanitra ny tenantsika, ka isika Kristiana (indrindra ny tanora Kristiana) no vavolombelona manaja izany voalohany, ary sahy mijoro halain-tahaka, araka ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’iTimoty hoe : « … aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana. » (I Timoty 4 : 12).

Ho aminareo mandrakariva anie ny Tompo !


Ifanomezantsoa faha 30 Avrily 2023

Ny Filoha

RANAIVOARISOA Tiarison, Mpitandrina

Ny Tonia

RAKOTOARIMANANA Ndriamanantena, Mpitandrina

RAKOTOARIMANANA Ndriamanantena,
Mpitandrina

TORITENY


METEZA AHIAN’ANDRIAMANITRA

«Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa

Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.» (Deoteronomia 29 : 5)

Mahalasa saina ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy hoe : «Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay
hohaninareo na izay hosotroinareo…Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay?
» (Mat.6 : 25a, 31). Mivoaka mbola maizimaizina ny olona maro, ary mody efa maizimaizina isan’andro mikaroka izay hohanina sy hosotroina, ary tsy mety afa-po, tsy mety mitsahatra mihitsy. Rehefa ambara io tenin’ny Tompo io dia betsaka no miteny hoe : «Dia hipetraka hivavaka fotsiny izany, dia mihinan-kanina ?».Tsy mipetra-potsiny fa mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany, na mametraka an’Andriamanitra ho anton’ny fiainana manontolo. Izany mihitsy no hafatra lehibe amin’izao fampahatsiahivana ny fitantanan’ Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tany an’efitra izao eto amin’ity Deo.29 ity. Raha atao indray mijery ity Deo.29 ity dia misy hevitra telo lehibe : Fampahatsiahivana ny fiahian’Andriamanitra ireto Zanak’ Isiraely (and.1 – 8); fanentanana hifehy tena hankato ny fanekena (and.9 – 15); izay mifarana amin’ny fampitandremana mba tsy ho tratry ny ozon’ny fanekena (and.16 – 29). Ao anatin’ilay fampahatsiahivana ny fiahian’ Andriamanitra ny olony no misy ity andinin-tSoratra Masina hitondrana ny hafatraamin’izao Alahady Manga izao ity hoe : «Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.» (Deo. 29 : 5). Hafatra roa no hifampizarantsika avy amin’izany :

  1. VOKISAN’ANDRIAMANITRA ARAKA NY SITRAPONY NY OLONY
    Hoy ny voasoratra eto : «Tsy mofo no fihinanareo». Ny DIEM dia nandika azy ity hoe : «Tsy mofo mba
    nohaninareo»
    . Ny foto-tsakafon’ny Zanak’ Isiraely dia mofo vita tamin’ny kobam-bary; fa tsy nahita izany izy ireo nandritra ny fotoana nivezivezeny tany an’efitra 40 taona, nefa dia velona soa aman-tsara. Io no nahatonga ilay“mba” araka ny dikanteny tao amin’ny DIEM. Velona 40 taona tokoa izy ireo satria novokisan’ Andriamanitra ny sakafo mivantana avy tany Aminy, dia ny “mana” izany . Te hampahatsiahy Andriamanitra fa na tsy nihinana izay nahazatra aza, dia velona hatrany satria novokisan’ Andriamanitra. Efa nampahatsiahivina ao amin’ny Deo.8: 3 ity famelomana tsy tamin’ny mofo mahazatra ity : «Dia nampanetry tena anao Izy ka namela anao ho noana, dia nanome anao ny mana hohaninao, izay tsy fantatrao na ny razanao, hampahafantarany anao fa tsy mofo ihany no
    iveloman’ny olona; fa izay rehetra aloaky ny vavan’i Jehovah no iveloman’ny olona.»
    (Deo.8: 3). Ambara eto izany fa avy amin’ny vavan’i Jehovah, tahaka ny renivorona mamahana ny zanany, no namahanany sy namelomany ny Zanak’ Isiraely. Tsy mba fotoana fohy, na andro vitsy, na taona roa na telo no niantohan’ Andriamanitra ny nohanin’ireto Zanak’ Isiraely ireto; fa 40 taona be izao no namahanany azy ireo ny sakafo nokarakarain’ Izy Andriamanitra mivantana, izay nangonina fotsiny ary tsy mila nahandroina na noketrehina intsony, fa avy hatrany dia azo nohanina.
    Milaza izany fa afaka mamelona avy hatrany amin’ny sakafo karakarainy Izy Andriamanitra. Efa nasehony tamin’i Elia mpaminany izany: Rehefa nandeha lalana indray andro tany an’efitra i Elia dia vizana, ka nandry teo ambanin’ny anjavidy anankiray. Dia nanamboaran’ Andriamanitra mofo voaendy tamin’ny vato mahamay sy rano iray tavoara i Elia. Indroa no nikarakaran’ Andriamanitra izany ho an’i Elia, ka tamin’ny fanindroany namohazan’ny anjely azy dia nolazainy mazava hoe : «Mifohaza, ka homàna, fa lavitra loatra ny halehanao» (IMpa. 19 : 7b). Ny nahazendana dia nahazoan’i Elia hery sy tanjaka nandehanany efapolo andro sy efapolo alina izany hanina indroa nokarakarain’ Andriamanitra izany. Tena mahagaga izany fa mofo roa sy rano roa tavoara nonahavelona sy nahazoana hery nandehanana nandritra ny fotoana ela (40 andro sy 40 alina). Izany no sakafokarakarain’ Andriamanitra mivantana, sy amokisany ny mpanompony: mitondra hery mahagaga.Ry havana malala ao amin’ny Tompo, intelo isan’andro isika no mikarakara sakafo sy misakafo. Araka izany,hery entintsika mandeha sy miasa tapak’andro fotsiny no azontsika amin’ny sakafo karakaraintsika indray mandeha. Teo amin’ny tantaran’ny Zanak’Isiraely anefa, araka io voalaza io, dia sakafo nahavelona azy ireonandritra ny efapolo taona no natolotr’ Andriamanitra. Ho an’i Elia mpaminany manokana dia sakafo nahavelona sy nanome tanjaka azy efapolo andro sy efapolo alina no natolotr’ Andriamanitra azy. Raha manaiky hanao ny sitrapon’ Andriamanitra isika dia vokisan’ Andriamanitra sakafo araka izay ankasitrahany. Azo iainana soa aman-tsara izany ilay tenin’ny Tompo hoe : «Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na iza yhosotroinareo». Manana sakafo izay karakarainy sy azony atolotra mitondra hery mahagaga sy mahavelona maharitra Andriamanitra. Izy Andriamanitra no mikarakara izany mivantana sy manolotra izany ho an’ny mpanompony manao ny sitrapony. Tsy tokony hanahy izay hohaniny mihitsy ny olon’ Andriamanitra, fa manana izay hafahany azy Andriamanitra. Tsy voatery ho hanina mahazatra sy tsy maintsy karakaraina ary tsy maintsy tenehina izany, fa hanina araka ny sitrapon’ Izy Andriamanitra. Ny miankina amin’ Izy Andriamanitra sy matoky ny fiahiany no andrasana amintsika, dia hasehon’ Izy Andriamanitra izany famokisana mahagaga izany.

2-AMPISOTROIN’ANDRIAMANITRA ARAKA NY SITRAPONY NY OLONY
Tsy mba rano mahazatra tahaka izay fahitantsika sy fisotrontsika isan’andro no nosotroin’ireto Zanak’ Isiraely ireto, fa “divay na toaka” izay sakafo karakarain’izy ireo. Rano misy alikaola na zava-mahamamo avokoa ireo fisotron’ny Zanak’ Isiraely ireo; ary azo ambara fa nisahiranana sy nandaniana fotoana mihitsy ny fikarakarana azy.Fa nandritra ny efapolo taona nivezivezen’ireto Zanak’ Isiraely ireto tany an’efitra, dia mazava tsara ny fampahatsiahivana eto : « tsy divay na toaka no fisotronareo». Tany an’efitra maina tsy misy rano; toerana tsy anantenana hahitana rano mihitsy no nisy ireto Zanak’ Isiraely ireto. Raha te hisotro rano izany dia ny fiankinana sy ny fitalahoana amin’ Andriamanitra ihany no vahaolana. Tsy nitalaho tamin’ Andriamanitra anefa ireto Zanak’ Isiraely tany an’efitra ireto rehefa nangetaheta, fa nimonomonona tamin’i Mosesy sy Arona ilay nitondra azy ireo niala tany Egypta ho any an’efitra. Io tsy manana iantorahana afa-tsy amin’Izy Andriamanitra io mihitsy no fitaizana tian’ Andriamanitra hatao amin’ireto Zanak’ Isiraely ireto. Raha mbola mahita vahaolana araka ny sitrapony manko ireto olona be monomonona ireto; tsy hitady an’ Andriamanitra izany mihitsy.
Araka ny Nom.20: 1 – 13 dia niangona ny Zanak’ Isiraely ary niodina tamin’i Mosesy sy Arona rehefa tsy nahita rano hosotroina. Dia niteny tamin’i Mosesy izy ireo hoe: « Inay anie izahay mba maty tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’i Jehovah! Fa nahoana no nitondra ny fiangonan’i Jehovah ho amin’ity efitra ity hianareo, mba hahafaty anay sy ny ombinay eto?» (Nom.20: 3 – 4). Lalan-tokana ihany no vahaolana dia ny fiantorahana amin’i Jehovah Andriamanitra. Izany rahateo no tian’ Andriamanitra hatao amin’ireto Zanak’ Isiraely ireto, araka ny teniny eto hoe : « mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo ». Dia nanome vahaolana tokoa Andriamanitra, ka hoy Izy tamin’i Mosesy rehefa nanatona Azy teo amin’ny tranolay fihaonana: « Alao ny tehina, ka vorionao sy Arona rahalahinao ny fiangonana, ary mitenena amin’ny vatolampy eo imasony, dia hampiboiboika ny ranony izy; ary hampivoaka rano ho an’ny olona avy amin’ny vatolampy hianao, ka
dia hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.»
(Nom.20: 8). Dia nataon’i Mosesy tamin-katezerana tsy nanaraka ny toromarik’ Andriamanitra izay nasaina nataony; ka tsy Andriamanitra no hamoaka rano avy amin’ny vatolampy, fa i Mosesy sy Arona araka ny teniny hoe : « Mihainoa, ry mpiodina: Moa amin’ity vatolampy ity va no hampivoahany rano ho anareo?» (Nom.20: 10). Manaraka izany, nokapohiny indroa ny vato noho ny hatezerany.
Nahazo rano ny Zanak’ Isiraely sy ny biby fiompiny, fa voasazin’ Andriamanitra i Mosesy ka tsy afaka nitondra ny Zanak’ Isiraely ho any amin’ny tany Kanana. Nomen’ Andriamanitra rano madio nivoaka avy amin’ny vatolampy ny olony, fa tsy rano namboarina sy mahamamo.
Teo amin’ny Zanak’Isiraely, raha misy olona “hitokana ho an’i Jehovah”, dia mifady divay sy toaka izy
(Nom.6: 2, 3). Tsy afaka miaraka ny faniriana ho masina ho an’Andriamanitra, sy ny fankafizana divay sy toaka.
Izany no nahatonga ny Apostoly Paoly hiteny hoe : «Ary aza ho mamon-divay hianareo, fa amin’izany dia misy fanaranam-po amin’ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy» (Efe.5 : 18). Rano madio, tsy misy fangarony, tsy mila fikarakarana manokana sy maharitra, fa avy hatrany dia sotroina no natolotr’ Andriamanitra nandritra ny fotoana elaela. Raha izany, ny olon’ Andriamanitra rehetra dia tsy misotro divay na toaka, fa rano madio nokarakarain’ Andriamanitra ihany.
Maneke amin’ny finoana ho ahian’ Andriamanitra, ka vokisan’ Andriamanitra hanina araka ny sitrapony, ary omeny rano fisotro madio atolotr’ Andriamanitra araka ny fahariany sy ny fikarakarany. Mazava ny tenin’Andriamanitra ho an’ny olona ahiany : «Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.».
Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny voninahitra . Amena.

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV