Alahadin’ny FFP/ 2023

FANDAHARANA IOMBONANA

Alahady 24 septambra 2023


SAMPANASA FIKAROHANA
SY FANDALINAM-PINOANA (FFP
)

Izany no voasoratra,fa Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty
amin’ny andro fahatelo ,ary mba ho torina amin’ny anarany ny
fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra ;
manomboka eto Jer
osalema; ianareo no vavolombelon’izany…”
( Lio. 24 46-48 )

Adiresy Sampanasa FFP :
Varavarana 504, Rihana faha-5, Trano Ifanomezantsoa FJKM Analakely
BP 623 – ANTANANARIVO (101)
e-mail : ffpfjkm@gmail.com
Tel.– 034 20 633 70 (HB)
Kaonty Banky : Centre de Recherches Catéchétiques (FFP)
N° 21000 163978-91 BFV SG Analakely – Antananarivo

……………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………………….

Feon-kira

 Hira fanentanana Hazakazaka masina ”Andeha isika hiaraka”

FIARAHABANA APOSTOLIKA

FIDERANA SY FISAORANA AN’ANDRIAMANITRA

o APO. 15 3b,4 / Hira HF 9/ Vavaka

Feon-kira

TENIN’ANDRIAMANITRA

o 5min SSA: Hira 786 4 + fampianarana

o Hira 313 1,4

o Vavaka sy Vakiteny :

 Sal.105. 1 – 6

 Lio.24.44 – 49

 Asa 11. 19 – 26

 Ray Masina ô!….

o Hira HF 24 2

o TORITENY

VAVAKA FANGATAHANA + Rainay….

FANAMBARAM-PINOANA: FANEKEM-PINOANA (lah.4)

ASAN’NY FIANGONANA:

o Raharaha + fanentanana

o Rakitra: Hira antokom-pihira na H.306

o Fanolorana ny rakitra: Vavaka

ASA VAVOLOMBELONA

o Famakiana ny hafatra avy amin’ny FFP FJKM

o Filazana momba ny FFP

 FAMARANANA

o Hira HF 1 1 /Tso-drano /Hira HF 1 3

Trinite

Feon-kira

SOLI DEO GLORIA

HAFATRA

(Ho vakina ny Alahady 24 Septambra 2023)

Ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoaka Kristiana manerana ny sahan’ny FJKM

Ry Havana malala,

Ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavan’ny Tompo. Amena

Amin’ny fifaliana ry havana no iarahabanay Birao sy Komity anareo mpianakavin’ny finoana manerana ny sahan’ny FJKM noho ny nahatrarantsika ity Alahady faha-24 septambra 2023, Alahady natokan’ny FJKM ho Alahady hitondrana am-bavaka ny Sampanasa Fikarohana sy Fandalinam- pinoana (FFP) FJKM sy hanohanana azy ity izao. Ny lohahevitsika FJKM tamin’iny volana Aogositra lasa teo iny hoe “MIJOROA AMIN’NY FINOANA”. Zava-dehibe ny nandinihantsika iny lohahevitra iny satria tena ilaina ny hijoroantsika Kristiana FJKM amin’ny FINOANA, indrindra manoloana ny fisian’ireo karazam-pampianarana samihafa miely etsy sy eroa ankehitriny ka mety hampihozongozona ny finoantsika. Ny Tompo mantsy dia efa niteny tamin’ny alalan’ny Apostoly Paoly fa any am-parany any dia “hihemotra amin’ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia” (1Tim.4.1). Miaina tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny andro farany isika ankehitriny ka aoka samy hitana tsara sy hiorina tsara ary hijoro tsara amin’ny finoana efa noraisintsika isika rehetra, mba tsy ho isika anie no anisan’izay hihemotra amin’ny finoana. Ataovy ho zava-dehibe hatrany ny mandalina ny Soratra Masina eo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina miaraka amin’ny vavaka mba hitomboantsika amin’ny fahalalana izay inoantsika ka hitenenantsika tahaka an’i Paoly Apostoly hoe:” Fantatro izay inoako” (2Tim.1.12), “ny marina amin’ny finoana ihany mantsy no ho velona” hoy ny Teny nampilazaina ny mpaminanyHabakoka (Hab.2.4b) Amin’ny maha alahadin’ny FFP ny alahady anio dia indro ny fandaharana izay anehoantsika ny fiombonantsika, ka aoka mba samy hanaraka izany. Amin’izany no anentanana antsika hitondra am-bavaka ireo asa sahanin’ny FFP FJKM toy ny fandrafetana ny Perikopa FJKM sns… Ento am-bavaka mba hivoaka soamantsara ny Boky Katekisma “Tompoko sy Andriamanitro” edisiona faharoa amin’ny endrika fanontaniana sy valiny ary ny Tantaran’ny FFP izay samy eo am-panoratana izany ankehitriny. Etoana dia raisinay ho adidy ny maneho fisaorana anareo Fitandremana nandefa rakitra tamin’ny taona 2022 ary manentana anareo mba handefa indray ny rakitra aty amin’ny Foibe FFP amin’izao Alahadiny izao hahazoana mampandeha ny asa ho voninahitr’Andriamanitra ilay Tompon’ny asa. Misaotra mialoha ry Havana. Hoy ny Soratra Masina:” Tano ny FINOANA HO AMPINGA” (Efe.6.16)

 Dia mamangy sy manao veloma finaritra anareo amin’ny Anaran’ny Tompo.

Ny Biraon’ny Sampanasa FFP

Ny Filoha,

RAKOTOARISAONA Joseph , Mpitandrina

Ny Tale ,

RABEMANANTSOA Solofo , Mpitandrina

                                                                                            

IREO FIANGONANA NANAO RAKITRA HO AN’NY FFP Taona 2022-2023

SP AFOVOANY ANDREFANA (01)  

FJKM IMERINTSIAFINDRA AMBOHITRANDRIANA 70 900

FJKM ANTANIMARINA FIDERANA 12100

SP ALAOTRA CHROME (03)  

FJKM ZOARA AMBOHIMANDROSO 40 100

FJKM AMBOHITRARIVO 34 000

FJKM AMPAHITANY 5000

FJKM FAMPIHAVANANA BEJOFO 28400

SP AMBALAVAO TSIENIMPARIHY (04)  

FJKM BETELA FANASINA 115500

SP AMBATONDRAZAKA VAOVAO (05)  

FJKM MANAKAMBAHINY FAMONJENA 10 000

FJKM ANDINGADIGANA FANANTENANA 22200

FJKM ANDROMBA EDENA VAOVAO 20 500

FJKM FANAVAOZANA ANDILAMENA (2023) 15 000

FJKM VOHIDIALA 10 000

SP AMORON’I MANIA AMBOSITRA (06)  

FJKM MAROSOA IMADY 18 200

FJKM AMBALAMANANA IARY 1400

FJKM AMBATOMENALOHA 21900

FJKM IARY 3300

FJKM TSARASAOTRA 4100

FJKM SOANAFINDRA 20700

FJKM RANARANA 13400

FJKM IMERINA 14700

SP AMBOVOMBE ATSIMO KRISTY RANOVELONA (07)  

FJKM SALEMA VAOVAO FORT DAUPHIN (2021) 106 200

FJKM SALEMA VAOVAO FORT DAUPHIN (2022) 134 800

SP ANTANANARIVO ANDREFANA (10)  

FJKM FIAKARANA FIDERANA AMBOHITRIMANJAKA 50 000

FJKM ANDRAMAHAVOLA VATO FEHIZORO 317 700

FJKM ANDAVAMAMBA Kristy Velona 30 000

FJKM ANDOHOTAPENAKA FIFANKATIAVANA 56400

FJKM ANTANETY FITAHIANA 161 500

FJKM AMBININTSOA FITAHIANA 16 800

FJKM AMPARIBE FAMONJENA 200 000

FJKM ANOSIPATRANA 300 000

FJKM AMBOHIJAFY FANANTENANA 50 000

FJKM SALEMA VAOVAO 67 HA 20000

FJKM ISOVIMASOANDRO FIHAVAOZANA 100 000

SP ANTANANARIVO ATSIMO (11)  

FJKM AMBATOLOKANGA FITIAVANA 11 500

FJKM AMBOHIBORONA FITIAVANA 28 200

Katekista Tontosa (FJKM AMBOHIBORONA FITIAVANA) 10 000

FJKM AMBOHIJANAKA GARA FITIAVANA 148 200

FJKM IFARIHY FAMONJENA 318 600

FJKM AMBOHIPOTSY RASALAMA 210 000

FJKM MAHITSY FEHIZORO 5 000

FJKM MALAZA GILEADA 317 800

FJKM ANTSAHADINTA VAOVAO 5 500

FJKM SOANIERANA 50 000

FJKM ANKADIVORY AMBATOMITSANGANA 13 200

FJKM VONTOVORONA FANANTENANA 80800

FJKM AMBATOMIRAHAVAVY AMBOARA FITIAVANA 26900

FJKM ANKADIMBAHOAKA (2023) 60 000

FJKM IFARIHY FAMONJENA (2023) 113 900

SP ANTANANARIVO ATSINANANA (12)  

FJKM AMBATOROKA FINOANA 310200

FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA 328 000

FJKM ANOSIVATO KANANA 10 000

FJKM AMBATOLAMPY FIAFERANA 15 000

FJKM ANONIMASINA ZIONA 86700

FJKM BETAFO VAVOLOMBELONA AMBOHIMANGAKELY 54 300

FJKM AMBOHIJAFY FITIAVANA 26500

FJKM AMBOHIMIANDRA 150 000

FJKM ANKAZONORINA AMBOHIBATO 89 200

FJKM AMBOHITRANDRIAMANITRA 33 600

FJKM ANKADIVAVALA FEHIZORO 7 700

FJKM TRANOVATO FARAVOHITRA 899 400

FJKM AMBOHIPENO FAMONJENA 15 000

FJKM ANKADINDRAMAMY FAHAZAVANA 60 000

FJKM AMBATOMANGA FIDERANA 34 500

FJKM BETSIZARAINA FINOANA 10 000

SP ARIVONIMAMO VAOVAO (13)  

FJKM IMERINTSIATOSIKA ZIONA FAMONJENA 202400

FJKM AMBOHINIERANA FANANTENANA 49 500

FJKM MANANKASINA FIHAVAOZANA 26 700

FJKM AMBOHIMAHAVELONA 19 200

FJKM MADERA SAKAIZAN'I KRISTY 2300

SP ATSIMON’IARIVO MIRAY (15)  

FJKM AMBOHIBOLOLONA FAHAZAVANA 10 100

FJKM AMPANGABE FAMONJENA 45 200

FJKM TSIAFAHY FIHAVAOZANA 110 100

FJKM MANDROSOA 13 000

FJKM AMBONIRIANA 11 000

FJKM BETELA FAHAZAVANA AMBOATAVO 46 900

FJKM AMBOHITSIMIHOZO 13 000

FJKM ANDRANOMAINTY SALEMA 10 000

FJKM MAHABO 11 400

SP IARIVO AVARADRANO (19)  

FJKM AVARATSENA FANANTENANA 30000

FJKM ANALAMAHITSY 50000

FJKM ANTSAHAMAROFOZA FINOANA 44 800

FJKM FARAVOHITRA AVARATRA FITAHIANA 81 000

FJKM MAMORIARIVO FITIAVANA 23 800

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA 100 000

FJKM AMBOHIPANJA FITIAVANA 128 200

FJKM AMBONDRONA FIRAISANA 50 000

FJKM FONOHASINA FIRAISANA 20000

SP BEMARAHA (21)  

FJKM BETELA VAOVAO MAINTIRANO 72 600

SP MANANARA FIRAISANA (22)  

FJKM ANOSY FITIAVANA 35 100

FJKM AMBOHITSARATANY FANDRESENA 11 700

FJKM AMBOHITSARATANY FANDRESENA 11 700

FJKM AMBOHITSIMIRAY FITIAVANA 5400

FJKM ANTOBY FITIAVANA 23 000

FJKM TSARASAOTRA FAHAZAVANA 16 200

FJKM ANTOKONANA FIFANKATIAVANA 9900

FJKM MASAKALINA FITIAVANA 18500

SP MANGORO MORAMANGA (24)  

FJKM ANALATSARA BETELA 16 600

SP MATSIATRASOA (25)  

FJKM BERAVINA FAHASOAVANA 25 000

FJKM KRISTY FIHAVAOZANA AMBATOTSIDIKAINA 54 300

SP MIARINARIVO FAHAZAVANA (27)  

FJKM SANGANORO FAHAZAVANA 21 800

FJKM ANKOTRABE 5200

SP MIRAY FARITRA ANTONGIL (28)  

FJKM AMBODIMANGA MIRAY 40 000

SP TOAMASINA VAVAHADIN'NY FILAZANTSARA (31)  

FJKM BETELA TANAMBAO V 550 900

FJKM ZOARA ANKIRIHIRY (2021) 45300

FJKM ZOARA ANKIRIHIRY (2022) 46600

SP VONIZONGO VAVOLOMBELONA (35)  

FJKM ANKAZOBE FANDRESENA 99 000

SP AMBATOLAMPY ATSINANAN'ANKARATRA FAHAZAVANA (38)  

FJKM ANDRIAMBILANY FANANTENANA 8300

FJKM VATOVANDANA FIADANANA 7 000

FJKM MANJAKATOMPO 9 700

FJKM FIHAVAOZANA BEHENJY GARA 21800

 Ny Filoha

RAKOTOARISAONA Joseph Mpitandrina

Ny Tale

RABEMANANTSOA Solofo ,Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV