Zoma 20 Janoary 2017

Vavolombelona mahatoky ny Tompo

Matio 17.1-9

Mahatoky ny Tenin’ Andriamanitra

Ny hevitry ny  « mahatoky » dia tsy miova ary azo antoka amin’ny toetrany sy ny fombany . Toy izany ny Tenin’ Andriamanitra.

1-Manomboka amin’ny Soratra masina izany

Rehefa niova tarehy i Jesoa teo anatrehan’ny solotenan’ny mpianatra telo mirahalahy  dia niseho   teo koa i Mosesy sy i Elia . I Mosesy  dia enti-milaza  ny boky dimy , na ny lalàna na ny Pentatioka , antsoina hoe: Boky dimin’ i Mosesy . I Elia kosa dia manambara ny Mpaminany . Ny lalàna sy Mpaminany no isehoan’i Jesoa sady manambara Azy . Ny lalàna sy Mpaminany  izay  tsy hafa  fa enti-miantso ny Soratra masina amin’ny ankapobeny . Azo antoka ny Tenin’ Andriamanitra manomboka amin’ny Soratra masina satria manambara an’i Jesoa Kristy izany .

2-Mihoatra lavitra noho ny fahagagana ny fahitana izany .

Taitra  sady gaga ny mpianatra  ary tamana ka saika hanao lay teo  amin’ny toerana  nosehoan’ny fahagagana. Raha mbola teo am-pitenenanana ny fikasany ny mpianatra (and5) dia takona ilay fahitana fa feo  sy Tenin’ Andriamanitra  no re . Ny Tenin’ Andriamanitra  no mitoetra , fa ny fahagagana sy ny fahitana mandalo . Tsy avelan’ny Tompo hijanona  eo amin’ny fahitana isika , na hitoetra eo amin’ny fahagagana satria ny Tenin’ Andriamanitra no mahatoky , tsy miova ary azo antoka hahalalana  marina  an’i Jesoa ho Zanak’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Inona  no mavesa-danja kokoa amin’ny fampiorenam-pinoana , ny fahitana sa ny fihainoana ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

 

 

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV