Fanazavana Perikopa / Janoary 2017

 Vavolombelona mahatoky ny Tompo.

Tonga indray ny taona vaovao ho fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra manavao ny olona. Hoy tokoa mantsy ny famaranam-pitantarana ny fahariana hoe: “dia nisy hariva, ary nisy maraina” (Genesisy): ny haizina ho amin’ny fahazavana indray. Fa i Jesoa Kristy no fahazavan’izao tontolo izao, koa izay mandray Azy dia omeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra.

Taona vaovao, volana vaovao, lohahevitra vaovao, perikopa vaovao no eo anoloana, ka anolorana tari-dalana.

Amin’ny ankapobeny dia ireto no hevitra tsara ho fantatra amin’izao volana janoary izao: andaniny ny vanim-potoan’ny Fiangonana antsoina hoe: “Epifania”, ary ankilany ny lohahevitry ny volana Janoary hoe: “Vavolombelona mahatoky ny Tompo.” Ireo no toy ny tsatoka manoro lalana ny mpamaky ny perikopa tsy manana hambara.

Ny Epifania dia fotoana isehoan’ny firavoravoana sy fifaliana satria mamangy ny tany ny lanitra. Fotoana anamarihana fa “efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra.” (Titosy 2, 11). Fisehoan’Andriamanitra amin’ny olona izany; ary asan’Andriamanitra irery ihany. Niseho niharihary io fisehoany io tamin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy ho nofo, nateraky ny vehivavy, tena Andriamanitra nefa tonga ho olona. Tonga fantatry ny olona mazava ny amin’Andriamanitra.

Ny Vavolombelona dia nampiasaina indrindra mba ho fepetra hahazoana mamoaka didim-pitsarana, indrindra mba hahazoana manameloka ho faty. Tsy maintsy misy olona roa mifanara-teny vao azo navoaka ny fanamelohana ho faty (vakio Deo. 17, 6) Koa raha antsoina ho vavolombelona mahatoky ny Tompo dia noho ny fanafahana antsika amin’ny fahafatesana no mivona amin’izany. Ny fanambarana (Teny) ataon’ny vavolombelona dia tonga manan-danja fatratra sady tena antom-pisiany rahateo. Ny tena vavolombelona dia ilay nanatri-maso ny zava-misy, ka ny maha vavolombelona mahatoky ny Tompo dia maneho fa eo amin’ny olona mandrakariva izy. Amin’ny fotoana sasany dia enti-manambara ny didy folo ny hoe vavolombelona; amin’izany, maneho ny tena fitiavana ny vavolombelona satria ny didy folo dia tsy hafa fa didim-pitiavana. Ao amin’ny Tontolon’ny Testamenta vaovao, ny vavolombelona dia fisehoan’ny fanekena tsy mivadika na dia hiafara amin’ny fahafatesana aza; ka tonga martiora noho ny tsy fivadihana. Andriamanitra vavolombelona dia tsy mivadika amin’ny fitiavany na inona na inona mitranga.

Ireo hevitra roa ireo no atsangana ho fafana enti-mijery ny perikopa voarafitra mandritry ny Alahady roa farany amin’ny volana janoary.

Perikopa Fisehoan’Andriamanitra amin’ny olona

(Epifania)

Fisehoan’Andriamanitra

ho vavolombelona (Lohahevitra)

Hosea

12, 1- 7

Andriamanitra Iray Masina sy Mahatoky (and. 1): fanambaran-tenan’Andriamanitra Na dia miantehatra amin’ny hery hafa ny olona (and. 2) ary na manangam-pahavalo an’Andriamanitra aza ny olona dia tsy miova ny fitiavany ny olona (and. 3- 7)
Eksodosy

4, 1- 8

Andriamanitra maniraka dia miseho amin’ny olona irahiny (and. 1)

Manao famantarana ho porofon’ny fisehoany amin’ny olony Andriamanitra (and. 2- 8)

Ny famantarana asehon’Andriamanitra amin’ny fahavalony no vavolombelon’Andriamanitra manafaka. (and. 2- 8)
Jaona

5, 19- 23

Ny asa ataon’Andriamanitra Ray izay tohizan’i Jesoa Kristy no azo ambara ho fisehoany eo amin’ny olona Ny fifamatoram-pisian’Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy no fisehoan’ny maha vavolombelona tanteraka (vavolombelona roa) Azy ireo
Lioka

4, 23- 30

Ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra no maneho heriny izay asehony amin’izay tiany. (and. 25- 27) Ny tsy fankatoavan’ny olona an’i Jesoa dia maneho ny maha martiora Azy. (and. 23- 24, 28- 30)

 

2 Korintiana

1, 17- 20

Ny asa ataon’ny olona no miseho  ho voninahitr’Andriamanitra sady maneho Azy rahateo (and. 20) Ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra atao no vavolombelon’ny Tompo izay miteny amin’ny olona.
1 Tesaloniana

5, 23- 28

 

Tsodrano no fahafantaran’ny maro ity.

Manana endrika vavaka atao ho an’ny fiangonana ihany koa ity.

Ny fahatanterahan’ny fiangonana no fisehoan’ny ho fihavian’ny Tompo Jesoa indray.

Ny fiantsoana sy ny fitoeran’i Jesoa Kristy ho mahatoky no maneho ny fisiany.

Ny fihavian’i Jesoa Kristy no andraisan’ny Fiangonana ny fandresena farany ho famonjena azy.

 

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV