SITE WEB FOIBE FJKM / Endriny vaovao
Miseho amin’ny endrika vaovao
Ny Alatsinainy 10 Oktobra 2016 tamin’ny 9 ora sy 45 mn maraina lasa teo no nivoaka ny endrika vaovaon’ny tranokalam-pifandraisana Foibe FJKM na ny Site web FJKM.
Ny adiresy hitsidihanao izany dia ny <www.fjkm.mg>
Ny seho samihafa mampiavaka azy amin’ny teo aloha, dia ahitantsika sary izay maneho ireo vanim-potoana manamarika ny fiainam-piangonana. Raha manokatra io tranokala io, amin’izao fiovana endriny voalohany izao, dia ny sarin’ireo Birao Mpiandraikitra Foibe ( BMF) no ho hita ao sy ny an’ireo mpivory tany amin’ny Synoda Lehibe faha-XVIII natao tany Antsirabe.Rentsika avy hatrany ihany koa ny Radio Fahazavana FM 88.6 raha vantany vao manokatra azy.
Manomboka izao ihany koa, dia hisy ny Hafatry ny Filohan’ny FJKM, Andriamatoa IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Mpitandrina, hoharahintsika isam-bolana .Ankoatra ireo “rubriques” samihafa efa mahazatra ny mpitsidika toy ny: Vaovao farany, Vaovaon’ ny Sampana sy Sampan’Asa ary Asa, ny Fampianarana sy fitaizana, ny Mofonaina, sns, eo amin’ny pejy voalohany amin’ity Tranokalan’ny Foibe FJKM ity, dia azonao henoina ihany koa ny “ FJKM FAHAZAVANA”,
Zava-baovao ihany koa atolotra ny mpitsidika aoriana kely ny “Konkordansa“ – n’ny Baiboly.Ny Tompon’andraikitra misahana ny fampandehanana izany Tranokala izany, dia Ramatoa SAHONDRAMALALA Vololona Rabelison.Marihina, fa mbola hitohy hatrany ny fanatsarana ity site web ny Foibe FJKM ity.
Koa manentana antsika vahoaka kristiana FJKM rehetra na ny eto an-tanindrazana na ny any am-pitandranomasina mba hitsidika izany. Asaina am-pitiavana àry isika mpianakavin’ny finoana mba hamaky ny vaovao ao sy handefa ihany koa ny avy any aminareo, mba ho fantatry ny hafa ka dia ho vonton’ny Filazantsara i Madagasikara sy izao tontolo izao.