Tatitra/Famoahana Akademika

Famoahana Akademika ireo Dokotera 14

,andiany voalohany mitondra ny anarana : FANEVA

Tontosa Soamatsara  ny Alakamisy 22 Jona 2023 tao amin’ny FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA  ny Famoahana Akademika an’ireo Dokotera, andiany voalohany« FANEVA ». Nitarika ny Fanompoampivavahana , ny Mpitandrina Andriamampianina Zaka Hary Masy ,Filohan’ny Filankevi-pitondrana Oniversity Ravelojaona .Nitondra ny Tenin’Andriamanitra ,ny Mpitandrina IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Filohan’ny FJKM, sady nitarika ny Asa vavolombelona .

Fintin’ny Toriteny

 « miaraha-mankalaza an’i Jehovah Amiko » Salamo 34.3

1-Andao hankalaza an’Andriamanitra : Saika matin’ny fahavalony i Davida raha iny nandositra , lasa tany amin’ny tanin’ny fahavalony iny. Nody adala izy ka navela nandeha. Avotra soamatsara  ka mitaona ny olona hankalaza an’Andriamanitra . 

2-Andao hanandratra an’Andriamanitra : Ny hoe : manandratra dia alefa any ambony any mba ho fantatra sy tsy ho takona ny Anarany,ny Voninahiny .Ny fahalementsika matetika dia ny fitadiavana voninahitra raha vao mba misy zava-bita kely , na diplaoma azo . Aoka ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

3-Andao hiombona amin’Andriamanitra : ilay fankalazana dia atao anaty fiombonana, iarahana ilay fankalazana. « mba ho iray ihany izy rehetra » .Rivotry ny ady no iainantsika ,fankahalana  eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena fa isika kosa hiombona amin’ny fankalazana sy ny fanandratana an’Andriamanitra.

ASA VAVOLOMBELONA

Fizarana Diplaoma :

Marihana fa diplaomam-panjakana no natolotry ny Solotenan’ny Minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa ,saingy ny Oniversity RAVELOJAONA no sekoly ambony nivoahany (2019-2023) .Miisa 14 ireo notolorana ny diplaoma « Doctorat » .Miisa 4 ny vehivavy , ary 10 ny lehilahy . Tamin’izany dia 07 Mpitandrina ary 07 Laika avy amin’ny fiangonana isankarazany ato anatin’ny FFKM (FLM, EEM, FJKM,LAIKA) . Ny iray tamin’ireo dokotera navoaka dia tsy teto an-toerana tamin’io fotoana io. Miisa 20 ireo professeurs  mampianatra ao amin’ny Ecole Doctorale Oniversity Ravelojaona amin’izao fotoana izao . .

Fandraisam-pitenenana :

Nandray anjara fitenenana voalohany ny Solotenan’ny dokotera vao navoaka nanao ny teny fisaorana tamin’ny fiteny Betsileo (P.Andriambahiny Maminiaina) .Nifandimby niteny kosa taorian’izany ireo Zoky ray amandreny  , ny Filohan’ny Akademia Malagasy . ..

Mahavelom-panantenana ny fananana ireto vokatra « faneva » ireto na eo amin’ny fiainan’ny fiangonana na ny firenena . Tokony hahavaha olana ireo , mahavoaka demonia , ,mahaforon-javatra ,mahavaly fanontaniana ,mahova ny zava-misy,mahazaka hazo fijaliana . Isan’ny mampiavaka ny dokotera dia tsy toroana intsony  fa  olona hitondrana olana aza, indrindra fa ao anatin’ny vanimpotoana sarotra no ivoahan’izy ireo .

 Azo lazaina ihany koa ,hoy ireo nandray ny fitenenana fa sady Mpampianatra ireo no Mpikaroka  ka tokony hanoratra Boky . Tsara ihany  ny manamarika ety am-pamaranana fa ny iray amin’izy ireo dia voatendry ho EVEKA ANGLIKANA  any Antsiranana. Miarahaba sy mirary soa ho azy ireo isika hahavita be amin’ny asan’ny Tompo sy amin’izay ilàn’ny firenena azy avy.

Amin’izany rehetra izany dia asandratra ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Nangonin-dRamatoa Sahondramalala Vololona

Site web FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV