Mofonaina

Alarobia, faha 30 Aprily 2025

(Sal 21,1-7 / Hira358 Fifoh / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF5)

Romana 6. 8-14

Miara-belona amin’ny Tompo ny mino

1- Velona ho an’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa

« Ary aoka ho tahaka izany koa ianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota, fa velona ho an’Andriamanitra… » (and.11). Velona ný Tompontsika, nitsangana tamin’ny maty Izy; tsy manankery aminy ‘intsony ny fahafatesana. Rehefa mandresy ny fahotana eo ambany fitarihan’i Kristy isika dia miana ny fáhavelomana ho an’Andriamanitra. Tsy tahaka izao tontolo izao izay velona mba hihinana na velona mba hitady vola, na velona mba hanatanteraka asa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra; fa velona kosa ao amin’ny Tompo ary ho an’ny Tompo; evlona hanao sitrapon’Andriamanitra. Kristy no antony ahavelomantsika. ny

2- Tsy mamela ny ota hanjaka amin’ny tenany

« Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filàny » (and.12). Amin’ny maha olombelona nofo sy rà antsika dia misy ihany indraindray karazana firehana te hisarika sy mikasa handavo antsika. Ny mpino izay manaiky an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy azy dia efa nanombo ny tenany sy ny nofony teo amin’ny hazo fijaliana. Ny Tompo dia maty ny amin’t.y ota indray mandeha, kanefa nitsangana. Izany fandresen’ny Tompo ny fahotana izany no asaina mba hiainantsika ihany koa. Tsy ny nofo aman-drà sy ny filàny intsony no mibaiko ny fanapahankevitsika. Toy ny nandavan’i Jesoa ireo fakampanahy izay nokasain’i satana hamandrihana Azy no hitarihana antsika hijoro ho mpandresy hatrany hatrany.

Fanontaniana:

Amin’ny fomba ahoana no handresena ny fahota?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

HAFATRA PASKA 2025

Vaovao farany

Natao ny Alarobia 19 Martsa 2025 teny Ambohipotsy ny hetsika iraisana ho an’ny ho avin’ny ankizy.Nahafaly ny PAMF na Première…..

FIANGONAN’ I  JESOA  KRISTY  ETO MADAGASIKARASAMPANA FIVONDRONANA LAIKA         “Miorena tsara, aza miova” IKor 15, 58b « Inona no ataonareo mihoatra noho ny…..

Fihaonambe faha XIII SLK : 06-08 Aogositra 2024 Toerana VATOMANDRY – SP Kristy Fanantenantsika Toamasina Atsimo (32) 1) FAHATONGAVANA : Alatsinainy…..

Tsara ho fantatra amin’izao ankatoky ny fanavaozana ireo tompon’andraikitra izao. Toerana : Ifanadiana RANOMAFANA Rafitra ho an’ny Rantsana Foibe :…..

MIARO NY OLONY NY TOMPO DATY TENY VAKINA ISANANDRO 01 1 Jaona 5.18-21 02 Salamo 44.1-8 03 Deoteronomia 7.17-26 04…..

MAMPAHERY NY FANAHY MASINA DATY TENY VAKINA ISANANDRO 1 Asa 2.1-4 2 Mpitsara 6.33-40 3 Lioka 12.8-12 4 1 Korintiana…..

Perikopa 2025

Mey: MITARI-DALANA NY FANAHY MASINA

| | 04. Ala. II man. Paska
Ezekiela 43. 1-9 | Lioka 4. 1-13 | Asan'ny Apostoly 16. 6-10