Hafatry ny MF 05 SL XIX

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE

CFD Ampandrana: 11 – 18 Oktobra 2023

Ry Havana malala,

Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesoa Tompontsika. (2 Pet 1. 2).

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo ny 11 – 18 Oktobra 2023 dia manao izao hafatra izao:

1.       Ho an’ny Mpitandrina sy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra ato amin’ny FJKM:

o   Taomina isika hiomana ho amin’ny taom-panavaozana amin’ny taona 2024, araka ny tari-dàlana efa nalefa any amin’ny Synodamparitany tamin’ny alalan’ny Mpiandraikitra Foibe.

o   Anterina hatrany ny hananganana ny vaomieran’ny Hazakazaka Masina isaky ny sehatra misy antsika.

o   Manainga ny Kristiana FJKM rehetra mba hitandro ny fahamasinan’ny Fiangonana ka hanaja hatrany ny Foto-Dalàna sy Fitsipika FJKM.

o   Nosokafana nandritra izao fivoriana izao ny jobily fisotroan-drononon’ny Filohan’ny FJKM, izay notanterahina ny  Sabotsy 14 Oktobra 2023 lasa teo, tao amin’ny kianja maitso Antsahamanitra. Hitohy hatramin’ny taona 2025 izany taon-jobily izany.

o   Manentana ny Fiangonana sy ny Synodamparitany rehetra hanao ezaka ho famitana ny fankasitrahana ny Filohan’ny FJKM teo aloha, Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina.

o   Mitaona ny Fiangonana mba hanao ho zava-dehibe mandrakariva ny Asa Fitoriana ny Filazantsara.

o   Mampirisika ny Mpitandrina rehetra mitondra fitandremana mba hampianatra sy hitaiza ary hananatra sy hanitsy araka ny Soratra Masina ireo Kristiana ao aminy,  indrindra ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena.

o   Misaotra an’Andriamanitra isika fa afaka nankalaza Azy noho ny faha 55 taonan’ny FJKM.

Ny tsangambatontsika amin’izany dia Fahitalavitra Fahazavana (FTV) sy fanatsarana ny Radio Fahazavana.  Entanina hatrany isika isaky ny Synodamparitany handray anjara mavitrika ho amin’izany ezaka izany.

o   Isaorana ny Tompo fa vita soa aman-tsara ny Sekoly Fanomanana Mpampianatra (SeFaMpa) any Imerimandroso, izay tsangambaton’ny faha 200 taonan’ny Sekoly Protestanta.

Ankasitrahina etoana ireo rehetra nandray anjara sy nifanome tanana ho amin’izany.

o   Mihatsara hatrany ny Sekolintsika FJKM, tena tsara ny voka-panadinana ary lohany hatrany isika na amin’ny CEPE na ny BEPC na ny Baccalauréat. Koa taomina isika hampianatra ny zanatsika ao amin’ny Sekolintsika.

o   Manainga antsika rehetra hihevitra ny Sekolintsika, ka tsy hanadino ny KIS (Kitapo Iombonan’ny Sekoly) sy ny fandrotsahana ny 2 isan-jaton’ny Tetibolantsika hanohanana ny Sekoly. Ary mampirisika ny Fiangonana sy ny Synodamparitany amin’ny tantsoroka marolafy hampandrosoana ny sekolintsika.

o   Taomina isika hampianatra ny zanatsika ao amin’ny Oniversity FJKM Ravelojaona (ONIFRA)

o   Mankasitraka antsika rehetra (Kristiana, Fiangonana, Fitandremana ary Synodamparitany) amin’ny ezaka lehibe vitantsika tamin’ny “Rakitra soa”.

o   Efa mihatsara ny toetran’ny adidy ka isaorana isika sy amin’ny fanatanterahana izany. Mitaona am-pitiavana izay mbola tsy nahavita kosa, hanefa ny anjarany mialoha ny faran’ny taona 2023.

o   Misaotra antsika rehetra nahatsiaro am-bavaka sy nanohana ny mpiasa eo anivon’ny Foibe FJKM, tamin’ny Alahady fahatelo tamin’ny volana May lasa teo. Taomina isika hiomana ho amin’ny fanatanterahana izany indray amin’ny taona ho avy.

o   Tontosa soa aman-tsara ny hetsika “Haona Fi” Andiany Fahatelo tany Toamasina, ary any Mahajanga kosa ny andiany fahefatra amin’ny taona 2024, raha sitrapon’Andriamanitra.

o   Mampahatsiahy antsika ny amin’ny ezaka “Kofehy Volamena”

o   Mandrisika ny fitandremana sy ny Synodamparitany hanangana ny vaomieran’ny fananana ary hiroso amin’ny asa Fampamokarana, hananana loharanom-bola maharitra.

2.       Ho an’ny vahoaka tsy ankanavaka:

o  Ny Fiangonana dia manantitra ny handalàna mandrakariva ny fahamarinana sy ny rariny koa: “Aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra” (Amo 5. 24), ary aoka hotsaroana fa “ny fahamarinana manandratra ny firenena; fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin’ny olona” (Oha 14. 34).

o  Mampahery sy mampirisika ny Kristiana FJKM rehetra mba tsy ho menatra hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana sy ny fiadanana, fa ianareo no fanasin’ny tany…ianareo no fahazavan’izao tontolo izao” (Mat 5. 13, 14) koa ho sahy  hanohitra ny tsy fahamarinana amin’ny endriny rehetra.

o  Mitaona ny tsirairay hanaja ny lalàna, satria “Izay rehetra manota no mandika lalàna, fa ny ota no fandikana ny lalàna” (1 Jao 3, 4), ary Ota avokoa ny tsy fahamarinana rehetra” (1 Jao 5. 17)

o  Mitaona ny rehetra hampitsahatra ny fifandranitana sy fihantsiana rehetra, izay mety hiteraka ady ka hisian’ny rà latsaka, fa an’Andriamanitra ny aina, koa aoka hotandrovina ny aina sy ny maha olombelona. Mampahery ireo rehetra naratra sady mirary fahasitranana tanteraka ho an’ireo mbola tsaboina ankehitriny.

o  Manaitra ny tomponandraiki-panjakana (ny mpitandro filaminana,…..) ny amin’ireo tsy fandriampahalemana sy fiarovana  ny vahoaka tsy ankanavaka sy ny fananany.

o  Manainga ny isam-batan’olona hanao ho zava-dehibe ny fihavanana fa izany no fiadanana hampandry fahalemana ny firenena, fa “ny vokatra ny fahamarinana dia afafy amin’ny fihavanana ho an’izay mampandroso ny fihavanana” (Jak 3. 18) ary koa “ny asan’ny fahamarinana ho fiadanana, ary ny vokatry ny fahamarinana dia fiadanana sy fahatokiana mandrakizay” (Isa 32, 17).

o  Mampahery ny FFKM amin’ny ezaka rehetra ataony hitandroana ny fahamarinana sy ny fihavanana ary hampanjaka ny fiadanana eto amin’ny firenena. Aoka samy hanao ho zava-dehibe ny fitondrana am-bavaka ny firenentsika isika mpino Kristiana rehetra. “Mahereza ary, ka aoka hitomban-dahy isika ho an’ny firenentsika…ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.” (2 Sam 10. 12)

Farany, Sambatra ny firenena izay manana an’i Jehovah ho Andriamaniny” (Sal 33. 12)

Hitahy anao avy ao Ziona anie Jehovah, mpanao ny lanitra sy ny ny tany.” (Sal 134. 3)

Amin’ny anaran’ny Mpiandraikitra Foibe,

                                                                                                                                         Ny Filohan’ny FJKM

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV