Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Mitsangana hanohitra ny herisetra 

Eksodosy 14, 10-18

Jehovah mamonjy ny Isiraely

1 – Mamonjy ny Isiraely mitaraina aminy i Jehovah

Tsy nahakivy an’i Mosesy ny fanomezan-tsiny nataon’ny Isiraely izay resin’ny tahotra an’i Farao. Karazany maro ireo fanomezan-tsiny sy fanakianana ary teny mahery nataon’izy ireo tamin’i Mosesy. Toy izany hatrany no mahazo ny mpitarika mahatoky an’Andriamanitra. Tsy takatry ny olona ny finoana sy ny andraikitra apetraky ny Tompo aminy, ka iharan’ny herisetra sy teny mahery. Manome toky i Mosesy noho ny Tenin’ny Tompo sy ny andraikitra azony : « aza matahotra … Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » (and 13-14). Vonjen’Andriamanitra sy ataony mahafantatra ny maha Mpamonjy Azy ny vahoaka, ary tezainy ho mba hatoky Azy ny firenena nofidiny.

2 – Miady ho an’ny Isiraely Andriamanitra

Tsy miasa irery i Mosesy, mpanompo sady irak’Andriamanitra hitarika ny Isiraely. Manatanteraka ny tenin’ny Tompo i Mosesy, fa manatanteraka izay nolazain’ny mpanompon’ny Tenin’Andriamanitra kosa ny Isiraely. Teny manafaka ny ory sady mampahery ny irany ny tenin’ny Tompo. Solovavan’Andriamanitra izay mitondra fanafahana ny firenena sy ny vahoakan’Andriamanitra izy. Rehefa ambara marina sy mivantana ny tenin’ny Tompo dia manatrika ny vahoakany Andriamanitra. Mahazo toky ihany koa ny ory sy ny malahelo, satria tsy avelan’ny Tompo hiraviravy tànana amin’ny fampihorohoroana sy ny herisetra ny vahoaka.

Fanontaniana :

Mitondra fanomezan-toky ny ory sy ny malahelo tokoa ve ny toriteny sy ny tenin’ny Tompo toriantsika ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV