Alatsinainy 11 Desambra 2017 .
Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Romana 8.31-39Ny Romana 8 no anazavan’i Paoly ny fitahiana mahatretrika ananan’ny mpino , ka hananany fiainam-pandresena sy feno fanantenana .
Ny fiainam-pamonjena azon’ny mino
1-Ao amin’i Jesoa Kristy
Fanontaniana enina misesy no napetraky ny Apostoly Paoly entina handresena lahatra antsika , fa na dia mbola eto amin’izao tontolo izao aza ny mpino , dia mahazo antoka ny mandrakizay , satria momba antsika Andriamanitra . Porofon’izany ny nanomezany an’i Jesoa Kristy zanany lahitokana , ka afaka hiantoka hatramin’ny fara-tampony amin’ny tanjona sy izay zavatra ilaintsika . Planin’ Andriamanitra ho fanomezam-boninahitra sy ho fanamasinana antsika izany , ka tsy tokony hataontsika raraka an-tany .
2-Maneho ny fitiavan’i Kristy
« Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy? » .Farany tamin’ny fanontanian’i Paoly ity , izay manasongadina indrindra ny fanomezana valiny ho amin’ny filaminam-panahin’ny mpino. Ireo toe-javatra fito voalaza ireo dia mety hiainantsika ihany (fahoriana , fahantrana, fanenjehana , mosary, fitanjahana, loza, sabatra) saingy ny fitiavan’i Kristy izay mihoatra noho izany kosa no mampandresy antsika hatrany . io fitiavan’i Kristy io no efa namonjeny izao tontolo izao , ka nanolorany ny ainy sy nandatsahany ny rany teo ambony hazo fijaliana . Tsarovy àry fa manana anjara amin’io fitiavan’i Kristy io ianao , ka tonga mpandresy tahaka Azy .
Fanontaniiana:Tanisao ireo fizahantoetra mahazo anao nefa tsy mety resinao mihitsy . nahoana no tsy mety resinao izany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM