Alatsinainy 21 Novambra 2022.
Marka 13.28-37
Ny atao mandra-piavin’ny Tompo :
1.Mailo (and.28)
Asain’I Jesoa mailo tsara eto ireo mpianany satria tampoka ny fahatongavany eny amin’ny rahon’ny lanitra.Nisy ireo fambara mialoha izay efa nolazainy: ny adin’ny firenena sy fanjakana …efa miseho amin’izao andro izao avokoa ireo.Noho izany efa akaiky tokoa io andro io nefa ilay daty marina tsy misy mahalala.Ny fahendrena izany dia ny fahamailona mba hovonona amin’ny fotoana rehetra.Avia Jesoa Tompo.!
2.Matoky ny Teniny (and.31)
Azo antoka mihitsy aloha fa raha tonga izany fotoana izany,dia loza mahatsiravina no hiseho,tsy hay visavisaina,na isika aza dia ho tojo izany , saingy ny manome fanantenana ho antsika fa na tra-doza aza ny olon’izao tontolo izao ,dia isika kosa avahana satria ao ny Tenin’I Jesoa hoe: ”Ny lanitra sy ny tany ho levona fa ny Teniko tsy mba ho levona”; izany hoe: izay zavatra hita amin’izany fotoana izany handalo avokoa satria ho levona,fa ny Teniny kosa hitoetra mandrakizay.Mitoetra ho marina mandrakizay.Ny tokony hataontsika izany dia tsy matahotra fa matoky ny Teniny fa marina mandrakizay izany.
3.Miambina (and.33)
Ny atao hoe miambina dia tsy matory,tahaka ireo natao hiambina amin’ny alina: tsy mahazo rendremana akory aza.Dia toy izany isika,taomina tsy hatory fa miezaka ny hahatsiaro saina mandrakariva.Ny torimaso ara-panahy dia ny fahotana,ary ny fomba handresena ny fahotana dia ny Tenin’Andriamanitra sy ny vavaka.Samia ary mivavaka sy mirakitra ny Tenin’Andriamanitra.!
Fanontaniana:
Inona amin’ireo no efa tratranao eo am-piandrasana ny Tompontsika hiverina ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM