Alakamisy 17 Novambra 2022

HEBREO 8.7-13

Ny fanekena vaovao nataon’i Kristy

1- Dia tsara tsy misy tsiny

N y bokin’ny Hebreo dia anisan’izay miezaka mandresy lahatra ireo kristiana vaovao ny amin’i Kristy sy ny maha- izy azy .Anisan’izay ambarany eto ny mahatsara sy tsy misy tsiny ny fanekena vaovao izay nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ka nandatsahany ny Rany ho solon’ny sorona izay fanao teo amin’ny taranak’Israely mba hahazoana famelankeloka raha avy nanota . Hoy indrindra i Jesoa hoe : « ity no rako dia ny amin’ny fanekena izay alatsaka ho an’ny maro ho famelankeloka  » (Mat 26.28). Indray mandeha tsy miverina intsony koa io sorona io . Azo antoka araka izany ny famonjena amin’ny alalan’io fanekena vaovao izay nataon’i Jesoa io. Fanekena vaovao izay nataon’i Jesoa io .Voamarina rahateo ny maha-fanekena tsara sady tsy misy tsiny azy .

2-Dia avy ao am-pon’ny olona fa tsy misy teritery (and10)

Ny fanekena taloha dia izay nataon’Andriamanitra tamin’izy ireo tao an’efitra Sinay .Notandremany io fanekena io, saingy natao ivelany ihany fa tsy mba vokatry ny fo , natao toy ny ezaka izay tratrarina mba hahazoana sitraka aman’ olona ary mba hahafahana manameloka ny hafa .Taty amin’ny andron’i Jesoa sy ireo Apostoliny aza dia mbola nahatratra izay fitandremana lalàna mba ho mariky ny fitandremana ny fanekena izay nifanaovana. Nomelohina i Jesoa raha sendra ka nioty salohimbary , fa hoy Izy ao amin’ny Lioka 6.5 3 « Tompon’ny sabata ny zanak’olona » .Ry havana, maro amintsika fiangonana ankehitriny no manana izany foto-pisainana izany ka raha mitandrina ny lalàna dia tahotra ihany , ary miandry ny hafa ho lavo mba hohelohina .

Fanontaniana:

Efa ilay fanekena vaovao ve no ivelomanao sa mbola ilay fanekena taloha?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV