Alahady 05 Septambra 2021

GENESISY 17.9-14

Ilay Andriamanitry ny fanekena

1-Manome baiko ny mpanompony

« Ary izao no fanekeko ho amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo » (and10). Nanome baiko ny olony Andriamanitra . Baiko izay manome toromarika hahafahana manavaka ny vahoçkany . Izany dia loharanom-pitahiana ahafahana misitraka ny tsodrano izay foin’Andriamanitra ho an’i Abrahama sy ny taranaka mifandimby . Tany amin’ny Testamenta Taloha araka izany dia ny famorana no mariky ny fanekena , ary mampiavaka ny vahoakan’Andriamanitra . Tato aoriana dia ny famoran’i Kristy izay famorana tsy nataon-tànana indray dia ny batisa no famantarana mampiavaka ny zanak’Andriamanitra (Kol 2.11-12)

2-Mitsodrano ny mpanompony

« Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao, eny hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro avy aminy » (and16). Andriamanitra manome toromarika ny mpanompony ary mampanantena fitahiana , fitohizan’ny taranaka ary famirapiratana amin’ny alalan’ny fisian’ny mpannompony izay ho tonga mpanjaka . Marihana fa amin’ity fotoana anomezan’Andriamanitra tsodrano an’i Abrahama ity dia tsy mbola teraka akory i Isaka. Aoka hatoky ny Tompo mandrakariva isika fa Izy no loharanom-pandresena . Jesoa ihany koa dia mampanantena fahombiazana ho antsika izay matoky Azy (Rom 8.37)

Fanontaniana :

Ampitahao ny famorana voalaza eto sy ny famoran’i Kristy voalaza ao amin’ny Kol 2.11-12

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV