Sabotsy 19 Jona 2021

Mpitsara 11. 30 – 40

Fiainana amin’ny Finoana

1- Mitoky amin’Andriamanitra

Jefta dia Mpitsara nahery tahaka an’i Gideona sy Samsona izay efa fantatry ny maro ny tantarany. Rehefa hiady tamin’i taranak’i Amona izy dia nivoady tamin’I Jehovah . Tsy mbola hiditra amin’izay voadiny aloha isika eto fa ny zavatra asongadin’ny tantara amintsika dia izao : tsy dia natoky tena izy raha hiady, satria fantatsika fa olona efa nailiky ny rahalahiny izy no notadiavin’ny rahalahiny indray hiatrika ny ady atao amin’ny taranak’i Amona. Nitodika tamin’Andriamanitra izy ary ny fitantanan’Andriamanitra no nandrandrainy. Manoloana izany dia Jehovah mihitsy no nanolotra ny fahavalony teo an-tànany. Anisan’izay maha -Kristiana ny fahaizana mametraka ny ady eo an-tanan’Andriamanitra. Satria Andriamanitra efa nanome toky hoe: » Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina » (Eks 14.14) ary Jesoa koa nanamafy izany : »… indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)

2- Mahay mankasitraka:

Mariky ny maha – ,Kristiana ny fankatoavana an’Andriamanitra sy ny fanoloran-tena manoloana ny fahasoavana noraisina taminy. Mazava ny antony aneken’Ilay zanany vavy eo amin’ny and.36. »… Satria Jehovah efa namaly ny taranak’i Amona fahavalonao ho anao« . Indraindray dia adinontsika fa isika raha miasa na manao zavatra ho an’Andriamanitra dia mba hahazoantsika sitraka Aminy. Tsia ! isika dia miasa sy manolo-tena na manolotra izay tsara ao amintsika ho Azy , satria efa nomeny antsika maimaimpoana ny famonjeny sy ny fahasoavany. Tsy misy mendrika ny handray ny famonjena isika fa nomeny maimaimpoana izany, satria tia antsika Izy.  » Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy » (Rom 58). Raha tsapanao ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra dia tsy sahy hisafidy izay tsotra sy ratsy ho Azy ianao.

Fanontaniana:

Manao ahoana ny fiainanao ny finoanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV