Talata 13 Aprily 2021

SALAMO 71.20-24

Ny olona miorina amin’ny finoana

Vavaka nataon’olona iray efa antitra ity Salamo ity. Olona izay tao anatin’ny olana ary nitady ny famonjen’Andriamanitra hanafaka azy amin’ny fahavalony sy ny fahoriany .

1-Mijery amin’ny masom-pamonjena

Asehon’ity mpanoratra ny salamo ity ny fiderana an’Andriamanitra . Eo amin’ny and 19 dia manontany izy hoe : « Iza no tahaka anao ?  » ary ny valiteny nambarany dia mampiseho fa olona nampahitana fahoriana izy . Fa raha milaza izany izay dia manambara ihany koa avy eo fa Andriamanitra ihany no hamelona azy (and 20) . Ny olona mino dia mahita fanavotana ao anaty fahoriana , mahita famonjena ao anaty fahasahiranana . Ary izany no tsy hahalatsaka azy amin’ny fanomezan-tsiny an’Andriamanitra (vakio Rom 5.8)

2-Midera mandrakariva

Fanantenana anaty fahoriana . Tsy nampiova hevitra ny mpanao salamo ireo zava-nanjo azy . Nidera toy ny olona voavonjy izy ka tsy hita izay alom-pahoriana nanjo azy .Ary tsy nijanona tamin’ny fiderana izy fa notohizany tamin’ny fanolorantena izany . Ny fitoriana ny fahamarinan’Andriamanitra no safidy nataon’ity mpanao salamo ity . Ny olona miorina amin’ny finoana dia mampiseho izany fiorenam-pinoany izany amin’ny fiderana sy ny fanolorantena maharitra . Hoy i Paoly : « Mifalia mandrakariva amin’ny Tompo , hoy izaho indray : mifalia  » (Fil 4.4) . Fa inona kosa moa no antony hiderana anaty fahoriana ? Raha ekentsika fa avy amin’Andriamanitra ny zavatra rehetra , dia natao indrindra ny fahoriana hitaizan’ny Tompo antsika (Heb 12.7 / Sal 119.71)

Fanontaniana :

Ekenao ve ny hifaly ao anaty fahoriana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV