Sabotsy 30 Mey 2020.
ASA 2.1-13
Ny Fanahy Masina
Toe-javatra nitranga tamin’ny andron’ny Pentekosta , izay nanatanterahan’i Jesoa Kristy ny teny fampanantenany , ka nanomezany ny Fanahy Masina ho an’ny mpianatra no hitantsika amin’izao Asa 2 izao.
1-Ho an’izay mankato ny Tenin’i Jesoa
Nanaraka ny tenin’i Jesoa ny mpianatra ka nitoetra tao Jerosalema , nitoetra tao amin’ny efitra iray (fitoerana iray) .Endrika maneho ny fiombonana sy fifankatiavana , sady fanatanterahana ny baikon’i Jesoa Kristy izany.Vokatr’izany indrindra dia indro i Jesoa nanatanteraka ny Teny fampanantenany , ka nomeny ny mpianatra tamin’izany fotoana izany ny Fanahy Masina . Nandray ny Fanahy Masina ny mpianatry ny Tompo tsirairay.Tsarovy àry fa rehefa mankato ny Tenin’i Jesoa Kristy isika dia tanterahiny amintsika ny Teny fampanantenany.
2-Mampijoro vavolombelona
Rehefa nandray ny Fanahy Masina ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia nampitenenan’ny Fanahy Masina tamin’ny fiteny samihafa mba hanehoana ny asa lehibe nataon’Andriamanitra .Gaga sy talanjona ireo sokajin’olona tonga tao Jerosalema(and8-11) .Izany hoe: rehefa nandray ny Fanahy Masina ny mpianatra dia nitory ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny fitenim-pirenena samihafa.Mazava araka izany fa raha manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina isika dia vonona , feno fahasahiana hatrany hanambara ny famonjen’Andriamanitra amin’ny mpiara-belona amintsika.
Fanontaniana:
Efa mba nanambara ny asa lehibe nataon’Andriamanitra ho anao tamin’ny manodidina anao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM