Alarobia 11 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 1.18-26

I Jesoa , vahaolana faratampony no aseho eto :

1-Ny anarany atao hoe: Imanoela

Izany dia anarana nivoaka tao aminn’y vanim-potoanan’ny krizy tany amin’ny taonjato fahavalo raha nanampatra ny fahefany ny mpanjakan’i Asyria . Ao amin’ny fangejan’ny Romana indray izao ka dia miandrandra ny fahatongavana hamaha olana amin-kery mahagaga ny Jiosy . Dia tamin’ny fomba tsotra no nentin’ Andriamanitra niditra teto an-tany : notorontoroina tamin’ny Fanahy Masina , nateraky ny virjina . Tonga Izy ho Andriamanitra amintsika na  » Andriamanitra miara-monina an-day eto anivontsika ».

2-Ny toerany : Izy no Filohan’ny Mpiandry

I Jesoa , vahaolana ho an’izay tena mitady Azy marina no hitantsika eto: Izy no anton-dian’ny Magy , tanjon’ny fiainany , fahafahampo feno , fifaliana sy fanompoampivavahana ambony indrindra ka itsaohana sy andohalehana . Ny Fanomezana koa dia maneho ny maha- Andriamanitra feno sy maha- olona iandrandram-pamonjena noho Izy Mpanjaka . Manelingelina ny mafy fo ny momba an’i Jesoa satria fahoriana ho Azy fa vahaolana sy fifaliana ho an’ny mino . Ekena ho Filoha mpitarika hendry avy amin’i Davida Izy . Andriamanitra no miaro sy manatanteraka ny asany .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV