Zoma 11 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 10.1-25

Hafatra telo no entina ho antsika eto:

1-Asandrato avo ny Tompontsika

Variana any amin’ny sampy tsy mahavonjy ny olona . Fa ianao kosa , derao ny Tompo ka lazao Aminy hoe: « Tsy misy tokoa izay tahaka Anao Jehovah ô! lehibe Ianao ary lehibe amin’ny hery ny Anaranao « (and6). Na inona na inona endriky ny sampy iankohofan’izao miara-belona ratsy fanahy izao : vola , filàna , voninahitra , fahefana ankoatran’ireo vato aman-kazo , kalanoro…sns, tsy misy afa-mitaha amin’i Jesoa ireo . Ampy i Jesoa!

2-Matahora an’ Andriamanitra ianareo mpitondra

Hoy ny teny eto: « Fa efa kentrina ny mpiandry ondry ka tsy mitady an’i Jehovah. Izany no tsy mahahendry azy , ka dia niely ny ondry andrasany rehetra » (and21). Ny mpiandry ondry dia ilazana ny mpitondra eo amin’ny fiangonana sy ny firenena. Raha kentrina tsy mitady an’ Andriamanitra na ny mpitondra, mijaly ny vahoaka toy izay naha-onena an’i Jesoa (Mat 9.36).

3-Ankino amin’ny Tompo ny làlanao

Aza adinoina eo amin’ny fiainantsika manontolo ny tonombavak’i Jeremia ity :’Jehovah ô fantatro fa tsy an’ny olombelona ny làlan-kalehany , na an’ny mpandeha ny hahalavorary ny diany » (and23). Koa amin’ny fikasana rehetra , amin’ny planina arafitra rehetra : omeo toerana ao i Jesoa ,ekeo ny hotarihan’ny Fanahy Masina ,ekeo ny sitrapon ‘ Andriamanitra .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV