Alatsinainy 07 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 6.1-30

Mirehitra amin’ny fahatezerany koa i Jeremia fa efa mihoam-pampana loatra ity ataon’Israely : « Fa ny fahatezeran’i Jehovah mahafeno ahy ka tsy zakako tsindrina intsony  » (and11)? Hoy Izy :

1-Manao bemarenina amin’ny Tenin’ny Tompo ny olona .

Hoy ny Mpaminany : »Iza no hilazako sy hanariko mba handrenesany ? Indro , ny sofiny dia tsy voafora ka tsy mahahaino izy . He ! tsatsoiny ny Tenin’i Jehovah ka tsy ankamaminy » (and10) . Izany ange izao no ataon’ny olona maro manodidina antsika e!

2-Resin’ny fitiavam-bola ny olona :

« izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy fatra-pila harena avokoa » (and13) . Fa angaha tsy fanompoana vola koa no hihazakazahan’ny olona marobe izao?

3-Ny mpanompon’ Andriamanitra natao hampibebaka , manafosafo fotsiny ny fahotan’ny olona: » Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ny oloko zanakavavy tamin’ny nanaovany hoe: fiadanana , fiadanana, Kanjo tsy misy fiadanana tsinona » (and14).

4-Ny vahoaka , maditra avokoa !

Toroana fa tsy mety : « anontanio …izay làlana mankany amin’ny tsara , ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo . Nefa hoy izy :tsy hizotra izahay  » (and16) . « Tena maditra avokoa izy rehetra « 

Mahonena nefa mifankaiza amin’izany moa isika ankehitriny ?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV