Talata 12 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 24.1-10

Tantara mampalahelo indray no hitantsika eto:

1-Resin’ny fiavonavonana i Davida . Ny fanisana ny vahoaka lazaina eto dia tsy fanoherana ny fanaovana antontanisa toy izany na ny bokin’i Nehemia na Ezra … Ny loza teto dia ny zavatra nanetsika an’i Davida hampanao azy : nampanao ny fanisana izy mba hireharehany ho mpanjaka lehibe, manana vahoaka betsaka sy tafika mahery . Tonga fiavonavonana hanakonana ny Voninahitr’ Andriamanitra izany .

2-Resin’ny fakampanahy i Davida. Mariho  fa ny filazana  hoe: nanome saina an’i Davida hampanao izany ny Tompo, eo amin’ny and1, dia tsy mahafa-tsiny azy . Lazain’ny 1 Tant 21.1 fa i satana no nomen’ny Tompo fahafahana haka fanahy azy , ary nanaiky ho resin’ilay fakampanahy i Davida. I Jesoa koa dia nentin’ny Fanahy halain’i satana fanahy, saingy nandresy Izy (Mat 4.1,11).

3-Soa fa mahay nifona nalaky i Davida. Tsaroany ny fahadisoany ka nifonany (and10). Mpitondra « velona eritreritra« mantsy izy ka , na teo aza ny fakampanahy nandresy azy , tsy namono ny fieritreretany izany , fa nahay niaiky ny fahadisoana nataony izy . Mivavaha mba hananantsika mpitondra velona eritreritra toy izany koa hiadanantsika.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha- 3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV