Alakamisy 07 Febroary 2019.

Fandalinana ny Boky 2 Samoela

2 Samoela 22.1-19

Hira fiderana no iombonantsika amin’i Davida eto:

1-Anehoany ny fifamatoram-pisiana eo aminy sy ny Tompo(and2-3)

Ny Tompo , hoy izy dia « harambatoko, batery fiarovana, Mpamonjy, fiarovana avo ho ahy sy fandosirako, vatolampiko, ialofako, ampingako, tandroko famonjena ». Etsy ankilany : ahy Izy ary Azy aho. Izany no ambarany. Isika izay mahalala an’i Jesoa , Tompon’ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany (Mat 28.18) , mba afaka miteny toy izany koa ve?

2-Anambarany ny fomba ifandraisany amin’ny Tompo (and4-7). »Miantso an’i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin’ny fahavaloko » (and4). Izay no tsiambaratelon’ny fandreseny : ny fifandraisany amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka. Iza amintsika no tsy mbola nanandrana ny hasarodin’ny vavaka mahavonjy?

3-Ankalazainy ny fidiran’ny Tompo an-tsehatra hanatanteraka famonjena (and8-10). Sary an’ohatra no itantarany ny fahatongavan’ny Tompo hamonjy azy . Famonjena azo antoka satria Mpamonjy mahery , azo antoka no miady ho,azy. Isika koa , ao amin’i Jesoa Andriamanitra tonga nofo , mpandresy isika . Andriamanitra amintsika Izy .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

| | 26. Ala. Trinite – Alahady FFPM
Genesisy 11. 1–9 | Jaona 14. 15–21 | 2Korintiana 13. 11–14

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIVAVAKA – SP Antananarivo Andrefana (10)

Alahady 05 May 2024

Production FTV