Fiainan'ny fiangonana Sampana & Sampan'asa Vaovao farany

AFF / DIDOMI II

Ny « Manome »  : Làlam-pamonjena ho an’ny firenena

 

Efa nambarantsika tamin’ny laharana tany aloha fa ny “manome” no fomba nampiasain’Andriamanitra hamonjena izao tontolo izao.

I Paoly koa teo amin’ny fiatrehany ny fitoriana ny filazantsara dia nanana fomba fiasa mazava momba izany fa hoy izy: « Efa nasehoko anareo tamin’ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. » (Asan’ny Apostoly 20:35)

Ny mpanoratra ny bokin’ny Efesiana koa dia nanamafy tamin’ny fiangonana tany Efesosy hoe « Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana. » (Efesiana 4:28)

Ireo andinin-tsoratra Masina roa ireo dia samy maneho toe-tsaina manome ary mifamatotra amin’ny asa izany.

Ny manome àry amin’ireo toe-tsaina roa ireo dia tsy mijanona fotsiny eo amin’ny fahafahana manome, amin’ny fihetsika manolotra zavatra ho an’ny hafa fa mialoha ny hanomezana dia tsy maintsy mikely aina hiasa mba hahazo izay ilaina.

Toe-tsaina ifampitaizana ao anatin’ny tetikasa DIDOMI ny manome ary mazava ho azy araka izany fa mifamatotra tsy afa-misaraka amin’izany ny hoe: ny manome ho amin’ny famonjena dia fanomezana tsy misy takalony na inona na inona! Tsy izany ihany anefa fa mitaona sahady koa izany hihevitra izay lalana hahazoana misimisy kokoa sy tsaratsara kokoa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra mba hahafahana manome indray kosa avy eo.

Alaivo sary an-tsaina hoe ity firenentsika ity no manana tomponandraikitra feno faharesen-dahatra fa tsy hangataka intsony (na hindrana) ! Azo heverina fa tombontsoa goavana no hateraka izany eo amin’ny firenena satria sady tsy ho voabaikon’ny mpanome ny firenena no hanana ny fahefany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ary indrindra : tsy hibaby trosa ny taranaka. Tsarovy fa ny tsirairay mitambatra no tonga vahoaka. Ary rehefa ny vahoaka no manana faharesen-dahatra tsy ho tia miankin-doha fa ho tia manome dia ho tonga fitahiana ho an’ny firenena izany. Hanao ahoana ny fahasoavana mirotsaka ho an’ny firenena raha vahoaka 3 tapitrisa  eto Madagasikara fotsiny aza no feno faharesen-dahatra tsy hiankin-doha fa ho tia manome ho famonjena ny hafa! Azo heverina fa hiteraka fiovana goavana eto amin’ny firenena izany!

Raha miaina ny fitiavan’Andriamanitra isika Kristiana, mitoetra ho firenena kristiana i Madagasikara, ka manana vahoaka tia sy mahay manome; moa tsy azo heverina ve hoe isika Malagasy no hamatsy ara-bola na ara-tsakafo na zavatra hafa ireo firenena lazaina fa matanjaka ankehitriny??

Amin’izay fotoana izay tsy ny firenentsika ihany no ho voavonjy fa ny firenena hafa koa ka i Madagasikara ho vonto ny filazantsara ary isika ho fanasin’ny “TANY” tokoa!

Nofy antoandro ve? Andao hatomboka amin’ny fiaraha-mientana amin’ny tetikasa DIDOMI avy eo hotohizana amin’ny sehatra rehetra liana azy. dia tsy hijanona ho nofy izany!!

Vontosy filazantsara, ny Nosy Madagasikara!

Perikopa

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

  30 Jolay 2017 – Ala. VII man. Trinite – TPM sy IFRP
Eze. 2: 1-3: 3/Jao. 17: 6-19/Efe. 6: 14-20

  23 Jolay 2017 – Ala. VI man. Trinite
Mal. 3: 1-7/Mat. 24: 1-14/Asa. 14: 1-10

  16 Jolay 2017 – Ala. V man. Trinite – Samp. Fivondronana Laika
Eks. 7: 14-25/Mat. 11: 2-15/Gal. 1: 11-24

  09 Jolay 2017 – Ala. IV man. Trinite – Sam. Tanora Kristiana
I sam. 23: 1-5/Jao. 1: 19-28/I Pet. 5: 1-11

  02 Jolay 2017 – Ala.III man.Trinite
Jer 26.8-15 / Jao 20.21-23 / Asa 5.17-32

FJKM Fahazavana

Ny sabata