Finoana / Pestis sa pistis ?

 

Nirongatra mihoatra noho ny fisian’ny Pesta ny tahotra momba azy. Hatramin’ny fotoana nahafantarana mazava fa misy Pesta eto amintsika, dia lasa mitebiteby lalina ny olona. Ary izany fotoana izany indrindra no anontaniana hoe “Pestis” (pesta) sa “Pistis”(finoana) no matanjaka ao amin’ny olona?

PESTIS

Io “Pestis” io no teny latina nahazoana ny teny hoe Pesta, ary ny dikany dia zava-doza amin’atambo (fléau). Manapotika zavatra, mandripaka olona : izany no sary ao an-tsaina amin’io teny pestis io. Ilay mpanoratra frantsay Albert Camus, dia nandika ankolaka ny Nazisma ho Pesta, noho ny asa fandripahana olona nataony. Ny Jiosy fotsiny no nahatratra 6 tapitrisa no matin’ny Nazisma. Rehefa misy olona antsoina hoe Pesta ihany koa, dia midika izany fa tsy azo iainana ny miaraka aminy, tsy azo atonina io olona io. Misy ny atao hoe “peste pulmonaire”, izay mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora. Eo koa ny “peste bubonique”, izay mifindra kosa amin’ny alalan’ny parasim-boalavo. Mety tafatambatra izy iroa ireo, ary sarotra kokoa ny fiatrehana azy eo.

REHEFA NY PESTA NO LEHIBE

Ahitana taratra ny olona sasany fa, ny Pesta no lehibe aminy, mihoatra noho ny finoana. Amin’izany fijery izany, dia roa no mitranga. Voalohany, dia famaizan’Andriamanitra ny fisian’ny Pesta (Eks 9:3; Deo 28:21; Lio 21:11). Rehefa nadika ho amin’ny teny grika ny Testamenta Taloha (hebreo), dia ny Pesta no dikan’ny Fahafatesana.Mampiseho izany fa, zavatra tena mampihoron-koditra tokoa ny fisian’ny Pesta, ary Andriamanitra mihitsy no ambara fa mandefa izany areti-mandringana izany. Azon’Andriamanitra atsahatra ny fandefasany io areti-mandringana io, rehefa mibebaka ny olona na firenena, ary dia ho sitrana izy (II Tant 7:13).Faharoa, dia lasa mifanome tsiny ny rehetra. Miasa ny devoly izay tondroiny ho mandefa ny loza, ary mety ho olona mihitsy no atao hoe devoly mahatonga ny Pesta. Ny taona 1348-1700, naharitra 350 taona teo ho eo, dia nisy 10.000 ny olona nodorana velona noho ny fiampangana azy ho nahatonga ny Pesta. Tany Strasbourg fahiny, dia niharan’ny Fitsaram-bahoaka ny Jiosy 900, izay noampangaina ho nanisy poizina ny vovon-drano fisotroan’ny vahoaka. Teo ny nandripahana ny mpatory an-dalana sy ny mpangataka,satria aretin’ny mahantra ny Pesta.

REHEFA NY FINOANA NO LEHIBE

Ny finoana (Pistis) dia ny fanekena fa marina ny Tenin’Andriamanitra. “Nitondra ny aretintsika rehetra Izy (Jesoa io, hoy ny Mat 8:17), ary nivesatra ny fahoriantsika (fanaintainantsika)”, hoy ny Isa 53:4. Izany hoe, nalainy, nesoriny ny aretintsika. Tsy antsika intsony io aretina sy fanaintainana io, fa efa lasany sy Azy. Mampirehitra ny fahatezeran’ny Tompo isika rehefa tsy mino izay nambarany. Midika izany fa, azo resena tsara ny areti -mandringana toy ny Pesta. Efa resin’i Jesoa teo ambony hazo fijaliana ny aretintsika, hatramin’ny fahafatesana. Rehefa miaraka amin’ny Tompo ary isika, dia miaraka Aminy koa miatrika ny fandresena izany amin’ny finoana sy asa maha mpino.

Ajanona avy hatrany ny fifanomezan-tsiny sy fifampiampangana izay hiafara amin’ny fifamonoana. Mampiraviravy tanana ny efa voa sy ny vahoaka ny mpitondra lany andro amin’izany. Angaredon’ny olona rehefa entanin’ny finoana no ilain’ny Tompo (mpitsabo, Fiangonana, mponina, …). Ary mivonona hampiasa ny fitaovan-tserasera handresena ny Pesta, fa tsy hampihorohoroana indray ny hafa.Dia tsaroana ilay sarintsary nataon’ny Mpitandrina iray momba ny ady amin’ny devoly. Toy ny omby mihinana ravi-mangahazo io, ny roahina avy hatrany no atao aminy mba tsy hahasimba ny zavatra, avy eo vao fantarina izay tompon’ny omby. Reseo tsy hahazo laka ny Pesta, avy eo isika mamantatra izay nahatongavany.

A• Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV