Fandalinampinoana / Ankohonana Kristiana

Ny fanambadiana kristiana

Andry iray lehibe izay mandrafitra ny vahoakan’Andriamanitra ny “ankohonana Kristiana”. Hatrany amin’ny andron’ny testamenta Taloha no nifidy ny Zanaky i Israely Andriamanitra ho ankohonany na ho vahoakany manokana. Ankehitriny ny Fiangonana no Zanaky i Israely vaovao, ankohonan’Andriamanitra. Toerana maha be voninahitra izany kanefa toerana sarobidy no saropady ihany koa. Noho izany, tsy mandeha ho azy ny maha ankohonana kristiana fa misy ny fepetra ilaina ho tanteraka mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. Inona ary no ambaran’ny Fotodalana amam-pitsipika momba izany?

Andinin-dalana miisa 23 no amahavahan’ny Fitsipiky ny FJKM (FDF) azy (manomboka eo amin’ny and. 73 ka hatramin’ny and. 95)

  • Ny fanambadiana Kristiana no fototra iorenan’ny ankohonana Kristiana

Toy izao no fotokevitra nofaritan’ny FDF momba izany: “Ny Ankohonana Kristiana dia ateraky ny Fanambadiana Kristiana. Koa amin’izany, dia ao amin’ny Fanambadiana Kristiana no tsy maintsy iorenan’ny fitaizana fototra, izay sady mahatsara fototra ny Fiangonana, no mampirindra koa ny fiarahamonina sy ny fiainam-pirenena.

Ny Fanambadiana, amin’ny Kristiana, dia fanomezana sarobidy sy masina avy amin’Andriamanitra. Noho izany dia angataham-pitahiana sy fanamasinana avy amin’Andriamanitra izany, ary mahazo ny tsodranon’ny Fiangonana. Izany dia tanterahina amin’ny alàlan’ny fanompoam-pivavahana, izay ampahafantarina ny Fiangonana, sady atao ao amin’ny tranon’Andriamanitra.”

Arak’izany, ny fanambadiana Kristiana dia fototry ny ankohonana Kristiana no fototry ny Fiangonana izay miantoka ny firindrany sy ny firindran’ny fiarahamonina ihany koa. Raha izany no izy, tomponandraikitra eo anoloan’ny fahatsaran’ny fiarahamonina ny Fiangonana noho ny hatsaran’ny ankohonana Kristiana.

  • Ny fepetra momba ny fanambadiana Kristiana

Io fotokevitra ao amin’ny FDF io ihany no mamaritra izany ho toy izao:

“ Ny Fanambadiana Kristiana, dia :

  1. Firaisana masina ifaneken’ny lehilahy iray sy vehivavy iray, araka ny fanorenan’ny Tenin’Andriamanitra.
  2. Famantarana ny fahariana vaovao eo amin’izao tontolo izao.
  3. Fanehoana ny endrik’Andriamanitra eo amin’ny fiarahamonina.
  4. Fitiavan’Andriamanitra iainana hita maso ao amin’ny fifanajana sy ny fifankatiavana.
  5. Famantarana lehibe ny amin’ny firaisan’i Kristy sy ny Fiangonana.
  6. Fototra amin’ny fanabeazana ny olona tsirairay, ny ankohonana, ny firenena sy ny Fiangonana.
  • Ny fomba anatrarana ny fanambadiana Kristiana

Mba hahatrarana ireo fepetra miisa enina ho amin’ny fanambadiana Kristiana dia ny fampianarana no imasoan’ny Fiangonana. Koa manana izay votoatim-pampianarana momba ny fanambadiana Kristiana ny FJKM. Toy izao io votoatim-pampianarana io, ankoatr’izay ambaran’ny Soratra Masina irery ihany:

  • “ Toy izao no vontoatim-pampianaran’ny FJKM momba ny fanambadiana:
  1. Tsy ambaran’ny Fiangonana ho fanambadiana kristiana avy hatrany ireto:
  • Ny fanambadiana ifanaovan’ny olona roa (2) samy irery mba hiraisana tokantrano
  • Ny fanambadiana ifanaovan’ny olona roa (2) araka ny fombam-pianakaviana na ny fomban-drazana mba hiraisana tokantrano.
  1. Ny Fiangonana dia mampahafantatra sy mitaiza ny vahoaka kristiana hiroso amin’ny fisorata-panambadiana ara- panjakana sy amin’ny fanamasinana ny fanambadiana ara-pivavahana.
  2. Ny FJKM dia tsy mitsodrano izay fanambadiana efa voatsodrano tany amin’ny Fiangonana kristiana hafa.
  3. Ny “Boky torolàlana” no manazava ny antsipiriany momba ny fanambadiana araka izay efa navoakan’ny Mpiandraikitra Foibe.”
  • Ny mifanohitra amin’ny fanambadiana Kristiana

Ny FDF and. 73 no mamaly izany arak’izao.

  • “ Tsy eken’ny Fiangonana ho fanambadiana mihitsy ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy sy ny fampirafesana.”
  • Ny fiomanana ho amin’ny fanambadiana Kristiana

Ankoatry ny toriteny sy ny fampianarana dia ny Sampana no sehatra izay anomanana sy itaizana ny Fiangonana mba hananany ankohonana Kristiana. Mitohy ho fitaizana izany rehefa tafiditra ao ny kristiana. Fa mialoha ny hirosoana amin’ny fanambadiana Kristiana dia misy ireto fepetra ireto:

  • Firosoana ho mpandray ny Fanasan’ny Tompo (andininy 74)
  • Fisoratam-panambadiana ara-panjakana (andininy 75)
  • Fifampidinihana mialoha iarahana amin’ny mpitandrina mba ahazoana mandrafitra ny fotoam-panamasinana (andininy 76)
  • Fiantsoana fanamasinana (andininy 78)
  • Fanamasinana fanambadiana (andininy 85- 86)

Eto ampamaranana no amerenana indray fa ny fanambadiana Kristiana no fototra maha ankohonana Kristiana, koa mirary ny Ankohonana rehetra ao amin’ny Fiangonana ho Ankohonana Kristiana ho antoky ny fahatsaran’ny Fiangonana sy ny Fiarahamonina ijoroany.

Rasorapiangonana

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV