Fanazavana Perikopa Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

Migadona indray ity ny volana fahafito amin’izao taona 2017 izao. Volana hibanjinan’ny Fiangonana ny lohahevitra hoe: “Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.” Raha izany lohahevitra izany no ho maso amakiana ny Filazantsara voarafitra ho perikopa amin’ity volana ity dia hevi-dehibe roa no tsy maintsy asongadina ankoatra ny maha vavolombelona, izay niombonany tamin’ireo lohahevitra teo aloha dia ny “fankatoavana” sy ny maha “iraka”.

Ny Filazantsara araka an’i Matio dia voasokajy ho mpanohy ny voalazan’ny Testamenta Taloha. Izy no mampiasa be indrindra ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Testamenta Taloha. Raha izany no izy, ny Iraka dia tsy hafa fa toy ny Mpanjaka nofidiana na toy ny Mpaminany izay nantsoina, araka izay hita tao amin’ny Testamenta Taloha. Izy ireo dia samy nomena ny herin’ny Fanahy hoentiny manatontosa ny iraka nampanaovina azy.

Matio 11, 2- 15: Ity perikopa ity dia iray ihany no irahina fa ny mpaniraka no misokajy ho roa. Andaniny i Jaona maniraka ny mpianany ary ankilany i Jesoa maniraka ireto mpianatr’i Jaona. I Jesoa Kristy miasa, ka miteraka akony eo amin’ny fiarahamonina, no fototry ny fanirahana (nataon’i Jaona, and. 2). Izany dia maneho fa ny fanekena ho iraka dia tsy famoronana asa vaovao fa fanohizana ny asan’Izy Tompo efa miasa rahateo, kanefa iraka ho fanambarana ny asan’io Tompo io ihany koa (and. 4)

Fa ambaran’i Jesoa ho iraka ankoatr’ireo voalaza tetsy aloha i Jaona, izay mpaniraka ny mpianany. Ny andraikitry ny iraka dia ny hanomana ny ho fandraisan’ny olona ny asan’ny Tompo dia ny famonjena (and.10). Ary farany, tsy manam-pitsaharana fa mandrapiverin’i Jesoa Kristy amin’ny voninahiny vao hifarana ny fanirahana iraka. Noho izany, ny Iraka ankehitriny dia fitohizan’asan’ireo iraka teo aloha ihany, toa an-dry Elia, ny Mpaminany, i Jaona Mpanao batisa, ny Mpianatry Jaona mpanao batisa…..

Na izany aza, tsy izay rehetra manambara tena ho voairaka akory no tena nirahina. Ny fankatoavana ny mpaniraka sy ny asa anirahana no porofon’ny maha iraky ny Tompo marina. Ny votoatin’ny iraka mantsy dia ny fanambaram-pamonjena, ka i Kristy Jesoa io famonjena sady Mpamomjy io, koa izay manohitra izany dia Iraka sandoka, toy izay lazain’i Jesoa eto amin’ny Matio 24, 1- 14

Fa raha ny Filazantsara araka an’i Jaona indray no iaingany, satria Alahady telo amin’ity volana ity dia voalahatra ao ny perikopa, dia ireto no misongadina:

Jaona 1, 19- 28 : Ny Iraka dia ilay ho fahatanterahan’izay voalazan’ny Mpaminany, arak’izay teny nampitondraina.

Jaona 17, 6- 19 : I Jesoa Kristy no endrika isehoan’izany Iraka izany, dia Ilay iraka manaiky ho vavolombelona. Iraka mpampahafantatra an’Andriamanitra amin’izao tontolo izao (and. 6- 8). Iraka miombom-piainana amin’izay mandray ny hafatra entin’Ilay nirahina (and. 9- 11). Iraka mikendry fahamasinana (fanokanana) izay rehetra mandray ny hafatra nentiny.

Jaona 20, 21- 23: Manana izay manavaka azy ny Iraka dia ireto: Izy no dimby solon’i Jesoa Kristy. Koa izany no andraisany ny Fanahy Masina hahazoany manana ny fahefan’Ilay nodimbiasiny sady naniraka azy rahateo.

Koa eto am-pamaranana, anjaran’ny Fiangonana ny manavao ny tenany ho mendrika tokoa ny ho Iraka solon’i Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV