PERIKOPA Febroary 2017

Vavolombelon’ny fanekeny ny Tompo

 

Ny perikopa amin’ny Alahady roa farany amin’ity volana febroary ity no iarahana mijery eto. Izany hoe, ireo perikopa mamarana ny vanim-potoan’ny Epifania. Ireto lafiny telo ireto no hasongadina amin’izany, ka narafitra ao anaty fafana iray mba tsy hivalamparan’ny fanazavana:

Perikopa Iza moa ny Tompo, Ilay manao fanekena, araka ny fanambaran’ny perikopa ? Inona no endrika na votoatin’ny fanekena ataony. Manao ahoana no maha vavolombelona Azy eo anoloan’io fanekeny io ?
Levitikosy 26, 40- 45 Andriamanitra :

·  Mpamela heloka sy mpitari-dalana ny olona  (and. 41)

·  Mahatsiaro ny fanekeny (and.42)

·  Manambara ny tenany amin’ny olony (and. 44)

·  Mitahy ny olony (and.45)

Andriamanitra ho Andriamaniny ary ny olona ho olony ·  Andriamanitra mamela heloka ny olona miala amin’ny fahadisoany (and.40- 42)

·  Fanekena tsy miova (eo amin’ny taranaka mifandimby)

·  Tsy manalabaraka ny olony eo anoloan’ny firenen-kafa (and.44)

Jeremia 31, 31- 34 ·  Ilay manavao ny fanekeny amin’ny olony (and.31- 32)

·  Mitondra ny olony hiala amin’ny fanandevozana (and. 32)

 

·  Ny Lalàna omen’Andriamanitra mba ho porofo fa Izy ho Andriamanitra ary ny Zanak’i Israely ho olony (and. 33)

·  Ny famelan-keloha ampanantenainy ny porofon’ny fanekeny. (and.34)

Andriamanitra tsy mivadi-panekena (and. 32b)
Matio 22, 34- 40 I Jesoa: Mpampianatra (and.36) Ny fitiavana no ivon’ny fanekena (and. 40) I Jesoa tsy miala amin’ny voasoratra ao amin’ny Bokin’ny lalàna (Deo.6,5 Lev. 19, 18)
Jaona 7, 37- 39 I Jesoa: (and. 37)

·  Miantso olona,

·  Manafaka ny olona amin’ny hetahetany.

·  Mampanantena ny Fanahy Masina (and.39)

I Jesoa mitsinjo ny mahasoa ny olony amin’ny alalan’ny fampanantenana fanafahana amin’izay hetahetan’ny olona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina hiasa ao amin’ny olona. Fanekena tsy miova, ilay maneho ny fifamatorana sy ny fiombonan’Andriamanitra amin’ny olony. (Araka ny fanekena: “Izaho ho Andriamanitrareo ary ianareo ho oloko”.)
1 Timoty 6, 11- 16 ·  Andriamanitra fantatra ao amin’ny olona ny toetrany araka ny toetra voatanisa fa ananan’ny olona antsoina hoe:  Lehilahin’Andriamanitra and. 11)

·  Andriamanitra miseho eo amin’ny olona (and. 13)

·  Andriamanitra manamarina ny olony amin’ny andro farany (and.14)

·  Tokana, Mpanjaka, Tompo and. 15

Andriamanitra fantatra ao amin’ny olona. Izany hoe : Andriamanitra miombom-piainana amin’ny olona. Andriamanitra tsy miova, ankehitriny sy ho mandrakizay
Hebreo 10, 11- 18 ·  I Jesoa: Mpisorona mahafaka ny fahotan’ny olona (and. 13)

·  Ny Fanahy Masina mpampahatsiaro ny lalàna sy mpamafa ny fahotan’ny olona

·  Ny fanafahana ny olona amin’ny fahotana

·  Ny fanomezana ny lalàna ho tsaroan’ny olona mandrakariva mba ho fanavotana azy. (and. 16- 18)

 

Fanavotana indray mandeha (teo amin’ny fahafatesany toy ny endriky ny sorona) tsy miverina ary maharitra mandrakizay.

 

Ho an’Andriamanitra anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

 

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV