Fiainan'ny fiangonana Vaovao farany

Antsom-pitiavana

Avy amin’ny Filoha.

Fanambadiana mitovy fananahana : Manao antsom-pitiavana ny filohan’ny FJKM.

Manoloana ny resabe nandeha tato ho ato, momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy dia nanao izao fanambarana izao ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.

Eo anoloan’ny toe-javatra mampiahiahy, ahitana mpanakanto lahy manambady lahy, manao « clip » any an-trano Fiangonana sy ny lalàna mahabe resaka eny amin’ny Antenimierampirenena, ny Fiangonana amin’ny maha-Mpitily sy Mpaminany azy dia tsy maintsy mijoro. Mpitily ny Fiangonana ka manaitra ny amin’ny loza mitatao eo amin’ny fiainam-pirenena. Mpaminany ny Fiangonana ka tsy maintsy miteny amin’ny anaran’Andriamanitra.
Fampahatsiahivana
Ny FJKM dia mampahatsiahy fa ao amin’ny foto-dalàna sy fitsipika FJKM andininy faha-74 dia milaza hoe : Tsy eken’ny Fiangonana ho fanambadiana mihitsy ny firaisan’ny samy lahy na samy vehivavy.

Ao amin’ny fanambaram-pinoana nataony tamin’ny Synoda Lehibe faha-17 natao tany Manakara, tamin’ny Aogositra 2012, izay nohamafisin’ny Synodam-pinoana nataony, ny volana mey 2018, dia nilaza hoe : Tsy afaka miaraka ny maha-kristiana sy ny « franc maçonnerie », tsy afaka miaraka ny maha-kristiana sy ny « homosexualité ».Ny FJKM dia miombona amin’ny hafatra nataon’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara na ny FFKM tamin’ny Komity Foibe nataony tany Tsiroanomandidy, tamin’ny Novambra 2018, manao hoe : Fanambadiana ho an’ny olona mitovy fananahana : fahotana, tsy fanajana ny tenan’olombelona sy ny fanambadiana ary aretina io ka lavin’ny Fiangonana. Toy izany koa ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mitovy fananahana. Lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray, araka ny famoronan’Andriamanitra azy no ekena ho mpivady ka tsofin’ny Fiangonana rano.Mijoro ny Fiangonana
Koa anterina manokana izao tohiny izao,manao hoe : mametraka hafatra amin’ny mpanao lalàna mba tsy ho ekena lalàm-panjakana io fomba io, izay voizin’ny teolojia liberaly sy ny iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona mafy.

Ambonin’izany rehetra izany, ny FJKM dia mijoro hanatanteraka ny iraka nampanaovin’i Jesoa Kristy lohan’ny Fiangonana azy dia ny hitaona ny olona rehetra handova ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ny Fiangonana dia sady manaja ny safidin’izay te-ho sodomita no tsy mitsara na manilika azy fa manambara aminy mazava kosa fa raha tohizany io làlana io dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra izy.

Antsom-pitiavana
Koa antsom-pitiavana no ataon’ny Fiangonana. Antsom-pitiavana amin’ny Fitondram-panjakana noho ny fitiavana ity tanindrazana iombonana ity, tsy hanome vahana ity fanambadian’olona mitovy fananahana ity. Antsom-pitiavana amin’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, tsy andraraka ilo mby an-doha ny nomen’Andriamanitra antsika olombelona noforoniny. Antsom-pitiavana amin’izay misedra olana eo amin’ny fironana amin’ity fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ity, mba hananany fanantenana fa misy ny làlan’ny fahafahana marina ao amin’i Kristy.

Rev. Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, Mpit. Filohan’ ny FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV