Aoreno …ny fianakaviana

Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana

Ampitomboina ho aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanan’Ilay Andriamanitry
ny fianakaviana. Indro atolotra eto amin’ity andian-dahatsoratra ity ny tari-dàlana ho amin’ny fanomanana
ny fandinihana ireo perikopa voalahatra amin’ny Alahady fahaefatra sy fahadimy amin’ity volana ity. Toy
ny efa mahazatra, ny lohahevitra hoe: “Aoreno ao amin’ny Tompo ny Fianakaviana” no enti-mandinika
izany.
 Salamo 127, 1- 5: Voambolana fototra iray ihany ny “manao trano” sy ny “manorina tokantrano”
araka ny voambolana Hebreo. Koa ny fanorenana ny tokantrano, izay loharanon’ny fianakaviana, dia
fanekena fa Andriamanitra no tompon’antoky ny fanambadiana na inona na inona fikelezan’ain’ny olona
tsirairay. Koa ekeo ny ho malalan’Andriamanitra mba hisitrahana fisiana tsara (and. 1- 2). Ary mbola
Andriamanitra no tompon’antoky ny taranaka mifandimby ka heverina ho fanomezana avy aminy izany,
mba hitondra fahasambarana ho an’ny fianakaviana tsirairay (and. 3- 5).
 Marka 10, 13- 16: Nampianatra ny olona hiaina ny fitiavana ny Tompo eo amin’ny raki-tsoratra
mialoha ity perikopa ity, ary tohizany eto izany amin’ny fanomezana toerana ny zaza. Eo anatrehan’ny
fandraran’ny mpianatra ny zaza tsy hanatona ny Tompo no anitsian’ny Tompo Jesoa ny fanavahana. Tsy anavahana sokajin’olona ny fitiavan’Andriamanitra ny Fianakaviana. Mendrika ny hisitraka famonjena
hatramin’ny Zaza ka antsoiny hanatona azy. Koa eo anatrehan’izany tsy fanavahana izany no anehoan’ny
Tompo ny fitiavany hampiditra ny olona ao amin’ny fanjakany. Sarin’ny fiankinan-doha tanteraka amin’ny
ray aman-dreny no ao anatin’ny zaza mba anehoana fa izay miankina tanteraka amin’Andriamanitra no ho
mpandova ny fanjakany.
 Kolosiana 3, 18- 25: Manana ny soa toavina ny fianakaviana mba ho fototry ny fahasambarana ao
aminy dia ny fifankatoavana sy ny fifankatiavana manahaka ny fitiavana sy fankatoavana Azy
Andriamanitra. Tsara ny hiainana izany eo amin’ireo sokajin’olona mandrafitra ny fianakaviana: Vehivavy
sy ny zanaka ary ny mpanompo mahay manaiky sy Lehilahy mahay mitia.
 Jeremia 18, 1- 12: Miankina tanteraka amin’ny safidin’ny isa-pianakaviana ny ho famonjena azy.
Eny, hain’Andriamanitra ny mampifanaraka ny fanavaozana na ny mifanohitra amin’izany, arakaraky ny
safidin’ny tsirairay, moa va tsy ny asan’ny mpanefy vilany tanimanga, izay mahay manefy ho amin’ny
endrika vaovao. Koa raha ny ratsy no miala amin’ny fanaony dia andriamanitra no manefy ny fianakaviana
ho vaovao, mendrika ho azy na dia teo amin’ny ratsy azy izy tany aloha (and. 5- 8). Ary ny mifanohitra
amin’izany no ambaran’ny and. 9- 12. Raha tahiny ka miala amin’ny fahatsarana efa nananany ny tsirairay dia mba miala aminy ihany koa Andriamanitra ka manefy azy ho amin’ny endrika hafa tsy miankina
amin’Andriamanitra.
 Marka 9, 38- 50: Tsy fehezin’ny rindrandamin’ny fiarahamonina ny famonjen’Andriamanitra ho
an’ny isam-pianakaviana. Koa na iza na iza no mitondra famonjena ho amin’ny mpiara-belona aminy dia ef fisehoan’Andriamanitra ao amin’ny asa izay (and. 33- 35). Ambonin’izany, ny famonjena dia tsy hanefy n yolona hanam-pahamboniana miavaka fa mikolo azy hiankina tanteraka amin’Andriamanitra mpamonjy, moa va tsy ny fiankinan’ny zaza amin’ny ray aman-dreniny.
 Romana 13, 11- 14: Ny fiainana ny fitiavana eo anivon’ny fiainam-pianakaviana dia masoandro
miposaka ho an’ny isa-tokantrano izay tsy maintsy araraotina mba hahazoana miova hiaina fiainam-baovao,dia fiovam-piainana mandao ny asan’ny maizina izay manjaka amin’ny alina fa resin’ny fahazavana tamy mba hahazoana mandova ny fanjakan’Andriamanitra.


Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV